Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tsy Ankafizin'ny Praiminisitra Aostraliana Ny Valam-pihary Herinaratra Ahodin-Drivotra “Ratsy endrika,Be Tabataba”

 Victorian wind farm.

Ny Valam-pihary Herinaratra Ahodin-Drivotra any Victoria. Sary – mpampiasa Flickr Indigo Skies Photography CC License 2.0 Generic (CC BY-NC-ND 2.0)

Noho ireo fomba fijeriny betsaka mahabe resaka, matetika no esoesoina ao amin'ny media sosialy ny Praiminisitra ao Aostralia. Ny 11 Jona 2015, sady niteraka no nitondra hatezerana ny famaritan'i Tony Abbott ireo valam-pihary herinaratra ahodin-drivotra ho manimba maso sy be tabataba.

Bilaogera iray mampiasa ny anarana Roswell no namaly haingana tao amin'ny Australian Independent Media Network – Tambajotranà Media Aostraiana Mahaleotena:

Be tabataba ny valam-pihary herinaratra ahodin-drivotra? Heverin'i Tony Abbott ho izany izy ireny. Ary raha i Tony Abbott mihevitra fa be tabataba izy ireny dia raiso an-tsaina fa ny tsirairay amin'ireo mpanaraka ny elatra havanana eto amin'ny firenena no hampiasa ny fomba fijerin'i Abbott ho toy ny porofo siantifika fa ho vaky ny ampongan-tsofinao raha sahinao ny mandehandeha manakaiky ireny zavatra “ratsy endrika” ireny.

Mahafinaritra an'i Abbott ny manao izay hampietry ny “Tanjona Angovo Azo Havaozina” ao Aostralia ho lasibatra, ary ny fanehoankeviny mikasika ny valam-pihary herinaratra ahodin-drivotra dia nanampy trotraka ny kiana avy amin'ireo mpanohana ny angovo azo havaozina tao amin'ny Twitter:

Efa mba nahita toeram-pitrandrahana arintany ve ianao ry @TonyAbbottMHR? Izany no lazaiko hoe “ratsy jerena”. Tsy misy ifandraisany na kely akory aza amin'ny #WindFarms

Etsy ankilany dia irian'ny olona ny haha-betsaka kokoa ny #windFarms ry Tony Abbott

Ny andron'iny ihany, nanokatra ny vovonambe niresahana momba ny asa fampihorhoroana tao Sydney Ing. Abbott. Marobe tamin'ny olona tety anaty aterineto no nampifandray ireo zavatra roa ireo:

Mahatsikaiky izany satria ny “Na manaiky, na Maty” dia teboka tsy azo ivalozan'ny politikan'ny tontolo iainana, mpialokaloka & sosialin'i Abbott

Miala any ny tiorbina

Nalaza ihany koa ireo fampitahàna amin'ny foibe famokarana herinaratra mandeha amin'ny arintany:

“Ratsy jerena” sy “be tabataba” ireo valam-pihary herinaratra ahodin-drivotra an'i @TonyAbbottMHR ….raha mitaha amin'ireo foibe famokarana herinaratra mandeha amin'ny arintany mamoaka entona SO2 CO2 merkiora& arsenika #nann

Tsy tia valam-pihary herinaratra ahodin-drivotra ratsy jerena i TonyAbbott? Hey fa tsara angaha ny arintany? #abbottsarotakarina

Ankehitriny, Kaomity iray ao amin'ny Antenimieran-doholona no mandinika ny maha-angovo azo havaozina ny valam-pihary herinaratra ahodin-drivotra. Nanentana ny mba hamakiana lahatsoratra iray ao anatin'ny The Conversation i Gaetan Burgio, izay manadihady momba ny siansan'ny valam-pihary herinaratra ahodin-drivotra.

Ao ny fanazavana sasantsasany. Ny tena siansa momba ny valam-pihary herinaratra ahodin-drivotra, ny tabataba, ny feo tsy vitan'ny sofinao henoina ary ny fahasalamana @ConversationEDU

Manana tohana maro loko ny  Praiminisitra. Ilay loholon'ny Demaokratika Liberaly, David Leyonhjelm, no nandrenesam-peo momba ilay raharaha faramparany teo:

Manompa ireo vondrona mpanadrohadro manao hetsi-panoherana ivelan'ny fanadihadiana momba ny valam-pihary herinaratra ahodin-drivotra i David Leyonhjelm

Iray amin'ireo mpanao hetsi-panoherana, Liz Conor, no namaly tao amin'ny New Matilda tety anaty aterineto :

Ny valy bontan'i Leyonhjelm : Ahoana Ary Maninona Ny Loholona No Niteny Tamiko hoe “Ndeha Mandeha Tay any”:Nanatevina laharana fihetsiketsehana iray, indray Talata izay, ny Dr Liz Conor

Betsaka ireo ahiahy hafa manao hoe manimba ny lazan'ny firenena any ivelany ny filoham-panjakan'i Aostralia amin'ny fanoherany ireo ezaka iraisampirenena hampiroboroboana ny angovo fanolo :

Mba ao an-tsain'i Abbott ve fa ny fanehoankeviny momba ny valam-pihary herinaratra ahodin-drivotra dia toy ny manompa hoe HNT an'ireo vondrom-piarahamonina iraisampirenena momba ny Hetsika manoloana Ny Fiovaovan'ny Toetrandro

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.