- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hirao ny hira fandrotsirotsiana ho fiarovana ny teny Butchulla

Sokajy: Aostralia, Fiteny, Mediam-bahoaka, Rising Voices
Fraser Island by EVC2008. Used under a CC BY-NC-ND 2.0 license. [1]

Nosy Fraser avy amin'ny EVC2008. Zon'ny mpamorona, CC BY-NC-ND 2.0 license.

Mampiseho ny porofo hita tao amin'ny Nosy Fraser miorina ao Queensland, Aostralia fa mety misy mponina teratany tao efa 5000 taona lasa izay [2]. Nantsoin'ny tompontany nentim-paharazana, ny vahoaka Butchulla, hoe K'gari midika hoe “paradisa” ny nosy sy ireo zavaboary mahatalanjona manodidina azy.

Na izany aza, niatrika zava-tsarotra ny Buchulla taorian'ny fahatongavan'ny mpanjanaka, izay niafara tamin'ny famindrana toerana azy ireo.

Nijaly ihany koa ny teny Butchulla nandritra izany fotoana izany, izay nitarika ny fahafatesany tamin'ny taonjato faha-20 noho ny politikan'ny fitondram-panjakana sy ny vondrona misionera nandràra ny teny.

Noho ny ezaka famelomana indray ny teny ataon'ny Fandaharan'asa Momba ny Teny Butchulla, tafaverina ankehitriny ny fiteny. Namokatra fitaovana vaovao tahaka ny rakibolana, [3] hira amin'ny kapila mangilatra (CD) sy hetsika nomanina tahaka ny fianarana ny teny [4]any amin'ny trano famakiam-boky ao an-toerana ny fandaharan'asa, izany rehetra izany dia manampy amin'ny fandrisihana ny tanora ho liana amin'izany.

Mandray anjara amin'izany ezaka fameloma-teny izany ihany koa ny haino aman-jery nomerika sy ny aterineto. Ao anatin'ny tetikasa ABC Open “Tenin-dreny [5]“,  miara-miasa amin'ireo mpamokatra lahatsary avy ao amin'ny Australia Broadcasting Corporation ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana mba hamoronana lahatsary ifarimbonana mifantoka amin'ny famelomana indray ny teny teratany.

Notontosaina teo amin'i Joyce Bonner, mpahay tenim-piarahamonina miaraka amin'ny Korrawinga Aboriginal Corporation [6] ao amin'ny faritry ny Oalan'i Hervey, sy ny mpamokatra ny ABC Open Brad Marsellos [7]ny lahatsary tahaka ity. Niara-namorona ity lahatsary mizara hira nentim-paharazana fandrotsirotsiana ankizy amin'ny teny Butchulla [8] hirain'ny renin'i Bonner ity izy ireo.

Yunma-n Walabai, Walbai Yunma-n
Bula walalbai mil nhaa Biral
Bula walalbai binang buranga ngunda yaalam
Kalim walalbai dunam yaalam galangoor
Yunma-n walalbai walbai yunman
Yunma-n walalbai walbai yunman
Yunma-n walalbai walbai yunman

Maso kely roa mijery an'Andriamanitra
Maso kely roa mihaino ny teniny
Lela kely iray miteny ny marina
Matoria ry zaza kely matoria
Matoria ry zaza kely matoria
Matoria ry zaza kely matoria

Niara-niasa ihany koa ny ekipa mba hamokatra lahatsary [9]hafa mampianatra ny voambolana Butchulla momba ny faritra amin'ny vatana :

Ampahany amin'ny tetikady famelomana indray ny teny Butchulla ireo lahatsary ireo. Vakio eto [10]ny antsafa niarahana tamin'i Bonner momba ny fiandohana sy ireo zavatra norisaina nampahomby ny Fandaharan'asan'ny Teny Butchulla