Tantara tamin'ny Jolay, 2015
Olomalazan'ny Rock Aostraliana Jimmy Barnes Mitaky ny Hirany Alain'ny Mpankahala Islamo
Te hilaza fotsiny aho fa i Aostralia misy ahy sy tiako dia Aostralia mahalefitra. Ilay toerana misokatra sy malala-tanana. Hoy ilay mpiangaly rock Jimmy Barnes
Nikaragoà : Misaona Fianakaviana 3 Niara-maty Novonoin'ny Polisy Nandritry Ny Fifanenjehana
Ny nahafatesan'ireo olona telo avy taminà fianakaviana niara-maty no zava-doza farany indrindra nanaratsy endrika ny Polisim-Pirenena ao Nikaragoà. Mety hiraikitra eto ny hatezeran'ny firenena manontolo.
Iza No Te Ho Merkel? Tsindrio Ary Mitsikia Amin'ity Lalao Fepetram-pifehezankibo ity
Ny tsy maintsy handihizana sy hihirana ny 'My Anaconda' in-14 miverina eo anoloan'ny Chancelier Alemana Angela Merkel ve no nahatonga ny minisitry ny vola teo aloha hiala?
Ny Fomba Anovàn'ny Boko Haram Ny Politika Iraisampirenena Ao Afrika Andrefana sy Afovoany
Namerina indray ny fanafihany firenena Afrikana maro ny Boko Haram tato anatin'ny herindrano maro lasa. Ireto ny famintinana ireo fifandonana nisy tamin'ity taona ity tany amin'ny faritra hatramin'ny anio.
Tsy Voatery Hanaraka Ny Lalàna Momba Ny Angon-drakitra Fijerena Toerana Ny Twitter Hoy i Rosia

Nambaran'ireo manampahefana fa afaka tsy miraharaha ilay lalàna vaovao manomboka hanan-kery amin'ny 1 Septambra izao ny Twitter, lalàna izay mitaky ny mpanome tolotra ety anaty aterineto hanangona ny angon-drakitra rehetra momba ireo Rosiana mpampiasa azy ho ao anaty lohamilina any Rosia
Tafika Meksikana Nampangaina Ho Nitifitra Olon-tsotra Nandritra Ny Fanafihana Tany Michoacán
Nitatitra ny media tsy miankina fa nitifitra olon-tsotra tamin'ny vondrom-piarahamonina teratany any Ostula ao amin'ny fanjakana Michoacán ny Tafika Meksikana. Milaza ny media iray eo an-toerana fa nisy ankizy lahy iray 12 taona maty.
Fomba Iftar nentindrazana tsy lany hamamiana ao Bangladesh an-tsary 12
Lasa latabatra misokatra ny araben'ny lalamben'i Bangladesh mandritra ny iftar, sakafo rehefa mody masoandro mandritra ny volana fifadian-kanina islamika izay efa vita tanteraka ny tamin'ity taona ity.
Mifaninana Ao anatinà Copa América “Hafa” Ireo Vondrom-piarahamonina Indizena Ao Amerika Latina
Tsy ny rehetra no miara-mirona amin'ilay fifaninanana. "Fisandohana iray mahatezitra io," hoy ny vondrona andaniny nanoratra .
Nanasonia Ny “Zo Hohadinoina” Ho Lalàna ny Filoha Rosiana Putin

Nanasonia ny lalànan'ny "zo hohadinoina" i Vladimir Putin, raha toa ka naneho am-pahibemaso ny fanohanany ny "famerana bitika dia bitika" ny aterineto Rosiana izy tamin'ny andro nanaovany izany.
Nogadraina tao Emira Arabo Mitambatra Ilay Mpanakanto Aostraliana Noho Ny “Teny Ratsy” Navoakany Tao Amin'ny Facebook

Niafara tany am-ponjan'ny Emirà Arabo Mitambatra sy tamin'ny fandroahana ilay mpanakanto Aostraliana Jodi Magy ny fandefasany sary tao amin'ny Facebook.