- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mamadibadika ny tantaran'i Madagasikara amin'ny alalan'ny sary fahiny

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fanabeazana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Saripika, Tanora
Online Photo Museum of Madagascar with their Permission [1]

Mozean-tsary an-tseraseran'i Madagasikara, nahazoana alalana

Manahirana matetika ny fahazoana ny sarin-tantaran'ireo firenena voazanaka taty Afrika noho ny famerana fatratra ny fahazoana mijery ireo tahirin-kevitra ara-tantara. Nikaroka ny hamahana izany olana izany i Helihanta RAJAONARISON sy i Tsiry Fy-Tia SOLOFOMIHANTA avy eto Madagasikara ka nametraka ny tantaran'i Madagasikara hahafinaritra kokoa ho an'ny sarambabem-bahoaka tamin'ny fananganana ny Mozea an-tseraseran'i Madagasikara [1] amin'ny alalan'ireo angon-tsary fahiny.

Tamin'ny 27 jolay 2015 no nahaveloman'ny tranonkala ary ahitana ny topimason'ny fiainana andavanandro teto Madagasikara hatramin'ny 1850 ka hatramin'ny 1960. Mndrafitra vanim-potoana efatra lehibe ireo angon-tsary ireo: Vanim-Potoana talohan'ny fanjanahantany, vanim-potoana fanjanahantany, foto-drafitr'asa lehibe, fiainana andavanandro ary fahaleovantena.