Manohy ny zava-mahazatra azy hatry ny ela mampiteraka adihevitra hatrany ny Loka Archibald, fifaninanana ara-javakanto iray mamirapiratra indrindra ao Aostralia. Loka iray omena kokoa amin'ny fanaovana ny sarintavan'ny lehilahy na vehivavy miavaka eo amin'ny sehatry ny zavakanto, haisoratra, siansa na politika, nolokoin'ny mpanakanto iray monina ao Aostralazia izany.
Na ny artista, Nigel Milsom, na ny natao hosodoko Charles Waterstreet, dia efa samy manana tantara marevaka eo anatrehan'ny lalàna. Nihaona izy ireo ary lasa mpinamana raha voaheloka sy nampidirina am-ponja tamin'ny raharaham-pandrobàna mitam-piadiana i Milsom tamin'ny taona 2012. Waterstreet no mpisolovavany tamin'izany. Fantatra kokoa amin'ny maha mpiara-namorona ny tantara mitohy amin'ny fahitalavitra mitondra ny lohateny hoe “Rake” izy, ka ny mpandray anjara fototra ao amin'io tantara io, Cleaver Greene, dia toa mifototra vinaninany amin'ny fiainany sy ny asany. Ny fireharehany amin'ny fampitan-kafatra (retweet) no nahafahana nampijoroana ny fifandraisany:
His Rake'ness as painted by Nigel Milsom is not only magnificent it deservedly won the Archibald! @CCWaterstreet https://t.co/i4tcpt4tMX
— missdlight keri (@missdlight) July 17, 2015
Tsy hoe mampitolagaga ihany ny Rake-ny araka izay nolokoin'i Nigel Milson fa mendrika ny hahazo ny Archibald ihany koa!
Raha ny marina, indraindray toy ny hoe i Charles no nahazo ny loka:
I interviewed the charming Charles Waterstreet today #archibald2015 pic.twitter.com/xDAiBOBiFZ
— lily mayers (@lilymayers) July 17, 2015
Nanao antsafa an'i Charles Waterstreet mampiagolangola aho androany
Tsy ny mpankafy zavakanto rehetra no nankasitraka ireo lohatenim-baovao tamin'ny haino aman-jery maro izay nifantoka tamin'ny heloka bevava vitan'i Milsom:
So sad the media is focussing on this years #archibald2015 winner in a negative light. He did his time, now let's celebrate his prize.
— Lila A (@lila_afiouni) July 17, 2015
Mampalahelo ny fifantohan'ny fampahalalam-baovao amin'ny fijery matroka momba ilay nahazo ny #archibald2015 tamin'ity taona ity. Efa nahavita ny saziny izy, andeha hankalazaina ankehitriny ny lokany.
No room for redemption on the news wires “Former armed robber wins Archibald Prize” (ABC News 24) #archibald2015 #ArchibaldPrize #art
— Alasdair Macintyre (@aecap) July 17, 2015
Tsy misy toerana hoan'ny famelan-keloka ho fanavotana ao amin'ny vaovaon-gazety “jiolahy mitam-piadiana taloha no nahazo ny Loka Archibald (ABC News 24)
Tsy menatra kosa ny hafa tao amin'ny Twitter manasongadina ny heloka bevava vitany taloha:
Who says crime doesn't pay? Nigel Milsom wins #archibald2015 #archibaldprize
— James Powditch (@james_powditch) July 17, 2015
Iza no milaza fa tsy misy sandany ny heloka bevava? Nahazo ny Archibald i Nigel Milsom
Tsy azo ihodivirana ireo tsikera antserasera ara-javakanto. Lohahevitra niverimberina momba ny Archibald izany fa safidy ratsy ny fanendrena ny mpandresy :
Seriously? $100,000 prize for this? Seriously? #archibald2015 #imustbeatotalphilistine http://t.co/bBVjdJ4Yhq
— Tim Meade (@PompeyPom) July 17, 2015
Tena marina ve? loka 100 000 dolara amin'io? Tena marina?
Ity sioka ity kosa dia milaza momba ilay nampifaninanana avy amin'i William Dobell tamin'ny 1943, izay niatrika tsy nahomby tamin'ny fanamby ara-pitsarana iray ka nilaza fa sariitatra ilay izy fa tsy tena sarintava.
Archibald winner is just a Francis Bacon , Bill Dobell rip off … Once again , art loses …
— george Barnes (@georgebarnes311) July 17, 2015
Nataon'i Francis Bacon ny nahazo loka tamin'ny Archibad, mangalatra i Bill Dobell …..mbola matiantoka indray ny zavakanto …
Nilaza ny fitoviana mba ho hitan'ny rehetra i Raichel :
@ArtGalleryofNSW #Dobell, Milsom, Dobell, Milson, Dobsom?…#archibald #Waterstreet #portraitprize pic.twitter.com/ZO3ebMg8HP
— Raichel (@DanteInExile) July 17, 2015
Mijery lafin-javatra tsara kosa i Joanna Mendelssohn ao amin'ny The Conversation, milaza fa fetiben'ny endrika “manalavoly indrindra” antsika izany. Nanazava izy hoe:
First, the Archibald is – in essence – not an art prize but a celebration of the personalities who define Australia, and especially Sydney. Waterstreet, the flamboyant inspiration for the ABC television series Rake, has to be a front runner on those grounds alone.
In addition, Milsom was the winner of the 2013 Moran Prize – and a convicted criminal – all of which makes good copy. The Archibald is, above all things, about media coverage.
Voalohany, ny Archibald – amin'ny ankapobeny – dia tsy loka ara-javakanto fa fankalazana ireo olo-malaza mamaritra an'i Aostralia, indrindra fa i Sydney. Tsy maintsy mpihazakazaka lohalaharana amin'ireny kianja manirery ireny i Waterstreet, ilay aingam-panahy mamiratry ny tantara mitohy amin'ny fahitalavitra ABCRake.Fanampin'izany, mpandresy ny Loka Moran 2013 i Milsom – sady jiolahy voaheloka – izay lasa dika mitovy tsara. Ny Archibald, alohan'ny zava-drehetra dia momba ny fitantarana amin'ny haino aman-jery
Anisan'ny tena mahabe resaka amin'ny lokan'ny haisoratra sy zavakanto Aostraliana ny tsy fisian'ny miralenta. Teboka mampifanditra izany amin'ny Archibald, na amin'ny artista na ny zavatra entiny [vokatra]. Marobe ireo sioka mampifandray ny lahatsoratra an-gazetin'ny Sydney Morning Herald Loka Archibald 2015: Manome herim-po izay mandresy:
Archibald Prize 2015: It takes balls to be a winner# http://t.co/YDfegJE8m1 pic.twitter.com/KECIedAU6F
— Gi Ma (@gima2327) July 17, 2015
Loka Archibald 2015: Manome herim-po izay mandresy
Farany, nizara lahatsary malaza avy amin'ny Broadcasting Corporation Astraliana i Peter Pidgeon, izay ahitana ny fisian'ny fifandraisany:
Wep's 3 wins: 1958, 1961 & 1968; images #37, #40 & #46 – The changing face of the Archibald: 1921-2015… http://t.co/r2D7T3IvLq
— Peter Pidgeon (@Pidgeoncoop) July 18, 2015
Fandresena 3 an'ny Wep: 1958, 1961 & 1968; sary # 37, # 40 & # 46 – Ny Fiovan'endriky ny Archibald: 1921-2015 … http://t.co/r2D7T3IvLq
Izao no ahafahanao mitsara ny fahamendrehan'ny mpandresy