- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Olomalazan'ny Rock Aostraliana Jimmy Barnes Mitaky ny Hirany Alain'ny Mpankahala Islamo

Sokajy: Oseania, Aostralia, Fanoherana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Mozika, Politika
Jimmy Barnes. Flickr photo by jeaneeem. CC BY 2.0 [1]

Jimmy Barnes. Sary Flickr avy amin'i jeaneeem. CC BY 2.0

Nampiasa ny pejiny Facebook [2]ofisialy ilay kintan'ny rock Aostraliana, Jimmy Barnes [3] miangavy ireo mpikatroka mankahala ny finoana silamo tsy hampiasa intsony ny feony sy ny hirany ho hira faneva amin'ny hetsi-panoheran'izy ireo:

It has come to my attention that certain groups of people have been using my voice, my songs as their anthems at rallies.

I only want to say the Australia I belong to and love is a tolerant Australia. A place that is open and giving. It is a place that embraces all sorts of different people, in fact it is made stronger by the diversity of its people. If you look at my family you can see we are a multicultural family. Australia needs to stand up for Love and Tolerance in these modern times.

None of these people represent me and I do not support them.

Nampiherika ahy ny fisian'ny vondron'olona sasany mampiasa ny feoko sy ny hirako amin'ny hira fanevan'izy ireo amin'ny famoriam-bahoaka ataony.

Te hilaza fotsiny aho fa i Aostralia misy ahy sy tiako dia Aostralia mahalefitra. Toerana misokatra sy malala-tanana. Toerana ahitana karazan'olona samihafa, raha ny marina dia mahatonga azy matanjaka ny fahasamihafan'ny olona ao aminy. Raha mijery ny fianakaviako ianao, dia hahita fa fianakaviana manana kolontsaina marobe izahay. Mila mitsangana ho amin'ny Fitiavana sy ny Fandeferana amin'izao vanim-potoana maoderina izao i Aostralia.

Tsy misy amin'ireo olona ireo misolo tena ahy ary tsy manohana azy ireo aho.

Nanatontosa famoriam-bahoaka ny vondrona iray antsoina hoe Reclaim Australia [4] tamin'ny faran'ny herinandron'ny 18-19 Jolay ‘ho fiarovana ny fomba fiainana Aostraliana’. Nahery setra indrindra ny zava-nitranga tao Melbourne, araka ny tatitry ny Pedestrian Daily [5] ao amin'ny aterineto:

Hundreds of protesters from opposing groups—the anti-Islam, anti-immigration Reclaim Australia and United Patriots Front, and the anti-racism groups Coalition Against Racism and No Room For Racism—have clashed at a demonstration in Melbourne today, as police used pepper spray on protesters to disperse crowds.

Mpanao fihetsiketsehana an-jatony avy amin'ny vondrona mpanohitra – manohitra ny Silamo, manohitra ny fifindra-monina Reclaim Australia sy ny Mandan'ny Tia Tanindrazana Tafaray (United Patriots Front), tamin'ireo vondrona manohitra ny fanavakavahana (Coalition Against Racism sy ny No Room For Racism) – no nifandona nandritra ny fihetsiketsehana tao Melbourne androany, ka nampiasain'ny polisy mba hanaparitahana ny vahoaka ny ranon-dipoavatra

The ‘Reclaim Australia’ rally in Sydney was part of a nationwide weekend of action against Islamic extremism and the gradual Islamification of Australia. Photo by Richard Milnes, Copyright @Demotix (7/19/2015) [6]

Ny fihetsiketsehan'ny “Reclaim Australia” tao Sydney dia anisan'ny hetsika farany herinandro manerana ny firenena ho fanoherana ny Islamika mahery fihetsika sy ny fampielezana ny Finoana Silamo ao Aostralia. Sary avy amin'i Richard Milnes, Copyright @Demotix (7/19/2015)

Namoaka ity lahatsary avy ao Melbourne ity tao amin'ny YouTube i Daniel Motta. Tsy fantatra ny niaviany.

Nahitana fanohanana sy tsikera an'i Barnes tao amin'ny media sosialy. Nahazo fanehoan-kevitra an-jatony ny lahatsoratra voalohany tao amin'ny Facebook, izay azo jerena ao amin'ny rohy (pejy Facebook) etsy ambony. Nalaza [7] tao amin'ny Twitter ihany koa i ‘Jimmy Barnes':

  Mila Aostralianina goavana kokoa tahaka an'i Jimmy Barnes miloa-bava isika !!!

Niresaka momba ny Praiminisitra Tony Abbott mikasika ny tsy fandraisany andraikitra manoloana ny fahatongavan'ny parlemanterany, George Christensen, tamin'ny famoriam-bahoaka iray ny mpiserasera sasany. Senatera Demaokraty teo aloha sady kandidàn'ny Maitso Andrew Bartlett nisioka hoe:

Indray andro, ho nandroaka mpikambana iray nandray fitenenana tamin'ny hetsika mpananavaka-bolonkoditra ny Liberaly. Na dia Andriamatoa Abbott aza ve hanakiana izany?

Mikasika ireo olana maro momba ny fanavakavahana, niha-nasiaka hatrany ny adihevitra mamaly ny fitakian'i Jimmy, araka ny natoron'ilay mpanao gazety ara-panatanjahan-tena, Richard Hinds hoe:

Mampatahotra ireo valinteny sasany tamin'ny angatahana amim-pahalalam-pomba nataon'i Jimmy Barnes tsy hampiasain'ireo mpanavakavaka ny hirany

Toa somary maivana kokoa ny tao amin'ny Twitter raha oharina amin'ny “resaka” tao amin'ny Facebook.

Raha tokony hanome sehatra bebe kokoa dia tokony ho ampy ity iray ity:

Mandehana mibàraka any  Ekaosy any ry Jimmy a

Manatevina ilay tantara lavabe tany Aostralia hoe ‘miverina any amin'izay niavianao’ izany fomba filaza izany. Na dia ilay kintan'ny lomano, Dawn Fraser aza no ivon'ny adihevitra vao haingana [19]nahazoana fanamarihana mitovy amin'izany izay nikendrena ilay mpilalao tenisy Nick Kyrgios.