- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary Vaovao Mampiseho Ny Fananerana Ny Nosy Urato Taorian'ny Tsunami

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Fampandrosoana, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Vaovao Tsara, Voina
View of Matsushima Japan

Matsushima ao avaratra atsinanan'i Japana. Sary avy amin'ilay mpisera Wikimedia Kumamushi [1].

Fantatra amin'ny hatsarany nandritra ny arivo taona mahery ny Nosy Urato [2]. Miorina ao amin'ny Helodranon'i Matsushima ny nosy, voatondro ho iray amin'ireo  “toerana telo mahafinaritra indrindra [3]” ao Japana, ary miankina amin'ny ranomasina ity faritra ambanivohitra amin'ny ankapobeny ity hatramin'ny nisiany nanomboka tamin'ny vanim-potoana Neolitika.

Niova ny zava-drehetra tamin'ny 11 Martsa 2011 raha nanafo-drano ireo fiarahamonina kely mpanjono tao ny tsunami mpandravarava, nateraky ny horohorontany goavana [4]. Tao anatin'ny adiny iray mahery, ringana avokoa ny zava-drehetra manomboka amin'ny trano hatramin'ny dobo-masajy (huitrière), ary nandrava ny satoyama [5] marefo izay nahafahan'ny olombelona miara-belona miaraka amin'ny tontolo iainana ao amin'ny Helodrano Matsushima mandritra ny 2000 taona farafahakeliny.

Mandrakitra an-tantara ny fomba niarenan'ireo fiarahamonina isan-karazan'ny nosy ao Urato tao anatin'ny taona maro taorian'ny loza sy ny fomba niasany mba hamelomana indray ny indostria nentim-paharazana tahaka ny fiompiana masajy (huitre) ny lahatsary vaovao izay ampahany novokarin'ny Ivon-toerana Oniversiten'ny Firenena Mikambana hoan'ny Fianarana Ambony momba ny Fampandrosoana maharitra [6] (UNU-IAS) [6].

Ao anatin'ny Tetikasa Satoyama, [7]miara-miasa amin'ny Anjerimanontolon'i UNU-IAS ny Oniversite Tohoku ao Japana [7] mba hanampy hamelona indray ny rafi-piainana ao Matsushima, anisan'izany ireoy fiarahamonin'ny nosy Urato.

Ny Tetikasa Satoyama tantanin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana ao Japana sy ny UNU-IAS dia mikendry hamerina indray ny endriky ny tanàna amin'ny laoniny izay mampifandanjalanja ny asan'ny olombelona tahaka ny fambolena, ny fitrandrahana ny ala sy ny jono ary ny toeram-ponenana voajanahary. Fantatra amin'ny anarana hoe satoyama amin'ny teny Japoney izany endriky ny tanàna izany.