- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manakaiky Ny Vanim-potoanan'ny Rivo-doza, Mbola Misy Fianakaviana Tra-Boina Tamin'ny Herintaona Ao Filipina Miandry Fialofana Maharitra

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina, Vonjy Voina
Some of the 200 people that have been living in a public gym for the past 7 months in Catbalogan. Photo by Taisa Sganzerla

Sasany amin'ireo olona maherin'ny 150 monina fito volana ao amin'ny toera-panatanjahantena an'ny fanjakana ao Catbalogan. Sary avy amin'i Taisa Sganzerla

Any ho any ao an-tanànan'i Samareña Catbalogan, renivohi-paritany iray amin'ireo faritra mahantra indrindra ao Filipina no misy ny sisa tavelan'ny tanàna iray tsy misehoseho. Miely manerana ny havoana mideza ireo trano falafa nilaozana, namboarina tamin'ny hazo sy banig (tsihy) ao anaty kirihitrala. Tao no nisy ny barangay (na tanàna kelin'i Mercedes) taloha.

Enim-bolana lasa izay, namoizan'aina 59 ny rivodoza Seniang [1](fantatra amin'ny anarana hoe Jangmi any amin'ny firenen-kafa manerantany) tao amin'ny faritra atsinanan'i Visaya ao afovoan'i Filipina – 23 tamin'izy ireo tao barangay Mercedes. Fianakaviana 54 barangay farafahakeliny no tsy manan-kialofana noho ny fihotsahan'ny tany nateraky ny tafio-drivotra.

Nafindra tao amin'ny kianja fanatanjahantena an'ny governemantam-paritany ao Samar Andrefana izy ireo, izay nananganana trano fatoriana tamin'ny fanampian'ny fikambanana tsy miankina ao an-toerana. Fito volana tatỳ aoriana, mbola misy olona 150 farafahakeliny miandry vahaolana amin'ny trano fonenana maharitra.

“Marary hatrany ny ankizy noho ny haratsian'ny toerana”, hoy i Lea Serilla avy ao amin'ny Sampan'ny Fikambanana tsy Miankina iray ao an-toerana Tabang Visayas ao Samar izay mandrindra ny fialofana. Nanazava izy fa fanampiana kely ho azy ireo – vary eo amin'ny 15-25 kilao isam-bolana isam-pianakaviana, miaraka amin'ny boaty sardinina efatra sy boaty hen'omby masaka efatra ary fonosana kafe valo no omen'ny ny Sampana misahana ny Fiahiana Ara-tsosialy sy ny Fampandrosoana ao An-tanàna.

Iray amin'ireo olona monina ao amin'ny trano lay fatoriana ao anatin'ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena i Rodrigo Mabag, 43 taona. Namoy ny zanany telo lahy teo anelanelan'ny 19 ka hatramin'ny25 taona tao anatin'ny fihotsahan'ny tany izy.

Mpiasa Filipino iray niasa tany ivelany tao Arabia Saodita amin'ny fanamboarana fiara raha nandre ny firodanan'ny tranony sy ny tranon'ny mpiaramonina aminy :

I got online and my brother had posted a link on Facebook on what had happened in the barangay. I became desperate because I couldn’t reach my wife. I only managed to talk to her three days later, and that's when she told me about the boys.

Niditra aterineto aho ary nandefa rohy tao amin'ny Facebook ny rahalahiko miresaka ny zava-nitranga tao barangay. Nanjary kivy aho satria tsy nahazo ny vadiko mihitsy. Telo andro taty aoriana vao afaka niresaka taminy aho izay nolazainy tamiko ny momba ny zazalahy.

Niezaka niverina tany Filipina izy, saingy tsy an'asa ankehitriny ary mijanona ao amin'ny trano lay fatoriana mba hikarakara ny vadiny izay naratra mafy nandritra ny fihotsahan'ny tany ny lamosiny :

To lose my children is hard enough. All I wish now is that the government takes care of the shelter [problem] so I can start over again. I want to open my own business now.

Efa mafy ny fahaverezan'ny zanako. Ny faniriako ankehitriny dia ny hijeren'ny fitondram-panjakana akaiky ny olan'ny trano fialofana mba ahafahako manomboka fiainana vaovao indray. Te-hanokatra orinasa ho ahy manokana aho izao.

philippines-3

Rodrigo Mabag ao amin'ny trano lay fatoriana ao amin'ny kianja fanatanjahan-tena ao Catbalogan, izay namoy ny zanany tamin'ny fihotsahan'ny tany. Sary: Taisa Sganzerla

Na dia ny governemantam-paritany aza no tompon'ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena, dia miankina amin'ny manam-pahefana ao an-tanàna ny andraikitra amin'ny famindra-toerana noho ny loza voajanahary, araka ny filazan'ny biraon'ny fampitam-baovaom-paritra.

“Manery anay ny governemantam-paritany mba hiala ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena, satria te-hampanofa ny toerana amin'ny orinasa Gaisano izay hanorina tsenambarotra ao izy ireo”, hoy i Nidia Arroza, manampahefana avy ao amin'ny Fiahiana Ara-tsosialy sy ny Fampandrosoana ny Tanàna ao Catbalogan.

Nilaza koa izy fa tsy maintsy mbola mamolavola drafitra maharitra ho fanampiana ny tra-boina ao amin'ny kaominina ny tanàna:

We are apprehensive as typhoon season is near and we have yet to relocate those families. If a big typhoon hits again, we have no other big evacuation center in the city.

Matahotra izahay satria efa akaiky ny vanim-potoanan'ny rivo-doza ary tsy maintsy mamindra indray ireo fianakaviana ireo izahay. Raha misy rivo-doza lehibe mamely indray,  tsy manana toerana malakaka hametrahana ireo tra-boina ao an-tanàna izahay.

Ny drafitry ny governemanta hoy izy dia ny hividy sombin-tany manodidina an'i Catbalogan ao Barangay Payao amin'ny vidiny 150 tapitrisa pesos (eo amin'ny 3.3 tapitrisa dolara) izay hosamborin'izy ireo any amin'ny banky ary hametraka ireo fianakaviana ireo ao .

Hoan'i Fa Lea Serilla kosa, na izany aza, dia tahaka ny ezaky ny governemanta hanilihana ny mahantra lavitry ny tanàna izany:

Barangay Payao is really far away from the city, much further than Barangay Mercedes. Not only they have waited for seven months for permanent shelter, now they will have to settle with a much inferior alternative.

Lavitra be ny tanàna no misy an'i Barangay, lavitra kokoa noho i Barangay Mercedes. Tsy vitany hoe niandry nandritra ny fito volana izy ireo mba hahazo trano fonenana maharitra fa tsy maintsy manorim-ponenana amin'ny kalitao ambany dia ambany