- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

R.I.P. Özgür Uçkan: Lasa ny Iray amin'ireo Andrarezin'ny Mpiseraseran'i Torkia

Sokajy: Tiorkia, Mediam-bahoaka

500

Dr. Özgür Uçkan, iray amin'ireo mpikatroka nomerika vitsy nitari-dalana tao Torkia sy mpiara-manorina ny Alternatif Bilisim, fikambanana iray miasa ho amin'ny zo sy ny fahafahana nomerika ao amin'ny firenena, dia nodimandry tamin'ny 10 jolay 2015. 54 taona izy ary narary mafy tao ho ao.

Mpanoratra, mpampianatra ary mpanolotsaina, nanokana ny fotoam-piasany tamin'ny fifanakalozan-kevitra amin'ny ara-toekarena, indostria mpamoron-javatra vaovao, endrika ara-pahalalàna sy ara-pitantanana, endrika ara-mpampitan-kafatra, zavakanto ary kolontsaina i Uçkan raha nandany ny fotoany manokana tamin'ny fiahiana ny fahafahana nomerika.

Voasoratra amin'ny fiteny tiorka amin'ny ankapobeny ny habatranonkalan'i [1] Uçkan fa misy ihany koa ny votoaty amin'ny fiteny anglisy ary hita hatrany amin'ny fitadiavana web ho manampahaizana manokana momba ny resaka fahafahana ara-internety ao Torkia ny anarany.

Azo jerena ato [2] ny filazana manjo sy sarin'i Uçkan maro kokoa raha mandrohy amin'ny fanomezam-boninahitra antserasera hafa ny maro amin'ny mpiserasera tiorka:

Manao izay hampihodina hatrany ny baolina: ho fahatsiarovana an'i Özgür Uçkan sy Caspar Bowden

FireShot Capture - Ozgur Uckan (@ozuckan) I Twitter - https___twitter.com_ozuckan
Ity pikantsarin'ny soritsoritra momba azy ao amin'ny Twitter ity no mamehy ny fahalianany ara-teoria sy ara-pampiharana ny fisoloambavany eo amin'ny fahalalahana an-tserasera.

Io sary fandrakofana io dia avy amin'ny Diaben'ny Fahafahana Internety natao tao Taksim, Istanbul tamin'ny 15 May 2011.

Iray amin'ireo hita ho nitazona ilay sora-baventy mivaky hoe “Internet tsy misy fanapenam-bava” ao Torkia ny Dr. Uçkan.

Ny sioka nahantony ambony ao amin'ny Twitter dia tsonga avy amin'ny Anti-Oedipe nataon'i Deleuze sy Guattari. Talohan'ny tsonga nanoratany ny “Mamehy ny fahatsapako izy ity”, raha mivaky toy izao ny tsonga “Tsy diso fanantenana ny vondron'olona tamin'ny vanim-potoana ara-tantara manokana nanirian'izy ireo ny fasisma.”

Niditra lalina ihany koa amin'ny petrakevitra ara-javakanton'i Deleuze ihany koa i Uçkan, petrakevitra nampiarahany tamin'ny fitomboan'ny fankamamiany taty aoriana ny resaka kolontsaintserasera.

Ho tsaroana tokoa izy.