- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanasonia Ny “Zo Hohadinoina” Ho Lalàna ny Filoha Rosiana Putin

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Lalàna, Mediam-bahoaka, Akon'ny RuNet, GV Mpisolovava
The law, signed by Putin, allows users to request that search engines remove links to information about them. Images mixed by Tetyana Lokot.

Ny lalàna nosoniavin'i Putin dia ahafahan'ireo mpiserasera mangataka mba hoesorina amin'ny mili-pikarohana ny rohy miresaka ny momba azy ireo. Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Nanasonia ho lalànan'ny “zo hohadinoina” [1]ny Filoha Vladimir Putin izay manome fahafahana ny olona hanery ny mili-pikarohana amin'ny aterineto hanaisotra ny rohy misy ireo karazam-baovao sasany mikasika azy ireo.

Mbola tsy tena mazava ny lalàna mikasika ny fepetra momba ity karazam-baovao ity, saingy nitatitra [2] ny RuNet fa tsy maintsy manaporofo ireo fitarainana napetraka fa efa “lany andro” ny vaovao: ohatra, afaka mangataka fanesorana ny rohy momba ny asany ny mpiasam-panjakana raha toa ka tsy manao izany asa izany intsony ary afaka manome antontan-taratasy manaporofo fa efa niala tamin'ny asam-panjakana.

Araka ilay lalàna, ny rohin'ny votoaty dia tokony hoesorina noho ny fangatahan'ny mpiserasera ahitana vaovao diso momba ny fiainan'ny olona, ​​na vaovao “efa lany andro noho ny fisehoan-javatra  na zavatra nataon'ilay olona tatỳ aoriana.”

Tsy mihatra amin'ny resaka heloka bevava ny lalàna, raha toa ka mbola tsy tapitra ny fe-potoana mahafoana ny didy.

Milaza ny lalàna fa tsy maintsy mandinika ny fangatahana fanesorana ao anatin'ny 10 andro ny milim-pikarohana. Ny tsy famaliana ny fangatahana fanesorana ataon'ny mpiserasera dia mety hitarika fitoriana any amin'ny fitsarana ary raha mahita ny fitsarana fa nandà fangatahana ara-dalàna ny milim-pikarohana dia mety hitarika fandoavana onitra izany [3].

Niteraka tsikera marobe avy amin'ny indostrian'ny aterineto, Yandex, milim-pikarohana goavana indrindra ao Rosia ny lalàna “zo hohadinoina” izay manan-kery manomboka amin'ny 1 Janoary 2016, nilaza izy fa manitsakitsaka ny lalàmpanorenana Rosiana momba ny zo hahazo vaovao ny lalàna.

Ny mahavariana dia tamin'ny 14 Jolay, andro nanaovany sonia ny lalàna “zo hohadinoina”, nahavita nanohana ny “famerana faran'izay kely” ny aterineto i Vladimir Putin. Tamin'ny fandraisany fitenenana nandritra ny forum teknolojiam-baovao ho an'ny tanora [4] nandritra ny [oniversitem-pahavaratra] “Faritry Dikanjavatra” ao Rosia, nilaza izy fa ny lalàna rehetra mifehy ny aterineto dia tokony ampidirina ho “fiarovana ny tombontsoam-bahoaka amin'ny ankapobeny,” ary nanamafy fa tsy mikasa hampiditra “famerana hafa” ankoatra ny efa misy i Kremlin. Mandritra izany fotoana izany, nilaza i Putin fa mahita ny “gaboraraka sy ny fanafenana anarana feno” ho toy ny fandrahonana goavana apetraky ny aterineto.