- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mailaka Tafaporitsaka: Mampahafantatra Ny Antsipirihany Momba Ireo ‘Mpilatsaka An-tsitrapon’ny Sivilizasionan’ny Tanora’ Ao Amin’ny Tranonkala Any Shina

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Politika, Sivana
China's Communist Youth League sets the target of recruiting more than 10 million civilization volunteers to spread positive messages online.

Mametraka ny tanjona fandraisana mpilatsaka an-tsitrapo mihoatra ny 10 tapitrisa amin'ny sivilizasiona ny Ligin'ny Tanora Kaominista any Shina mba hampielezana hafatra miabo ety anaty tranonkalam-pifandraisana.

Ny 17 May, ny dia navoakan'ny [1] mpijirika iray antsoina amin’ny anaram-bositra hoe XiaoLan ny fonosana mailaka mampahafantatra ny antsipirihan’ny fandraisana hiasa ny mpianatry ny oniversite, ataon’ny Ligin’ny Tanora Kominista any Shangaï, iray amin'ireo rantsana lehibe indrindra ao amin’ny Antoko Kaominista Sinoa eo ambany fitondran’ny antoko tokana. Miasa toy ny mpaneho hevitra an-tsitrapo amin’ny tranonkala ireo mpianatra izay manaparitaka angovo miabo sy “manadio” ny aterineto.

Tsy tsiambaratelom-panjakana ny fisian’ireo mpaneho hevitra : nabaribary tao amin'ny tahirin-kevitra [2]  navoakan’ny Ligin’ny Tanora Kaominista any Shina ny andiany farany nandraisana mpiasa marobe ny volana Febroary 2015 izay efa nametraka ny tanjona ny fandraisana mpikambana tsy ho latsaky ny 20 isan-jaton'ny mpikambana ao aminy hiasa ho toy ny “mpilatsaka an-tsitrapon’ny sivilizasiona” ho fampielezana ny angovo miabo sy hitondra tena ho maodely ho an'ny “mpisera tsara amin’ny aterineto”.

Nanana mpikambana nihoatra ny 89 tapitrisa [3]  ny Ligy tamin’ny faran’ny taona 2013, midika  izany fa tsy maintsy mampiditra “mpilatsaka an-tsitrapon’ny sivilizasiona” manodidina ny 18 tapitrisa izy ireo mba hahafahany mahatratra ny tanjony. Ohatra roa mampiseho ny “mpilatsaka an-tsitrapon’ny sivilizasiona” napetaky [4]  ny Ligin’ny Tanora tamin’ny volana Aprily tao amin’ny Weibo, toy ny Twitter any Shina, ny olona hita eo amin’ny sary ery ambonin’ity lahatsoratra ity.

Lasibatra foana amin’ny tsikera ataon'ny mpisera amin’ny aterineto any Shina ny mpaneho hevitra amin’ny aterineto mpomba ny governemanta, izay manome azy ireo ny anaram-bositra maneso “wumaodang ” na “antokon'ny 50 Cent” [5]  amin'ny teny Anglisy, hatramin’ny nilazana fa mandray fandoavam-bola miavaka izy ireo, antsasaky ny Yuan Sinoa isaky ny lahatsoratra, mitovy amin’ny karama 8 cents amin’ny dolara Amerikana.

Na mitovy aza ny toetran’ny asany, olona itokisana ara-politika izay tsy mandray vola mihitsy ny “mpiasa an-tsitrapon’ny sivilizasionina”. Aseho'ny fanambarana avy amin'ilay mpijirika fa nanentana ny mpikambana ao aminy mba hampivoarana ny aterineto amin'ny alalan'ny zana-tsampany ao amin’ny oniversite ny Ligy.

Fonosana voafintina manana habe sahabo ho 11,49 gigabytes ilay tafaporitsaka, ahitana mailaka efa ho 10.000 sy piesy maro miaraka aminy. Mikasika asa mahazatra ataon’ny Ligin’ny Tanora any amin’ny oniversite sy ny sekoly ambaratonga faharoa ao an-toerana ny ankamaroan'ny mailaka, manome antsipirihany momba ny antontan'isan’ny asa ataon’ny Ligy, firy ny mpitarika avy amin’ny Ligy isaky ny oniversite, ny tatitra momba ny hevitry ny mpianatra amin'ireo zava-nitranga ara-tsosialy vao haingana, sy ny sora-tànana avy amin'ny kabarin’ireo  mpitarika.

Ao anatin’io tahiry midadasika io, mailaka vitsivitsy misy tsipika foto-kevitra toy ny “Endriky ny Fametrahana Sokajin-draharaha Mpilatsaka An-tsitrapon’ny Sivilizasiona An-tseraseran’ny Ligin’ny Tanora ao amin'ny Oniversite-n'i Shanghai” sy “Taratasy  Fisoratana Anarana Fenoina momba ny torohay fototra mkasika ireo Mpilatsaka An-tsitrapon’ny Sivilizasiona An-tserasera, ” manome indray mitopy maso mahaliana amin’ny hetsiky ny “mplatsaka an-tsitrapo amin’ny sivilizasionan’ny tanora ” any amin'ireo toeram-pampianarana ambony.

Ny piesy ampanarahana sasany dia ahitàna takelaka misy kajy manisa “mpilatsaka an-tsitrapo amin’ny sivilizasionan’ny tanora” isaky ny oniversite sy ny lisitry ny mombamomba ny tsirairay – anaran’ny asa, kaonty QQ,  WeChat sy Weibo, ary koa ny laharan’ny finday.

Nanao firaketana an-tsoratra manokana ny anjara asa amin’ny dokam-barotra ataon’ny mpianatra ao amin'ny Weibo sy WeChat ny rakitra hafa. Mandefa fanehoan-kevitra feno hafanam-po amin’ny zava-nitranga manan-danja sy ny lohahevitra no andraikiny amin'izany. Voarakitra ao anaty takelaka misy kajy avy eo ny habetsaky ny jery, ny fampitàna sy ny fanehoan-kevitra isaky ny lahatsoratra, mba hanaraha-maso ny zava-bita. Manomboka amin’ny fampahafantarana amin’ny vahoaka ny “kabarin’i XI Jinping” sy “Manonofy ny Shina-ko” ny andraikitra, ka hatramin’ny “fankalazàna ny fandripahana olona tao Nanjing [6].” Lohahevitra ara-politika teo ambany fitarihan'i Xi mba hampiray ny firenena sy ny vahoaka ny teny hoe “Manonofy ny Shina-ko”.

Mitanisa andraikitra enina ho an'ny ekipan’ny fanentanana anaty tranonkala ny tahirin-kevitra “Filazana fametrahana ny Sampan-draharaha Fanentanana an-tseraseran’ny Ligin’ny Tanora any amin’ny Oniversite any Shanghai':

建设高校共青团网络宣传员队伍,重点在于发挥队伍成员的作用,为构建清朗网络空间、巩固壮大网上主流思想舆论作出积极贡献。职责如下。

1、按照统一部署,踊跃参与全团“青年好声音”网络文化行动,集中传播“青年好声音”,在网络上大力唱响青年思想引导的主旋律,形成强劲的青春正能量。

2、对团中央、团市委、本高校团组织指定的内容在个人微信、微博、QQ、飞信、人人网及青年学生聚集度较高的论坛等网络空间进行转发、评论。

3、对团中央官方微博、团中央学校部官方微博、团学小微公共微信,团市委官方微博、公共微信,以及本高校团组织官方微博、公共微信加关注,对其平台上发布的内容进行转发、评论。

4、对个人接收到的各类媒体平台上的正面内容在个人网络新媒体工具上进行转发、评论。

5、按要求到指定的网络空间参与跟帖、转帖、评论工作,及时发声,自觉针对网络上的错误言论和思潮进行正面信息传播,壮大网上主流思想舆论。

6、每人每周转帖评论量不少于5条。

Tokony hanamafy ny asan’ny mpikambana ao amin'ny ekipa isika, sy mandray anjara amin'ny fanorenana habaka Aterineto madio ary manamafy orina ny fisainana misongadina mahazatra sy ny fihetseham-po, mba hametrahana ny sampan-draharahan'ny Ligin’ny Tanora mpanao fanentanana anaty tranonkala ao amin’ny oniversiten’i Shanghai. Ahitana ireto manaraka ireto ny andraikitra :

  1. Taorian'ny fanapariahana iraisana, mandray anjara mavitrika amin'ny Hetsika ara-kolontsaina ‘Feo Miabon’ny Tanora’ ety anaty aterineto sy mifantoka amin'ny famoahana ho fanta-bahoaka “ny Feo Tsaran’ny Tanora” sy ny lohahevitry ny amboarampeo tarihan'ny eritreritry ny tanora, mba hanosehana ny angovo miabon'ny tanora.
  2. Mampita sy maneho hevitra momba ny votoaty araka ny nambaran’ny Ligy Foiben’ny Tanora, ny Ligy Monisipalin’ny Tanora, ny Ligin’ny Tanora any amin'ny Oniversite, ao amin’ny WeChat manokana, Weibo, QQ, Fetion, Renren sy ireo  sehatra natao hifampiresahana ary ny tranonkala malaza eny anivon’ny tanora mpianatra sy ny tranonkala hafa.
  3. Manaraka ny kaonty Weibo sy Wechat ofisialin'ny Ligin’ny tanora hatrany amin'ny foibe, sekoly, sekoly fanabeazana fototra sy ny ambaratonga monisipaly. Manaraka ihany koa ny kaonty ofisialy Weibo sy WeChat-n’ny Oniversite. Mampita sy maneho hevitra momba ny votoaty amin'ireny sehatra ireny.
  4. Mampita sy maneho hevitra mikasika ny votoaty miabo izay voarainao tamin’ny sehatra samihafa amin’ny media amin'ny alalan'ireo fitaovana manokan'ny media ara-tsosialy (ohatra WeChat, Weibo, ary sns).
  5. Mamaly ny fangatahana amin'ireo hafatra naraha-maso, mampita azy ireny sy maneho hevitra ao anatin'ny habaky ny tranonkala. Miteny mahitsy amin’ny ilàna azy ary mitarika ho any amin’ny tsara ny hevitra sy ny eritreritra diso mba hambolena ny fomba fisainana sy ny fihetseham-po misongadina ao amin'ny Aterineto.
  6. Tsy tokony ho latsaky ny dimy isan-kerinandro ny habetsaky ny fampitàna hafatra ataon'ny tsirairay.

Toy ireo marobe mpampiasa aterineto any Shina, izay mamingavinga ny mpaneho hevitra amin’ny aterineto mpanohana ny governemanta, tezitra [7] amin'ny trangan’ny mpianatra mizara an-jambany ny fanentanana i Yang Kangling :

现在的学生缺乏好奇心想象力和批判性思维,甚至有些大学还组织一批学生充当五毛“网评员”,以“稳定压倒一切”的口令去歌功颂德,对社会的黑暗一面给予漠视,无形中是在维护社会丑陋,把批判社会黑暗面的人说成汉奸美分等等,甚至把这些情况说是负能量。导致这个社会基本的正义感基本沦陷。

Tsy ampy fahalinana, fakàna sary an-tsaina sy eritreritra mitsikera ankehitriny ireo mpianatra. Misy oniversite sasany aza mikarakara andiana mpianatra mba hiasa toy ny “mpaneho hevitra amin’ny aterineto.“ Amin’izany fomba izany ”manapotika ny zava-drehetra ny fahamarinan-toerana” mba hihiràna fiderana sady tsy miraharaha ny lafiny maizina indrindra ao amin'ny fiaraha-monina, miaro tsy am-piheverana ny haratsiany. Manala baràka ny olona izay mitsikera ireo lafiny maizina ho toy ny mpamadika ny fiaraha-monina [any Shina] [izy ireo] – meifen [midika “Cent US” amin’ny teny Anglisy – teny ampiasaina matetika amin’ny fomba tsy marim-pototra mba hanisihana hevitra fa hoe mandray vola avy amin'i Etazonia ireo mpampiasa aterineto izay manohana ny soatoavina demokratika] ary mandray ny tsikera ara-tsosialy ho toy ny angovo miiba. Nirodana vokatr’izany ny hevitra fototry ny rariny eo amin'ny fiaraha-monina.

Mino [8] i Jian Alan Huang, mpampiasa Twitter, fa “manimba kokoa” noho ny antokon’ny 50 cent ny mpilatsaka an-tsitrapon’ny sivilizasiona, indrindra noho izy ireo mino tanteraka izay zavatra ataony :

网络文明志愿者就是小逼养时代的红卫兵,虽然换了个叫法,但同样代表着为红色政权冲锋陷阵的炮灰。这玩意儿比五毛害人得多,这将再一次使整整一代人成为毫无思考能力的废物和不学无术、横行霸道的人类公敌。

— Jian Alan Huang (@hnjhj) May 18, 2015 [8]

Mpiambina Mena fotsiny ity vanim-potoana t&#@ ity ireo mpilatsaka an-tsitrapon’ny sivilizasiona ety anaty tranonkala [ny Revolisiona ara-kolontsaina, ny taona 1966 hatramin'ny 1976]. Hatao sorona foana izy ireo amin'ny ady ho an'ny fitondrana mena, na manana anarana vaovao aza. Manimba kokoa noho ny antokon’ny 50 cent izy ireo. Taranaka iray manontolo no ho very fahaizaina mieritreretra sy mianatra, ary amin'ny farany ho tonga mpanao jadona sy fahavalon'ny maha-olona.

Ny 16 Aprily, nanao tatitra [9] ny People's Daily, mpitondra tenin'ny governemanta, fa niroso amin'ny tokony ho izy ny fandraisana ireo mpiasa an-tsitrapo ho an'ny sivilizasiona tany amin'ny faritany maro, anisan'izany Jiangxi, Hunan, Henan, Guangdong, Hubei, Gansu, Xinjiang, Hebei sy Anhui.