- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitsidihana Ny Lasa Miaraka Amin'ireo Sarin'i Kambodza Tamin'ny Voalohandohan'ny Taonjato faha-20

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Tantara, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina
Elephants in front of the Royal Palace [1]

Ireo Elefanta teo alohan'ny Lapam-panjakana

Navadiky ny Tahirim-pirenena Frantsay ivelan'ny fari-dranomasina (Foibe ho an'ireo Tahiry Ivelan'ny Fari-dranomasina) ho sary nomerika ireo tahirin-tsary an'arivony tao aminy, anisan'izany ireo antontan-taratasy manan-tantara mifandraika amin'i Indoshina Frantsay. Nitady ilay fitehirizam-boky nomerika izahay ary nahita ireo sarin'i Kambodza tsy fahita firy [2] tanatin'ireo taona 1920 sy 1930.

Lasa zanatany Frantsay i Kambodza ny taona 1867 ary ny taona 1953 no nahazo ny fahaleovantenany. Mampiseho [3] ny fiainana andavanandron'i Kambodza nandritra ny fanjanahan'i Frantsa ireo sary ireo . Loharanon-karena goavana izy ireo ho an'ireo izay liana hianatra bebe kokoa, tsy mikasika ny fotoana nahavoazanaka an'i Kambodza ihany, fa koa ny kolontsainy mirakitra harena.

Tsy vaovao ny endrik'ireo toerana sasany any ambanivohitra saingy maro amin'ireo endriky ny tanàn-dehibe nasongadina tao amin'ilay tahiry nomerika kosa no efa tsy hita intsony, porofon'ny fivoarana haingan'i Phnom Penh sy ireo tanàn-dehibe hafa tao Kambodza.

Ireto ambany ireto ny sary sasany tamin'ireo sary manasongadina ny hakanton'i Kambodza fahiny, izay fantatra taloha tamin'ny anarana hoe Vakana Sarobidin'i Azia:

Ruins of Angkor [4]

Ireo potipotik'i Angkor

Aerial view of Angkor Wat temple [5]

Fahitàna avy amin'ny toerana avo ny Tempolin'i Angkor Wat

Phnom Penh public library [6]

Trano famakiam-boky ho an'ny rehetra tao Phnom Penh

City market of Battambang [7]

Tsenan'ny tanàn-dehiben'i Battambang

Kampot fish market [8]

Tsena fivarotan-trondro tao Kampot

Monks at the SIlver Pagoda in Phnom Penh. Photo by Têtard (René) [9]

Ireo Moines tao amin'ny Pagoda Volafotsy tao Phnom Penh. Sary an'i Têtard (René)

Royal Palace, Silver Pagoda in Phnom Penh. Photo by Têtard (René) [10]

Lapam-panjakana, Silver Pagoda tao Phnom Penh. Sary an'i Têtard (René)

Photo by Têtard (René) [11]

Sary an'i Têtard (René)

The National Assembly in Phnom Penh. Photo by Lebailly [12]

Ny Antenimieram-pirenena tao Phnom Penh. Sary an'i Lebailly

Market square in Phnom Penh. Photo by Lebailly [13]

Kianjan'ny tsena tao Phnom Penh. Sary an'i Lebailly

Ophthalmological Institute. Photo by Busy (Léon) [14]

Toeram-pitsaboana mikasika ny maso. Sary an'i Busy (Léon)

A hospital in Phnom Penh. Photo by Busy (Léon) [15]

Toby fitsaboana tao Phnom Penh. Sary an'i Busy (Léon)

Ville de Phnom Penh. "Le Royal Palace". Photo by :Busy (Léon) [16]

Tanànan'i Phnom Penh. “Ny Lapam-panjakana”. Sary an'i Busy (Léon)

A school session in Phnom Penh [17]

Fotoam-pianarana iray tao Phnom Penh

A Chinese school building in Battambang. Photo by Service Ciné Photo (Bureau presse information) [18]

Sekoly Sinoa tao Battambang. Sary an'ny Service Ciné Photo (Birao Fampahalalam-baovao)

School examination in Phnom Penh [19]

Fanadinan-tsekoly tao Phnom Penh