- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sariitatra mampitsiky mitaratra izay fanahian'ny olona amin'izao ankatoky ny fifidianana ao Myanmar izao

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fifidianana, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina
Myanmar Election Cartoon [1]

Mpahay sariitatra Mg Mg Fountain mihevitra fa mbola ho maro ny olona tsy tafiditra lisitra ao amin'ny rafi-pifidianana ao Myanmar. Ny vakiin'ny tondro dia hoe “Andao hifidy”. Niely fatratra ao amin'ny Facebook ity sariitatra ity.

Nazoto nizara sariitatra ara-politika mitaratra ireo lohahevitra isankarazany mifandraika amin'ny fifidianana [2] ankapobeny amin'ny 8 novambra ho avy izao ny mpiserasera aterineto ao Myanmar.

Ity no fifidianana faharo hatramin'ny nitsofohan'ny firenena tao anatin'ny tetezamita demaokratika tamin'ny 2010. Ny Antokon'ny Firaisankina sy ny Fampandrosoana (USDP) no hifaninana amin'ny antoko mpanohitra, Ligy Nasionaly ho amin'ny Demaokrasia (NLD), izay tarihin'ilay nahazo ny loka Nobel Rtoa Aung San Suu Kyi.

Kihon-dalana lehibe tokoa ity fifidianana ity satria hamaritra [3] raha vonona ny hampiditra fanavaozana demaokratika lalindalina kokoa ao amin'ny firenena ny governemanta tohanan'ny tafika.

Mihoatra ny dimampolo taona izao i Myanmar no teo ambany fitondrana miaramila, izay voampanga ho manitsakitsaka ny zon'olombelona sy mahatonga ny fielezan'ny kolikoly. Nanomboka tamin'ny 1962 ny fitondrana miaramika raha nanao fanonganam-panjakana ny Jeneraly Ne Win ary nametraka governemanta sosialista. Taorian'ny fitroarana lehibe tamin'ny 1988 dia nanatontosa fifidianana ankapobe i Myanmar (izay nantsoina tamin'izany fotoana izany hoe Birmania) roa taona taty aoriana saingy nolavin'ny tafika ny fandresena miezinezina azon'ny NLD notarihan'i Suu Kyi. Nosamborina ny mpitarika mpanohitra ary nambenana manokana tsy hivoaka an-trano i Suu Kyi raha nametraka fitondrana miaramila vaovao ny Jeneraly Than Shwe.

Tamin'ny 2010, nosoloina fitondrana sivily ny fitnodrana saingy mbola mitana ny 25 isanjaton'ny seza ao amin'ny Hluttaw (Parlemanta) tafika. Manaraka izany, ny tetezamita tao anatin'ny dimy taona farany dia tafaroboka tao anatin'ny fitomboan'ny trangan-kerisetra [4] kaominaly, fifandonana mitam-piadiana [5], adin-tany [fanoherana ny fakan'ny matretre ny tany efa nipetrahan'olona hatramin'izay], fifampiresaham-pankahalana [6], famoretana mpanao gazety [7], fanohintohinana ny mpianatra ary fahazoan'ny mpivavaka hiringiriny vahana. [8]

Ny sariitatra no endrika malaza fanehoan-kevitra mitaratra ny resaka politika raha mbola tao anatin'ny fitondrana manjakazaka tanteraka i Myanmar. Raha miha-antomotra ny fifidianana amin'izao fotoana izao, dia manohy ny fomba nahazatra amin'ny fampiasana ny soritsoritra nataony ireo mpahay sariitatra ao Myanmar hanehoany hevitra amin'izay mitranga ao amin'ny firenena. Ny pejy Facebook Onjan'atidoha [9] (Nyanhlain) no manasongadina ny sanganasan'ny sasantsasany amin'ireo mpahay sariitatra ireo.

Andao hojerena ny sasantsasany amin'ireo sariitatra malaza indrindra sy ny lohahevitra ara-tsosialy ifanakalozan-kevitra ao amin'ny media sosialy amin'izao fotoana izao.

Lisitry ny mpifidy feno fahadisoana

Iray amin'ny olana mialoha ny fifidianana ny fahamaroan'ny fahadisoana [10] ao amin'ny lisitra ofisialin'ny tafiditra lisitra hifidy manerana ny firenena. Maro ireo manahy fa tsy ho afa-mifidy ireo ara-drariny tokony hifidy amin'ny androm-pifidianana, ka mahatonga ireo vondron'olona hanao fanentanana ara-pifidianana. Nampirisihana hanamarina ny fisoratany anarany an-tserasera amin'ny alalan'ny sehatra tahaka ny Andao hanamarina amin'ny Lisitry ny Mpifidy [11] ihany koa ny mpifidy.

Manahy ny fisian'ny tatitra maro amin'ny fahadisoana maro ao amin'ny lisitry ny mpifidy izay lasa olana manerana ny firenena ny mpahay sariitatra Thiha (Sa Khan Thit) :

11242785_835582656549185_6799582738983795483_o [12]

Sariitatra nataon'i Thiha (Sa Khan Thit), niely tao amin'ny Facebook.

Text in the cartoon: Since voter lists have errors in almost every town in the country, isn't it a proof of a national conspiracy?

Fehezanteny ao amin'ny sariitatra: Raha misy fahadisoana amin'ny tanandehibe rehetra ao amin'ny firenena ny lisitry ny mpifidy, tsy porofo fisian'ny tetidratsy manerana ny firenena ve izany?

Fammpielezan-kevitra mialoha ny fifidianana

Misy ireo mpahay sariitatra sasantsasany no manoritsoritra ihany koa ny fihetsiky ny antoko politika mandritra ny fampielezankevitra ataony. Nandoko sariitatra ara-panoharana amin'ny tsy fisian'ny firaisankina ao amin'ny firenena i Kar Hlu Pyi, sary nahazo mpankasitraka 3000 sy mpizara 1000 tao amin'ny Facebook:

11667418_837085796398871_7819358948486645133_n [13]

Sariitatr'i Kar Hlu Pyi, niely tao amin'ny widely shared on Facebook.

Text in the cartoon: Hey, Hey… although it's true that we can move if we push together, this is not how you do it!

Fehezanteny ao amin'ny sariitatra: eh! eh! na dia marina aza hoe afa-mihetsika isika raha miara-manosika isika, dia tsy izao no fanaovana azy!

Milaza izay tsapan'ny vahoaka amin'ny ezaka ataon'ny governemanta handresena lahatra ny mpifidy ny mpanao sariitatra Min Htet Lu :

11703263_837550106352440_8739932288160754835_o [14]

Sariitatr'i Min Htet Lu, nozaraina fatratra ao amin'ny Facebook

Text in the cartoon: [They] are really good: as the election draws near, they started repairing roads, schools, wells, etc. The only thing they do not repair is their habit.

[Translator's note: in Burmese language, the words “repair” and “change” are the same.

Fehezanteny eo amin'ny sariitatra: Tena tsara tokoa ry zareo: tsara rehefa manatona ny fifidianana, manomboka manamboatra lalana, sekoly, fatsakana, sns ry zareo. Ny zavatra tokana tsy amboarin-dry zareo dia ny fahazarany.

[naotin'ny mpandika lahatsoratra: amin'ny tena birmana dia iray ihany ny voambolana “manamboatra” sy “miova”]

Fe-potoana faharoa ho an'ny filoha

Nataon'ny mpanao sariitatra hatsikana ihany koa ny fanamarihan'ny filoha hanompo indray hanao fe-potoana faharoa.

11402961_835207276586723_6745477545838946797_n [15]

Sariitatr'i Hpaung Hpaung, nifampizarana fatratra ao amin'ny Facebook.

Text on the left: The president said he will consider serving a second term if the people wish so.

Text on the right: Well… He can then decide after reading the comments below [on Facebook].

Fehezanteny amin'ny ankavia: Milaza ny filoha fa hoheveriny ny hanompo amin'ny fe-potoana faharoa raha irin'ny vahoaka izany.
Fehezanteny amin'ny ankavanana: Izany hoe… Afa-manapa-kevitra izy rehefa avy mamaky ny fanehoan-kevitra eto ambany. [ao amin'ny facebook]

Ho an'ny mpanao sariitatra Thura, maro ny olona tsy nankasitraka loatra ny fanambaran'ny filoha:

20314_835668776540573_7255341002294895770_n [16]

sariitatr'i Thura, nifampizarana fatratra tao amin'ny Facebook.

Text on the left (president): Regarding my second term, if people wish so, I will seriously contemplate serving again.

Text on the right: Oh my god… just be gone, already!

Fehezanteny ankavia (filoha): Momba ny fe-potoana faharoako, raha irin'ny vahoaka, dia mety hieritreritra mafy ny hanompo indray aho.
Fehezanteny amin'ny ankavanana: Andriamanitro ô… vao lasa, sahady!

Be ahiahy amin'ny hoavin'ny firenena i Mg Mg Fountain :

10857724_840097159431068_8224680699374257847_n [17]

Sariitatra nataon'i Mg Mg Fountain, niely fatratra tao amin'ny Facebook.

Text on the top left: If [we] have the chance to run the country for next five years, poverty will not exist anymore.

Text on the right (map): What about me? Will I still exist then?

Fehezateny antampony ankavia: Raha manana vintana hitantanana ny firenena ao amin'ny firenena izahay dia tsy hisy intsony ny fahantrana.
Fehezanteny eo amin'ny ankavanana (sarintany): Ary izaho? Mbola hisy ve aho?

Ny mpanao sariitatra Htin Lin Kyaw mandravaka ny ‘fanirian'ny vahoaka':

11698384_839608242813293_1167802741795133167_n [18]

Sariitatr'i Htin Lin Kyaw, ifampizarana fatratra ao amin'ny Facebook.

Text on the left: Do you know what would happen if there are no projects, no budget, no foreign investment, no crackdown, and important people like us!!?

Text on the right: Then it's the people's desire.

Fehezanteny amin'ny ankavia: Fantatrao ve hoe inona no mitranga raha tsy misy ny tetikasa, ny tetibola, ny fampiasam-bola vahiny, ny fanenjehana, ary ny vahoaka manandanja tahaka antsika!!?
Fehezanteny amin'ny ankavanana: Dia izay izany no fanirian'ny vahoaka.

Misy ihany koa ny fanahiana amin'ny mety iverenan'ny fitondrana miaramila mivantana. Nahazo “tia” mihoatra ny 8000 ny sariitatr'i Thiha (Sa Khan Thit) momba izay fanahiana izay ao amin'ny Facebook:

11402705_835828726524578_6591096889885088134_n [19]

Sariitatr'i Thiha (Sa Khan Thit), niely fatratra tamin'ny Facebook.

Text on the left: The army assures that there will be no coup as long as there is stability in the country.

Text on the right: People are just worried that [they] will create instability in order to perform coup.

Fehezanteny amin'ny ankavia: manome antoka ny tafika fa tsy hisy ny fanonganam-panjakana raha mbola milamina ny firenena.
Fehezanteny amin'ny ankavanana: Manahy fotsiny ny vahoaka fa hiteraka tsy filaminana ry zareo ka mahatonga fanonganam-panjakana.