Navadiky ny Tahirim-pirenena Frantsay ivelan'ny fari-dranomasina (Foibe ho an'ireo Tahiry Ivelan'ny Fari-dranomasina) ho sary nomerika ireo tahirin-tsary an'arivony tao aminy, anisan'izany ireo antontan-taratasy manan-tantara mifandraika amin'i Indoshina Frantsay. Nitady ilay fitehirizam-boky nomerika izahay ary nahita ireo sarin'i Kambodza tsy fahita firy tanatin'ireo taona 1920 sy 1930.
Lasa zanatany Frantsay i Kambodza ny taona 1867 ary ny taona 1953 no nahazo ny fahaleovantenany. Mampiseho ny fiainana andavanandron'i Kambodza nandritra ny fanjanahan'i Frantsa ireo sary ireo . Loharanon-karena goavana izy ireo ho an'ireo izay liana hianatra bebe kokoa, tsy mikasika ny fotoana nahavoazanaka an'i Kambodza ihany, fa koa ny kolontsainy mirakitra harena.
Tsy vaovao ny endrik'ireo toerana sasany any ambanivohitra saingy maro amin'ireo endriky ny tanàn-dehibe nasongadina tao amin'ilay tahiry nomerika kosa no efa tsy hita intsony, porofon'ny fivoarana haingan'i Phnom Penh sy ireo tanàn-dehibe hafa tao Kambodza.
Ireto ambany ireto ny sary sasany tamin'ireo sary manasongadina ny hakanton'i Kambodza fahiny, izay fantatra taloha tamin'ny anarana hoe Vakana Sarobidin'i Azia: