Naneho ny fihetseham-pony ireo Maleziana tamin'ny tatitra fanadihadian'ny Wall Street Journal, izay nampavoarohirohy ny Praiminisitra Najib Razak ho nanao kolikoly, tamin'ny fankalazana ny tenifototra #1MDBMovies tanaty Twitter. Izany dia entina milaza ny fikorontanana ara-bola mahavoarohirohy ny 1Malaysia Development Berhad (1MDB), orinasa fampiasam-bola tantanan'ny fanjakana izay voalaza ho nanao famindram-bola tsy ara-dalàna maro tato anatin'ny taona vitsivitsy.
Ny 02 Jolay, nitatitra ilay gazety Amerikana fa vola mitentina 700 tapitrisa dolara Amerikana (RM 2,6 lavitrisa) no nafindra tamin'ny kaontim-banky manokan'i Najib tamin'ny alàlan'ny 1MDB.
Ireto ambany ireto ny sasany tamin'ireo #1MDBMovies malaza izay nampihomehy ireo Maleziana maro:
epic siot poster ni! #1mdbmovies pic.twitter.com/tNhgLZn1Lk
— Zhu M (@zhukl) July 8, 2015
Ny Ringgit no volan'i Malezia
#1MDBMovies: Maleficent Rosmah pic.twitter.com/bUgByenX8y
— GuruChat (@Guruchat) July 6, 2015
#1MDBMovies: I Rosmah mpamosavy
I Rosmah dia vadin'i Najib ary voarohirohy ihany koa anatin'ireo fiampangàna fanaovana kolikoly.
Fantastic 4 : Rise of the RON95, toll, and many more #1MDBmovies pic.twitter.com/lI7ZNQVvxG
— Syükri Kháiri (@SY7KRI) July 6, 2015
Ireo 4 Mahatalanjona: Fiakaran'ny RON95, ny hetra, sy ny maro hafa koa #1MDBmovies
Miseho eto ambony ireo voalaza ho aditoha nikotrika tamin'ilay resabe ara-bola.
#1MDBMovies: Man of Steal. pic.twitter.com/ydqAiTR1gP
— GuruChat (@Guruchat) July 6, 2015
#1MDBMovies: Lehilahin'ny Halatra.
Nanoratra tao amin'ny pejy Facebook-ny i Najib fa mifototra amin'ny porofo namboarina ilay tatitra. Niampanga ireo fahavalony ara-politika ho mikomy miaraka amin'ireo vahiny izy mba hanonganana ny fanjakana:
Tsy nanome porofo mihitsy ireo fanendrikendrehana ireo na tamin'ny inona na tamin'ny inona. Ny zavatra hany henontsika dia ny hoe mifototra amin'ireo antontan-taratasy tafaporitsaka sy ireo mpanao fanadihadiana tsy mitonona anarana ireo fiampangàna ireo. Tsy naseho mihitsy ny loharanon'ireo antontan-taratasy ireo na indray mandeha monja aza, sady tsy mba nomena hohamarinin'ireo manam-pahefana.
Nandefa taratasy tany amin'ny Wall Street Journal ihany koa ireo mpisolovava an'i Najib mba hanazava ilay tatitra ary nilaza fa mety hitory ilay gazety an-tsoratra izy:
Mitaky valiny ato anatin'ny 14 andro izahay, ary miangavy anareo mba hilaza aminay raha nahatendry mpisolovava ao Malezia manaiky ireo zotran-dalàna mikasika ny sampan-draharaha ianareo.
Andro vitsy taorian'ny namoahany ilay lahatsoratra momba an'i Najib, namoaka antontan-taratasy sasantsasany nampiasaina ho fototra tamin'ny nanoratana ilay tatitra ny Wall Street Journal:
The documents showing alleged transfers of almost $700 million to Najib’s bank accounts http://t.co/0cfxTOBsWf pic.twitter.com/ff4PWnuQIO
— Wall Street Journal (@WSJ) July 7, 2015
Ireo antontan-taratasy mampiseho ireo eritreretina fa famindram-bola efa mitentina ho 700 tapitrisa dolara tao amin'ny kaontim-bankin'i Najib
Vantany vao nihanalaza tanaty Aterineto ilay tenifototra #1MDBMovies, dia nampitandrina ny vahoaka hanajanona ny fanaparitahana tatitra diso ny Kaomisiôna Maleziana Misahana ny Serasera sy ny Fifandraisan-davitra:
Ilazàna ny vahoaka mba hanajanona ny fizaràna sary nasiam-panamboarana, vaovao diso na tsahotsaho momba ny fanadihadiana mikasika ny 1MDB amin'ny alàlan'ny media sosialy, isan'izany ny fampiarana WhatsApp.
Mamaritra io fanambaràna io ho fandrahonana ny fahalalahana miteny ny olona sasany, na dia nanamafy aza ny masoivoho taty aoriana fa tsy fandikan-dalàna ny fanaovana esoeson-teny na ny fanitaran-javatra ho lasa hanihany.
Nanome toky ny hisian'ny fanadihadiana tsy mitanila i Najib mikasika ny trosan'ny 1MDB izay miteraka resabe, nefa dia efa mitaky ny fametraham-pialàny sahady ny mpanohitra. Mandritra izay, nanaporofo ireo mpampiasa ny Aterineto ao Malezia fa afaka mampiasa tsara ny hanihany izy ireo mba hiresahana ireo olana goavana ara-politika, toy ny kolikoly, ny fanaparam-pahefana, sy ny tsy fahaiza-mitantana.