- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mirarak'ompana Ny Teorian'ny Firaisana Tsikombakomba Taorian'ilay Vaky Fonja Tao Trinidad

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Hehy, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika
"Belmont rooftops"; image by (ha)SanMan_ish, used under a CC BY-NC 2.0 license. Belmont is the Port of Spain suburb to which one of the escaped prisoners was reportedly trying to flee. [1]

“Belmont rooftops”; sary an'i (ha)SanMan_ish, nampiasàna ny lisansa CC BY-NC 2.0. Belmont dia faritra ambanivohitry ny Seranantsambon'i Espaina, toerana voalaza fa nanandraman'ny iray tamin'ireo gadra nandositra.

Tony tsara ny andro ao Trinidad sy Tobago. Tsy misy ireny anjomara mitatatata an'ny polisy ireny, na firaondraonan'ny milin'ny angidimby—fifanoherana manaitra amin'ny fifanjevoana omaly sy ny sahotaka  nateraky ny fandosiran'ireo gadra telo ‘faran'izay atahorana’ [2] avy ao amin'ny Fonjan'ny Fanjakàna ao amin'ny Seranantsambon'i Espaina. Taorian'izay [3], ilay gadra nandositra, Allan “Scanny” Martin sy manamboninahitra iray avy amin'ny  polisy no maty nitsitra; ary gadra hafa roa no tafatsoaka, Hassan Atwell sy Christopher Selby [4], izay mbola tsy hita.

Tatitra iray an-gazety [5] no nifampizaràna [6]betsaka tety anaty media sosialy manome antsipirihany ny fomba nakàn'i Selby fiarakaretsaka iray mba handosirana ilay toerana, tamin'ny nitenenany tamin'ireo olona tao anatiny hoe, ““Manao azafady aho fa miezaka ny miady amin'ny rafitra fotsiny izahay.” Tao anaty lahatsoratra iray manesoeso momba ilay vaky fonja [7], nihanihany i Wired868 hoe :

Izay izany, izany no “bacchanal”. Nafàna tanteraka i Trinidad sy Tobago omaly fa na dia i Jack Warner aza nihevitra ny hangataka tapakilam-piaramanidina tamin'ny Lehiben'ny Fampanoavana Amerikana.

Tongan'ilay lahatsoratra hatrany amin'ny fanadrohadroana hoe hita fa nanana kaonty Facebook navitrika [7] i Atwell fony tany am-ponja :

Omaly nanodidina ny mitatao vovonana, nanao famakiana fonja tamim-pahasahiana ry Hassan Atwell sy roa hafa namana mpiara-nifonja taminy, Allan ‘Scanny’ Martin sy Christopher ‘Monster’ Selby, tao amin'ny fonjan'i Seranantsambon'i Espaina.

Saingy voalohany indrindra, tsy maintsy niandry an'i Atwell – 41 taona mba hanavao ny satàny tao amin'ny pejiny Facebook, niaraka tamin'ny fanakianana mivaivay mahazatra momba ny tsy fahavononana hilefitra amin'ireo endrika fampijaliana misy amin'ny famonjàna, ka hizàra ny : ‘Hey! lahatsarim-Baovao Mafàna’.

Tao amin'ny Facebook, Darren Trinity Cheewah nandefa sariitatra tanaty fanehoankevitra [8] momba ny toa fahafahan'i Atwell niditra aterineto [9] fony mbola tany am-ponja :

Artwork by Darren Trinity Cheewah; used with permission. [9]

Asakanton'i Darren Trinity Cheewah; nahazoana alàlana.

Artwork by Darren Trinity Cheewah; used with permission. [8]

Asakanton'i Darren Trinity Cheewah; nahazoana alàlana.

Hatramin'ny fotoana nanoratana, tsy afaka nidiran'ny rehetra intsony ny kaonty Facebook-n'i Atwel.

Satria tsy misy ny filazàna ofisialy momba ilay zava-nitranga, na izany avy amin'ny polisy [10] na avy amin'ny Ministeran'ny Fiarovam-Pirenena, nanomboka nanamasaka ny fisian'ny teorian'ny firaisana tsikombakomba ireo mpisera ety anaty aterineto, manodidina ny fifandraisana misy eo amin'ilay vaky fonja sy ny Jamaat al Muslimeen [11]. Ny Jamaat dia fikambanana iray tao ambadiky ny andrana fanonganam-panjakana tamin'ny 1990 [12], ary  ny mpitarika azy, Yasin Abu Bakr, dia notànana tamin'ny fiandohan'ny herinandro mba ho alaina am-bavany, miaraka aminà valo hafa mpikambana ao amin'ny Jamaat. Anatin'ireo tena resahana betsaka momba ny vaovao tamin'ity maraina ity ny hoe ny iray tamin'ireo gadra valo, Hamid Ali, dia voampanga [13] tamin'ny famonoana an'i Dana Seetahal [14], ilay zokiolona mpanolotsaina maty notifirina akaiky tokoa tamin'ny 4 May  tamin'ny taona lasa. Hamid Ali dia rahalahin'i Rajaee Ali [15], izay migadra amin'izao fotoana izao noho ny vesatra firaisana tsikombakomba hamono olona. Ity farany dia voarohirohy amin'ilay fandaharanasa Lifesport [16] miteraka resabe, izay mbola voalaza fa voapentin'ny resaka kolikoly koa.

Nandraman'i “Wired868's Mr. Live Wire”  ny nampifandray ireo teboka ireo tamin'ny fanazavàna hoe [7]:

Ali (R) dia zanak'i Hassan Ali izay Imam ao amin'ny Maoske “Jamaat-al-Muslimeen” ao Carapo ary izy no mitantana rahateo koa ny fivavahana ao.

Midika andiam-panontaniana iray hafa izany ho an'ny Imam Yasin Abu Bakr sy ny zanany lahy mpitarika ara-politikan'ny antoko NNV, raha toa ny fikambanam-pivavahan-dry zareo ka mpampiantrano sy mpahazo tombony amin'ny fanaovana heloka bevava. […]

Mazava loatra, toa mampanahy fa mihazakazaka manakaiky ireo mpanao heloka bevava ny tombontsoan'ny governemanta amin'izao fotoana izao, tsy ny maivana indrindra ny raharaha famonoana an'i Seetahal, izay, araka ny filazan'ny polisy, mety ho nokarakarain'ireo olona karamain'ny LifeSport tamin'izany fotoana.

Anaty fampitahana mazava be, nanontany [7] ny antony ilay lahatsoratra, hoe maninona izay tsara ho an'i Petera no tsy ho tsara ho an'i Paoly :

Efatra taona lasa izay, ny mpisolovava David West, izay lehiben'ny filankevim-pitantanana amin'izao fotoana izao, nahita azy io “ho lasa hafahafa [17]”,  hoe avy eo i AG Anand Ramlogan tsy nanao fampakàrana ny didy manohitra ny famoahana an'ireo mpandraharaha ara-bolan'ny UNC Ish Galbaransingh sy Steve Ferguson mba hiatrika fitsaràna, hatramin'ny nahatratry ny raharaha mitovy amin'izany an'i Atwell. […]

‘Toa lasa hafahafa ny hoe very fampiharana iray ny fanjakana nanoloana ny mpitsara iray tao amin'ny Fitsaràna Tampony, taminà raharahana fiampangàna iray saropady sy tena voalokon'ny politika ary mihevitra fa tsy misy dikany ny hanaovana fampakàrana,’ hoy i West. ‘Ilaina ny fampakàrana mba hanazavana ireo faritra “manjavozavo”  amin'ny lalàna…Ireo olona roa hafa voampanga, Hassan Atwell sy  Gary Govindass koa dia ao anatin'ity toerana sarotra ity amin'ny fiampangàna azy ireo ao an-toerana, raha mbola amperiny koa ireo dingana amin'ny ho famoahana azy ireo hiatrika fitsaràna ivelany.’

Tany ampiandohan'ity herinandro ity, ny Minisitry ny Asa sady Solombavam-bahoaka avy amin'ny Tabaquite, Suruj Rambachan,  nilaza ho fantatry ny rehetra momba ny tetikasam-panjakana iray mitentina 14 tapitrisa dolara [18] izay notanterahan'ny orinasa “Aztec Asphalt Pavers” an'i  Galbaransingh. […]

Devant Maharaj, minisitry ny Famokarana Sakafo, izay ny ministerany no manara-maso ny dingana fanaovana tolo-barotra, dia nihirahira tsy misy hafa amin'izany.

‘Nahoana isika no mifampihatakataka? Sa ve hoe tsy mahazo alàlana manao fandraharahàna eto Trinidad sy Tobago izy?’ hoy i Maharaj, amin'ny fahafantàrana tsara fa toerana lafatra hanaovana fandraharahàna i Trinidad ho an'ireo lehilahy toa an'i Galbaransigh.

Ny Zoma, tapaka ny hevitr'i Atwell fa mendrika azy ny hiaina fahalalahàna mba hanao fandraharahàna koa. Araka izany, nanavao ny sata tao amin'ny pejiny Facebook izy ary avy eo nanadio ny làlany nivoaka ny fonja, namela manampahefana iray maty tamin'izay nolalovany. […]

Vita hatreo ity toerana ity, ie.

Hatreo, nilaza [19] ny Sampandraharahan'ny Polisy ao Trinidad sy Tobago fa hanao tafa ho an'ny mpanao gazety momba ny fanadihadiana ny raharaha Dana Seetahal, ny tolakandron'ny 25 Jolay amin'ny 2 ora sy sasany.