- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manamafy Ny Vahohony Amin'ny ” Vaovao” Ny Masoivohom-baovaom-Panjakana Ao Tajikistana

Sokajy: Tajikistan, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka
A screenshot of the "Khovar"'s front page as of 17 July 2015

Dikasary iray avy amin'ny pejy fandraisan'ny Khovar tamin'ny 17 Jolay 2015. Eo amin'ny havanana manao aroloha fotsy sy ambonin'akanjo manga ny filoha hatry ny ela tao Tajikistan,  Emomali Rahmon.

Tsy raharaha mora ho an'ireo Tajik mpanao gazety miasa tena velively hatrizay ny mahazo vaovao ofisialy avy amin'ireo rafi-panjakana ao Tajikistan. Ankehitriny, masoivohom-baovao iray fehezin'ny fanjakana no vao mainka toa nanao izay tsy hahatanteraka izany.

Ny 16 Jolay, navoakan'ilay [1] masoivohom-baovao any an-tsesitany, Ozodagon, ny sarin'ny didim-panjakana iray mbola manan-kery hatramin'izany ka hatrizao, mitondra ny daty 30 Jona. Lazain'ny honohono ho efa nisy io didim-panjakana io hatramin'ny faran'ny volana lasa nitarainan’ [2]ny Tojnews, ilay masoivohom-baovao mahaleotena, hoe nitanisa “didim-panjakana iray vaovao momba ny fanomezana ny vaovao rehetra amin'ny alàlan'ny masoivohom-baovaom-panjakana Khovar” irery ihany ireo manampahefana ao an-toerana ho toy ny antony tsy iresahany amin'ireo mpanangom-baovaon'ilay tranonkala (Tojnews).

Khovar, vavolombelona iray amin'ireo fitaovam-pifandraisana napetraky ny fitondrana tany amin'ireo repoblika dimy ambinifolo isanisany avy fony vanimpotoan'ny Firaisana Sovietika, dia efa nisitraka sahady ny tombony nomen'ny fanjakana tamin'ny fahafahana miditra amin'ny habaka terin'ny fampahalalam-baovaom-panjakana tany Azia Afovoany. Sahala amin'ny marika mampiseho ny fanirian'ny governemanta mba hanerena ireo media hafa rehetra hitsimpona ny latsaka avy eo an-doviany ilay didim-panjakana.

Mivaky toy izao ny ampahany amin'ilay didim-panjakana:

…минбаъд ҳамаи хабарҳои расмӣ, маҷлисҳои Ҳукумати Ҷумҳури Тоҷикистон, сафарҳои кории Президенти Ҷумҳурии Тоҷикистон дар дохили кишвар ва хориҷ аз он, маҷлисҳо, вохӯриҳо ва ҷамъомадҳои сатҳи байналмилалӣ, ҷумҳуриявӣ ва соҳавии дахлдор ба воситаи Агентии миллии иттилоотии Тоҷикистон “Ховар” ба роҳ монда шуда, пас аз он барои паъни барнома ва ё иттилоот ба дигар васоити ахбори омма аз ҷониби агентӣ фиристода шавад”.

…ankoatra izany, izay vaovao ofisialy rehetra, ireo fivorian'ny governemanta ao Tajikistan, ny fitsidihana aran'asa ataon'ny Filohan'i Tajikistan ao anatiny na ivelan'ny firenena, iraisampirenena, fivoriana repoblikana na isam-paritra dia tokony ny masoivohom-baovao Khovar no omena azy voalohany, ary aorian'izay vao tokony alefan'ilay masoivohom-baovao amin'ny media hafa.

Dr. Irshod Sulaymoni, mpandalina ara-politka miasa tena, niantso ilay hetsika hoe [3]:

Қадами бисёр ҷиддӣ барои расидан ба худкомагии беназир!

Dingana iray goavana hanatràrana ny tsy refesi-mandidy tanteraka!

‘Ny foibem-baovaon'ny ISIS’

Mamoaka vaovao ao amin'ilay tranonkalany vao avy nasiam-panovàna ho amin'ny fiteny Tajik, Rosiana, ary Anglisy ny Khovar [4]. Ahafantarana ilay sehatra ny endriny toy ny vaovaon'ny fampielezankevitra Sovietika, ny famelezana ny mpanohitra sy ny vaovao avy any ivelany, nadika avy amin'ny loharano Rosiana ny maro aminy.

Tao amin'ny Facebook, namoaka dikasary [5] avy amin'ny votoatim-baovao faran'ny Khovar i Yoqub Said, mpanao gazety Tajik sady mpanangana ny vondrona fanaovan-gazety Ormon. Ny ankamaroan'ny hita anatin'ilay sary dia saika nifantoka tamin'ireo habibiana nataon'ny vondrona mpampiasa herisetra ISIS kilometatra maro miala an'i Iraka sy Syria, izay, araka ny voalazan'ireo mpikambana ao anatin'ny governemanta dia an-jatony maromaro ireo olom-pirenena miady any. Milaza ireo tsikera fa mampiasa ny fisian'ireo Tajik any amin'ireo firenena roa ireo ho fitaovana entina handravaravana ireo mpampiatra ny finoana Silamo any an-tranony [6] i Tajikistana tsy mpino.

11666085_848264875226768_5845555132608265876_n

Dikasarin'ireo votoatim-baovaon'ny Khovar ny 6 Jolay. Eto ankilany eto ny dikasoratra.

Naneso ilay teny filamatry ny masoivohom-panjakana milaza hoe “Miaraka amin'ny Khovar ve ianao? Mahara-baovao ianao!” i Yoqub, izay nanova izany ho “Miaraka main'ny Khovar ve ianao? Inona no mba vaovao azonao?”

Ireo votoatim-baovaon'ny Khovar ny 6 Jolay

Naneso [7]ny fifotoran'ny governemanta amin'ny ISIS i Rajab Mirzo, Tajik mpanao gazety fanta-daza sady mpanangana gazety tsy miankina iray nalaza taloha, nefa nakaton'ny governemanta roapolo taona lasa izay:

Маркази матбуотии ДИИШ))

Ny [Khovar no] toby fitateram-baovaon'ny ISIS

Aza asiana vaovao ratsy azafady, Tajik isika

Ny fanaovan-gazetim-panjakana anatin'ireo firenen'i Azia Afovoany taorian'ny vanimpotoan'ny Firaisana Sovietika, tahaka an'i Tajikistana, dia tsy mifantoka afa-tsy amin'ireo vaovao tsara anatiny — na ao an-toerana aza izany — sy ireo vaovao ratsy  avy any ivelany mba hampahatsiahivana ireo Tajika fa niangaran'ny vintana izy ireo noho ny fipetrahany anatinà fanjakana tsy refesi-mandidy mbola mandry fahalemana.

Mandravina io fomba fijery io ity sary mahatsikaiky ity izay nozarain'ireo Tajik tamin'ny sehatra mivelatra roa taona lasa izay:

Picture1

Daty: 5 Aprily 2013. Hoy ny fanaovan-gazetim-panjakana hoe: Nisy sekoly ho an'ankizy kely nosokafana tany Dushanbe. Hoy kosa ny fanaovan-gazety sosialy sady tsy miankina hoe: Nisy nanao hetsi-panoherana tany Dushanbe. Sary nozaraina tamin'ny sehatra mivelatra.

Inona ny hoavin'ny mediam-pirenena?

Na dia misy rafitra namboamboarina hiandany azy aza, vitan'ireo vohikala tsy miankina mpanely vaovao ao Tajik ny nampihena ny mpanaraka ny Khovar rehefa nandeha teny ny fotoana, tahaka ny Ozodagon sy ny Asia, ary koa ireo vohikala amin'ny teny Rosiana.

Nanamarika tamim-panesoana [8] ny Tajik iray mpampiasa Facebook:

Минбаъд шояд аз ҳамин роҳ шумори хонандагони “Ховар”-ро аз 53 нафар ба 54 нафар бирасонанд.

[Amin'ny alàlan'ity didim-panjakana ity] mety hahavita hampiakatra ny isan'ny mpamaky ny Khovar avy amin'ny 53 ho tonga 54 izy ireo.

Nitsikera [9] ireo mpanao gazety mahaleotena ao amin'ny firenena kosa ny mpampiasa Facebook iray:

вакте ки бизнесро саркуб мекарданд вао хомуш буд. акнун навбати шумо хам расид

Nangina ny media raha voatafika ireo asa fivelomana [tao amin'ny firenena]. Anjaranareo indray izao.

Ao amin'io adihevitra iombonana io ihany, nanao [10] sosokevitra mifono fihantsiana ny mpampiasa iray ao amin'io tambajotra io:

Чавобан ба ин расонахои гайридавлати метавонанд минбаъд хеч хабари расмии марбут ба президент (аз чумла дидорхояш, сафархояш, рохнамоихою хидоятхояш, кайчибурихояш, санги асос гузоштанхояш ва г.) хукумат ва мачлисро мунташир накунанд……

Ho setrin'izay, tsy tokony hamoaka vaovao mifandray amin'ny Filoha ny media mahaleotena, anatin'izany ireo fitsidihana ataony, ireo fihaonana, lahateny, fanokanana tranobe vaovao, sns, ary koa ireo vaovao mifandray amin'ny governemanta sy ny parlemanta.

Tsy dia ampoizina loatra ny fihetseham-po tahaka izany anatinà firenena izay ny governemanta no mihazona ny karatra rehetra sy nanaporofo ny fahafahany mampangina, tsy misy hetsi-panoherana, ireo olo-malaza avy any amin'ny mpanohitra, ny media mahaleotena ary ny vahoaka.

Na izany aza, tsy mazava ny hoe mitodika any amin'ny tombontsoam-pirenena sa any amin'ny tombontsoam-panjakana iny hetsika farany natao enti-manohitra ny fanaovan-gazety mahaleotena iny. Satria tokoa, raha tsy afaka manatanteraka feno ny anjara asany ny fanaovan-gazety amin'ny fanavahana ny vaovao marina sy ny fampielezankevi-panjakana ary ny tsahotsaho eny an-dàlambe, dia hitombo vahana hatrany ny sehatra hevelaran'ireo vaovao diso.