- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Gadra Politikan'i Azerbaijan sy ny Tetipanoron'ny Fitondram-Panjakana

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Azerbaijan, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Khadija Ismayilova, an investigative journalist of world renown. Photo by Abas Atillay, RFER/L. Creative commons.

Khadija Ismayilova, mpanao gazety mpanao fanadihadiana manana ny lazany manerantany. Saripikan'i Abas Atillay, RFER/L. Creative commons.

Toko vaovao eo amin'ny zava-mampalahelo amin'ny rafi-pitsarana ao Azerbaijan ny fipoiran'ireo [1] mpanatrika mameno ireo rafi-pitsarana rehefa misy raharaha goavagoavana, mba tsy hanomezana toerana ireo mpanatrika hafa. Misy ny sasantsasany milaza fa afa-mitoraka vato iray na roa ihany koa izy ireo rehefa ilaina izany.

Nahazo laka tokoa ry zareo nandritra ny fizotry ny raharaha iampangana mpanao gazety fanadihadiana malaza Khadija Ismayilova. Notazonina [2] hatramin'ny  desambra i Ismayilova fa voampanga ho mandrisika famonoantena, mandositra hetra, raharaha tsy ara-dalàna, fihoara-pefy amin'ny asa ary ny fanodikodinam-bola.

Nalain'izy ireo ihany koa ny toerana maro tamin'ny fitsarana ireo mpikatroky ny zon'olombelona ,Leila sy Arif Yunus, voampanga tamin'ny herintaona ho manao asam-pitsikilovana an'i Azerbaijan ho amin'ny tombontsoan'i Armenia.

Lazain'ireo mpitsikera avy amin'ny vazantany efatra fa hosoka sy fikendrena hampanginana ireo feo mitsikera ao Azerbaijan, iray amin'ny fitondrana tao amin'ny Firaisana Sovietika teo aloha ka mpangeja indrindra, ny fiampangana an'i Ismayilova sy i Yunus.

Raisin'ireo mpiasan'ny  fitsarana ao an-toerana an-tanandroa tsara ireo mpanatrika fitsarana tsy fantatra anarana [3] ireo, ahafahana misoroka amin'ny alalan'ny fahagagana — na amin'ny alalan'ny fomba fifandraisan-tanana miafina — ny fanarahamason'ny fianakaviana, namana, mpiara-miasa amin'ny toriana rehefa te-hiditra ao amin'ny fotoam-pitsarana izy ireo.

Mitondra finday izay tsy tokony mahazo alalana hiasa ao amin'ny lapan'ny fitsarana ry zareo, ary mibahana ny ankamaroan'ny seza ao amin'ireo efitry ny lapan'ny fitsarana tery dia tery. Rehefa atonin'ny mpanao gazety ry zareo dia milasa fa tapaka sy naman'ny olona toriana nefa tsy mahalala na inona na inona momba ilay toriana akory.

Saingy toa tsy mitoetra ho mpanatrika mangina ny fotoam-pitsarana fotsiny izy ireo.

Nandritra ny fotoam-pitsarana an'i Ismayilova, izay nanomboka tamin'ny 24 Jolay, misy ireo sasantsasany tamin'ny Mpanangom-baovaon'ny gazety Azerbaijani ao an-toerana izay tratran'ny trindrihazolena nikasa haka sary tao ambadiky ny lapa izay nifampihaonan'ny mpanohana an'i Ismayilova. Voatora-bato [4] anefa ry zareo hanakorontanana azy ireo.

Tsy nisy ny nanono-tena ho tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana. Saingy raha tsy asan'ny fikambanana miafina ary io dia iza no nanao izany?

Fihaonan'ny mpanohana ilay Azerbaijani mpanao gazety fanadihadiana Khadija Ismayilova eo ivelan'ny lapan'ny fitsarana izay iatrehany ny fotoam-pitsarana.

Amin'ny fisian'ireo mpanatrika tsy fantampantatra mibahana ny toerana tsara rehetra dia voatery nitsangana sy niandry tao ivelan'ny lapa, mihiaka ny anaran'i Khadija ho fanohanana azy sy mitehaka mafy araka izay tratra, ny namana sy ny mpiara-miasa amin'i Ismayilova.

Tsy mahazo miditra amin'ny Lapan'ny Fitsarana ao Baku ny mpikatroka tamin'ny fanombohan'ny fitsarana an'i Ismayilova: Mpanohana ny mpanao gazety Khadija Ismayilova …

Kinga amin'ny fisandohana ara-politika ny fanjakana Azeri. Fenoiny vato avy hatrany ny vata [fifidianana], fenoiny lainga ny gazety, ary ankehitriny, toa hita fa fenoina mpanatrika “sandoka” ny lapan'ny fitsarana.