- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mifaninana Ao anatinà Copa América “Hafa” Ireo Vondrom-piarahamonina Indizena Ao Amerika Latina

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Bolivia, Ekoatora, Kolombia, Meksika, Paragoay, Però, Shily, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Teratany
Sorteo de la Copa Americana de Pueblos Indigenas. Foto en Flickr del usuario  Municipalidad de Peñalolén (CC BY-NC-SA 2.0).

Fifantenana ireo vondrona hiatrika ny dingana voalohan'ny Tompondaka Amerikanin'ireo Vondrom-piarahamonina Indizena. Sary tao amin'ny Flickr an'i Peñalolén City Hall [1] (CC BY-NC-SA 2.0).

Manomboka ny 16 hatramin'ny 25 Jolay, mampiantrano ny andiany voalohany amin'ny “Copa America” ho an'ireo vondrom-piarahamonin'ny Indizena i Chile. Ny fanarahan-dia ilay Copa América, [2] fifaninanana baolina kitra malaza indrindra eo amin'ny kaontinanta, no nanombohan'ity fifaninanana ity, izay i Chile mpampiantrano no nandresy.

Avy aminà firenena valo ao Amerika Latina ireo tarika mandray anjara amin'ity fiadiana ny ho tompondaka ity : Arzantina, Bolivia, Chile, Kôlombia, Ekoatora, Meksika, Paragoay ary Pero.

Nitatitra [3] momba ny tanjon'ny Copa America ho an'ireo Vondrom-piarahamonina Indizena ny tranonkala “Red Deporte Para el Cambio Social” (Tambajotram-panatanjahantena ho amin'ny Fiovàna Sôsialy):

Este campeonato es el primer gran evento que involucra a selecciones indígenas del continente. Busca constituir una instancia deportiva, destinada a resaltar la cultura, valores y tradiciones de los pueblos indígenas de América, además de confraternizar y estrechar los lazos de amistad mediante la práctica deportiva, siendo este el mensaje central asociado a su organización y desarrollo.

Ity fifaninanana ity no hetsika goavana indrindra nirotsahan'ireo tarika indizena maro avy amin'ny kaontinanta. Kendreny ny ho lasa toy ny federasionam-panatanjahantena, miaraka amin'ny tanjona fanandratana ny kolontsaina, ny soatoavina ary ny fomban-drazan'ireo vondrom-piarahamonin'ny Indizena Amerikana, fanampin'ny fanamafisana ny fifamatoram-pirahalahiana amin'ny alàlan'ny fanatanjahantena, io no hafatra fototra mifamatotra amin'ny fikarakarana azy sy ny fitomboany.

Efa tany am-piandohan'ny Janoary, nisy sahady ny firesahana fifaninanana baolina kitra, araka izay hita ao amin'ny tranonkala Taco Mundial [4]:

Más allá de la Copa América 2015 organizada por la Conmebol en Chile, el país sudamericano también será escenario de la Copa Indoamericana o la llamada Copa América de los pueblos originarios, que se disputará en las últimas semanas de abril o en las primeras de mayo y cuyo evento es patrocinado por el Gobierno de Michelle Bachelet […].

Ankoatra izany, ny Copa América 2015, karakarain'ny Conmebol ao Chile, dia hampiantrano ny Copa Amerika ho an'ireo Vondrom-piarahamonina Indizena ihany koa ilay firenena ao Amerika Atsimo io, izay hatao ny faramparan'ny volana Aprily na voalohandohan'ny May, hetsika iray tohanan'ny fitondran'i Michelle Bachelet […].

Saingy tsy ny rehetra no mahita ilay Copa Amerika ho an'ireo Vondrom-piarahamonina Indizena ho hevitra tsara. Mandà izany [5] ny “Katarista Indianist Movement”, izay ny tena tanjony, araka ny hita ao amin'ny fanolorana azy ao amin'ny Twitter [6], dia ny fanafahana sy ny fanandratan-tena ho an'ny vahoaka Aymara [7] :

Esta impostura que indigna ya se vino con la creación de los juegos olímpicos indígenas, ahora pretenden hacer una Copa América para indiecitos que se precia de ser una forma de inclusión, lo único que pretenden es esconder lo excluyentes que son.

Mientras haya diferencias, entre “nosotros” y “ellos” este tipo de eventos son fachadas que solo sirven para la foto y para la publicidad.

Fisandohana iray mahatezitra io izay niainga tamin'ny famoronana ny Lalao Olaimpikan'ireo Indizena , ary amin'izao fotoana izao misy ny finiavana hikarakara Copa América iray ho an'ireo “Indiana” kely, izay mirehareha izy tenany ho endrika fiaraha-mientana, nefa ny hany zavatra ilofosan-dry zareo hanao izany dia ny hanafenany ny maha-mpanilikilika an-dry zareo.

Fa raha mbola misy foana ny fahasamihafàna eo amin'ny “isika” sy ry “zareo”, dia ho endrika ivelany ireny karazana hetsika ireny, izay natao fotsiny ho sary sy dokambarotra.

Ny Alakamisy 16 Jolay, Tao Arica, avaratr'i Chile no nanombohana ny fifaninanana [8], niaraka tamin'ny hiakan'ny afafán, izay nampiasain'ireo Mapuches ho an'ny ady na fety fankalazàna:

Tras la entrada llegó el turno del baile inaugural de un grupo de rapanui -originarios de la Isla de Pascuas-, que desafiaron descalzos pese a las bajas temperaturas, con taparrabos y torsos desnudos los varones, y diminutas faldas de plumas blancas y breves atuendos cubriendo sus bustos las mujeres.

Avy eo dia fotoana ho an'ny dihy fanokafana lanonana niangalian'ny vondrona iray avy amin'ny vahoaka Rapanui, teratany avy any amin'ny Nosin'ny Pàka, izay nilatro tsy nanao kiraro na dia nangitsy aza ny andro, nitafy rovidamba vita avy amin'ny zavamaniry, ny tratra nihanjahanja ho an'ny lehilahy ary zipo kely fotsy vita tamin'ny volom-biby sy akanjo fohy nandrakotra ny tratra ho an'ireo vehivavy.

Tao amin'ny Twitter, nanoratra momba ilay hetsika ara-panatanjahantena ireo mpampiasa azy :

Copa América ho an'ny Indizena, finiavana goavana, saingy tokony hànana fandraisana sy fanohanana mitovy amin'ny ataon'ny media ho an'ireo ekipam-pirenena.

MIVANTANA: Vondrom-poko samihafa avy eto amin'ny kaontinanta no mifaninana amin'ny “Copa América Indigena” atao eo amin'ny firenentsika.

Nanomboka ny Alakamisy teo ny “Copa América Indígena” voalohany indrindra!

Ndeha hamantatra ireo Ekipa 8 Mandray Anjara Amin'ny Copa America Indigena

Ity lahatsary eto ambany ity dia ahitàna ny seho sasantsasany nandritry ny lalonana fanokafana :

Ny Sabotsy 25 Jolay no hifarana ny fifaninanana.