Manangana Ady Ao Amin'ny Facebook ilay Mpitsikera Andrian'ny Fon'ny ao Kremlin

Dmitry Kiselyov declares war on Facebook and Instagram. Image edited by Kevin Rothrock.

Dmitry Kiselyov Manangana Ady Amin'ny Facebook Sy Instagram. Sary Navoakan'i Kevin Rothrock. 

Tamin'ny faran'ny herinandro lasa iny (19/07), navitrika tsy toy ny nahazatra tety anaty aterineto i Dimitry Kiselyov, Rosiana mpanolotra vaovao,  malaza noho ny fitsikeràny nivatravatra amin'ny maha-mpomba an'i Kremlin azy. Natombony tamin'ny fanombohana ny pejiny manokana tao amin'ny Facebook izany, mba “hiarahana amin'ireo izay liana hahalala misimisy kokoa”. Taorian'ny fisoratana, nanoratra ny lahatsorany voalohany i Kiselyov, tamin'ny fanehoana fahavononana hiady hevitra mikasika ny zavatra rehetra, miainga amin'ny “vovoka mitondra taratra”, hatramin'ny “vesatra ateraky ny maha-LGBT” (amin'ny fanondroany ireo fanehoan-kevitra maharikoriko nataony tamin'ny lasa, mikasika ny fahafahan'i Rosia mitsidika ny fahapotehana nokleary any Etazonia, sy ny filàna mandoro ary mandevina ny taovan'ireo pelaka izay maty tamin'ny lozam-piarakodia). Tao anaty serasera ho an'ny rehetra ny kaontin'i Kiselyov nandritra ny efatra ora, mialohan'ny nanjavonany tsy misy fanazavana.

Tamin'ny voalohany, nihevitra ny ankamaroan'ny olona fa i Kiselyov ihany no namotika ny kaontiny, taorian'ny naharaisana ireo fanehoan-kevitra fanivaivàna anjatony. Ho azy anefa, ireo mpiandraikitra ny tranonkala no namotika ny pejy. “Mitohy mampihatra ny politikan'ny sivan'ny fahitsiana ara-pitondrantena ny Facebook”, hoy i Kiselyov nanoratra tao amin'ny Vkontakte, tambajotra sosialy mitàna loha-laharana ao Rosia,izay namoronany haingana kaonty hafa. “Fa efa ato anaty tambajotra sahady aho izao”, hoy izy nanampy, “ary tsy handao ity habaka ity mora foana aho”.

Rustem Adagamov, Rosiana mpaka sary sady liberaly mpanoratr bilaogy, izay nanampy hisarika ny saina ho amin'ny tantara ratsin'ny Facebook-n'i Kiselyov, dia nihevitra fa mety nosakanan'ny vohikala marina tokoa ilay kaonty. (niatrika ireo olany manokana momba ny sivana ao amin'ny Facebook i Adagamov).

Raha ny fahitana azy, nakaton'ireo mpandrindra ny [Facebook] n'i Kiselyov, izay nifototra tamin'ireo fitarainana milaza ny maha-sandoka azy. Noho izany, hiverina ny Jedi, mino aho 🙂

Araka ny fandehany, efa niverina ny Jedi. Azo hidirana indray ny pejy Facebook n'i Kiselyov, na dia efa nianiana ny tsy hampiasa ilay tambajotra vahiny aza izy, rehefa nifidy ireo tolotra novokarina tao Rosia ihany, taorian'ilay fomba ratsy nandraisana azy.

Mihanaka nankany amin'ny instagram koa ireo olan'i Kiselyov, izay ahitàna sary roa monja, mpanjifa 169, ary fanehoan-kevitra ampolony maro feno fankahalàna , no noraisin'ny kaontiny. Mbola tsy mazava tsara ny antony nibahànana kaontin'ny Instagram, satria amin'ny ankapobeny ireo mpampiasa nosakanana na nahantona tao amin'ny Facebook tsy voatery ho voasakana foana amin'io tolotra io ihany koa.

Mandritra izany fotoana izany, tao amin'ny Vkontakte, efa nahavita nisarika mpanjifa mihoatra ny 17.500 i Kiselyov, ary mbola mitombo ny isa.
Mandoa vola tsy amin'ahiahy ny aterineto fanta-bahoakany i Kiselyov amin'ny fahitalavitra malazany, saingy ny fihovitrovitra tao anaty media manodidina ny fahatongavany tao amin'ny Vkontakte manome hevitra fa mahafaty ny media sosialiny angamba drafitra iray hikitihana vahoaka ary hamadihana mpampiasa aterineto maro hiodina amin'ny aterineton'i Rosia, izay voalohany.

Tsy nandany fotoana hanamarinana ny kaontin'i Kiselyov ireo mpitantana ao amin'ny Vkontakte, ary tonga dia nampiakatra lahatsary selfie iray izy, nampiseho fa azy manokana ny kaontiny. Tsy tahàka ireo kaontiny tamin'ny Facebook sy Instagram, izay amin'ny ankapobeny ny betsaka amin'ireo mpampiasa no mpiandàny mirona kokoa amin'ny Tandrefana sy ny Liberaly, namela fanehoan-kevitra tsara ireo mpamaky ny kaontin'i Kiselyov ao amin'ny Vkontakte, ary koa fanontaniana mila ranondranony (jereo eo ambany). Milaza i Kiselyov fa tsy misy olona afatsy izy irery no manodina ny pejiny Vkontakte.

Один вопрос: чем Крым?
Ответ: Крым наш.

Fanontaniana tokana monja: an'iza i Krimea?
Valiny: Antsika i Kremlin.

Nahasarika ny sain'ireo mpiasam-panjakana sy ireo mpanao lalàna isan-karazany ireo olan'i Kiselyov tao amin'ny Facebook. Alexander Brod, mpikambana iray ao amin'ny mpanolotsain'ny filoham-pirenena momba ny zon'olombelona no milaza fa ny sivana tahaka io, dia tokony ho raisina toy ny fanitsakitsahana ny fahafahana maneho hevitra.

Nampitandrina ny solombavam-bahoakan'i Duma, Alexander Yuschenko, fa ny Facebook dia lasa “tambajotra politika mba handrindràna ireo karazan-kery maro izay miasa hanakorontanana sy hamafàzana savorovoro.” Nilaza tamin'ny gazety Izvestia i Yuschenko fa ny fomba akaiky faran'izay teo noho eo nataon'ny Facebook nisakana an'i Kiselyov dia manambara fa mitady izay “hanaratsiana” azy mialoha ilay tambajotra.

Raha jerena ny fandaminana azo tsapain-tanana momba ny fanilihana an'i Kiselyov tao amin'ny Facebook sy fandraisana tamin-kafanampo tao amin'ny Vkontakte, tsy i Yuschenko irery no olona manam-panontaniana momba ny hoe iza no nanomana inona mialoha tamin'ity zavatra hafahafa nandamòka ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.