Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

“Mpaminany Sandoka” Tajik Nalefa Higadra 16 Taona

When the state TV broadcasted Sheykh Temur's story, al social and economic problems went to shadow of it in the people's discussions

Nampiditra vetivety ny Tajik avy amin'ny resaka fivavahana ny tantaran'i Sheikh Temur fa tsy nahala tamin'ny tsindry ara-tsosialy sy ara-toekarena ao amin'ny firenena raha nivoaka voalohany tao amin'ny televizionam-panjakana izy ity tamin'ny febroary. Pikantsary tamin'ny fampahalalam-baovaom-panjakana Tajik navoakan'ny RFE/RL.

Lehilahy iray 65 taona atao hoe Saidmahdikhon Sattorov saingy fantatra manerana an'i Tajikistan ho Sheikh Temur no namoahana didim-pitsarana higadra 16 taona an-tranomaizina tamin'ny fiandohan'iny herinandro iny noho ny ‘fangoronana tany tsy ara-dalàna’, ‘ny fananana vady maro’, ‘fakam-bola an-keriny’, ‘fanimbazimbana ny maty sy ny toerana fandevenana azy ireo ‘, ary ‘fanakatsakanana amin'ny fahazoana fanabeazana fototra tsy maintsy atao’. Milaza tena ho ny ‘Mpaminany Farany’ izay anaram-boninahitra natokana ho an'ny Mpaminany Muhammad eo amin'ny fivavahana Silamo i Sattorov, izay nahasarika mpanoroka tongotra an-jatony hanara-dia azy.

Vakio: ‘Mpaminany Farany’ ao Tajikistan Miatrika Fanagadrana noho ny Fangoronan-Tany sy Fakana Vady Maro [teny malagasy]

Nandritra ny fakana am-bavany nanaraka ny fisamborana an'i Temur tamin'ny Febroary, dia niaiky ny Sheikh fa manana vady mihoatra ny iray, nanorina trano tsy ara-dalàna eo amin'ny tany tsy azy, ary tsy namela ny zanany hianatra an-tsekoly. Nangataka fangorahana sy famindram-po noho ny “fahanterany” izy sy noho ny fahantanterahana ny famoahana ny didy tamin'ny valo jolay tao anatin'ny volana masin'ny Ramadany.

Saingy tsy nilefitra tamin'ny sheikh izay vao niravoravo tamin'ny vady tanora maro, tany maimaimpoana ary mpanaraka misotro ny rano avy nisasany tanana volana vitsivitsy lasa izay ny mpitsara tao amin'ny repoblika sovietika taloha maro miozolomana.

Manana famindram-po kokoa ireo mpamaky ny tranonkalam-baovao ao an-toerana. Na dia tezitra tamin'ny Sheikh ireo Tajik mpiserasera ireo ary nangataka sazy henjana volana maromaro lasa izay, dia maro no nangataka ny hanafahana azy rehefa nampahafantarina ny vahoaka ny didim-pitsarana.

Tao amin'ny Ozodagon, mpamaky iray antsoina hoe Khayr nanoratra hoe:

Хамин бечораро озод кунед,о дар тамоми макомот низ тамачуи аст,мухтарам судя хамон мошину хонаву чихози гаронарзиши шумо магар бо маош дастрас шуда?озодагон чоп !

Afaho io lehilahy mampalahelo io. Mpanao kolikoly ihany koa ny manampahefana rehetra. Ry mpitsara hajaina, nividy ny fiara lafovidy sy ny tranonao mirentirenty tamin'ny karamanao fotsiny ve ianao? Ozodagon, avoahy [ity fanehoan-kevitra ity]!

Mitovy hevitra aminy ny mpamakin'ny Ozodagon iray antsoina hoe Marhabo :

Зуратон танхо ба бечорахо мерасад. а где гуманность. ин муйсафед дар хабсхона мурданаш мумкин аст.

Olona mahantra irery no mba vitanareo gadraina. Aiza ny mahaolona? Mety ho faty any am-ponja ity lehilahy antitra ity.

Gaga amin'ny halavan'ny fotoana ny mpaneho hevitra iray, Kalkhoznik, manoratra eo ambanin'ny lahatsoratra namoahana ny didim-pitsarana mihatra amin'ny sheikh ao amin'ny tranonkala Asia Plus :

Вообще сложно понять смысл этого приговора, вроде шейх принадлежит суффийскому тарикату, в политике не заинтересован, жил где-то в горах никого не трогал, а те статьи по которым его уличили можно предъявить к любому госслужащему, за что его решили показательно покарарать – тайна за семью печатями!

Sarotra ny mahatakatra ny antony ambadik'ilay didim-pitsarana. Sufi ilay Sheikh, tsy liana politika, niaina tany an-tendrombohitra tany, tsy nanelingelina na iza na iza, ary tamin'ny heloka niampangana azy… Mbola notazonina tsiambaratelo ireny ka naninona no natao ho fanta-bahoaka ny fanasaziana azy.

Hoan'ny mpanara-baovao hafa, anefa, mazava tsara ny antony. Nenjehin'ny governemanta Tajikistan ireo mpitondratenin'ny Islamo rehetra ankoatra ilay ankatoavin'ny fanjakana ary efa kinova nodiovina tanteraka ao amin'ny fombam-pivavahana, izay amakian'ny imam mpanohana ny governemanta mafy ireo toriteny mamely ny antoko mpanohitra tokana miorina amin'ny alalan'ny finoana, sy aneren'ny polisy izay Silamo mpanao fanatanjahatena hiharatra.

Na dia lavitry ny fitsipiky ny Korany aza ny fitondratena nataon'ny Sheikh Temur mpamitaka, dia mety ho mandefa hafatra amin'ny sekta hafa mety hanohintohina ny ampihimamban'ny fanjakana eo amin'ny sehatry ny fivavahana ny manam-pahefana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.