- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mamory Olona 28.000 Any Singapore Ny Fidinana an-dalamben'ny Teboka Mavokely Ho An'ny Zon'ireo LGBT

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona
Spreading the message of love during the Pink Dot event. Photo from the official Facebook page of the event. [1]

Fampielezana ny hafatra momba ny fitiavana nandritra ny hetsika Teboka Mavokely. Sary avy ao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ilay hetsika.

Olona maherin'ny 28.000 no nivondrona teo amin'ny Valanjavaboahary Hong Lim any Singapore mba hankalaza ny Teboka Mavokely, [2] fihaonambe isan-taona ao an-tanàna hampiroboroboana ny firaisankina, ny fahasamihafàna ary ny zon'ny LGBT. Io no hetsika Teboka Mavokely lehibe indrindra hatramin'ny nanombohany tamin'ny taona 2009. Tamin'ny herintaona, nahasarika olona [3] 26.000 ny Teboka Mavokely.

“Izay toerana honenan'ny Fitiavana”, ilay fotokevitra tamin'ity taona ity, dia manantena hanainga fanahy ny “vondrom-piaraha-monina mba hisaina ny fivoarana natao manoloana ny fanesorana ny fanavakavahana sy ny fitsarana ivelany atrehan'ny olona LGBT”. Ny lahatsary [4] eto ambany dia mampiseho ny faratendron'ilay fankalazana ny Teboka Mavokely nandritra ny hariva:

Na dia mitombo aza ny isan'ireo olona any Singapore manohana ny tanjon'ny Teboka Mavokely, mbola miatrika fanamby maro ny vondrom-piaraha-monina LGBT. Tamin'ny herintaona, nanamafy ny fifanarahan'ny Antoko 377A anatin'ny Didy Famaizana amin'ny Lalàm-panorenana ny Fitsarana Avo, izay manameloka [5] ny firaisana ara-nofon'ny olon-droa mitovy taovam-pananaha. Ny volana lasa teo, nosakanan’ [6]ireo manam-pahefana noho ny fahitàna “votoaty tsy fampiseho zaza tsy ampy taona” ny lahatsary an-kira Taiwanezy iray izay mankalaza ny fiainanà vehivavy roa mpifankatia. Ary ny 12 Jona 2015, na andro iray mialohan'ny hetsikaTeboka Mavokely, dia nolavin'ny fanjakana ny fanangonan-tsonian'ireo mpikarakara mba handefa mivantana anatin'ireo trano fijerena sarimihetsika ny dokambarotry ny lahatsarin'ilay hetsika .

Mba hanoherana ny Teboka Mavokely, nangataka  [7]ireo mpanaraka azy ny mpitandrina Kristianina iray hanohana ny hetsi-panentanana “Miakanjo Fotsy” mba “hanamafisana ny anjara toerana goavana raisin'ny fianakaviana eo amin'ny fanorenana firenena”. Raha niresaka ankolaka momba ny vondrom-piaraha-monina LGBT ny Lehibe Mpitandrina Lawrence Khong, dia nilaza tamin'ireo mpanara-dia azy fa maro amin'ireo olana ara-piaraha-monina ankehitriny no vokatry ny “fandratràna sy fangirifiriana hita anivon'ny ankohonana tsy mandeha amin'ny laoniny”.

Nihoby [8] ny fahalavorarian'ny hetsika ireo mpikarakara ny Teboka Mavokely na dia manaiky ireo fanamby mbola misy eo amin'ny fanolorana ny zon'ireo LGBT any Singapore aza:

Raha mivondrona ny sasany noho ny fiarovana ny fianakaviana miseho amin'ny endriny mahazatra, izahay kosa dia tonga eto mba hamihina mafy ireo fianakaviana rehetra sy ny isam-batan'olona rehetra. Mino izahay fa ny olona tsirairay dia mendrika ny Hitia An-kalalahana, sy Haneho ny Maha-izy azy An-kalalahana. Manaiky izahay fa mbola lavitra ny làlana mankany amin'ny firaisankina sy ny fahasamihafàna any Singapore, saingy mahatoky izahay fa afaka hanatanteraka izany miaraka, indray andro izay hoavy tsy ho ela.

Nampiasaina tao amin'ny Twitter ireo tenifototra #WhereLoveLivesSg [9], #FreedomToLove [10], sy ny #PinkDotSg [11] nandritra ny fankalazana ny Teboka Mavokely. Ireto ambany ireto ny sasantsasany amin'ireo sary nandritra ny fihaonambe ny Sabotsy lasa teo, izay nahitàna ireo Singaporiana izay samy manana ny làlany avy eo amin'ny fiainana nefa dia nivondrona tao amin'ny Valanjavaboahary Hong Lim:

#PinkDotSG [12] 2015: Manampy anay hanisaka tendrombohitra izy ireo isan-taona, noho izany MISAOTRA ANAREO fianakavianay ao amin'ny ireo Mpirotsaka an-tsitrapon'ny Teboka Mavokely! pic.twitter.com/HgNKyNZ8ZP [13]

manohana ny @PinkDotSG [15] izahay 💖 fahalalahana hitia 💑👪👫👭 #WhereLoveLivesSG [16] pic.twitter.com/V3cqVd7jxS [17]

Manohana ny #PinkDotSG [12] ny @airbnb_sg [19] ! #freedomtolove [20] #BelongAnywhere [21] pic.twitter.com/VNaefy3Je3 [22]