- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mahazo Ny Anjara ‘Patch Adams’ Mpanao Hatsikana Natao Ho Azy Ireo Toeram-pitsaboana Ao Buenos Aires

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara
Payasos sin fronteras - 14  Gala Anual de Payasos sin Fronteras. 7 de Enero de 2008 foto tomada de la cuenta en Flickr de Imagen en Acción bajo licencia Creative Commons. [1]

Annual Gala avy amin'ireo Katsikana Tsy Voafefin-Tsisintany. Sary an'i ‘Mario Ximenez de Embun’ nalaina tao amin'ny kaonty Flickr ‘Imagen en Acción’ ary nampiasàna ny Creative Commons.

Tsy ela akory izay ny antenimieran-doholona ao Buenos Aires no nandany [2]lalàna mandidy ny fampiasana ny katsikana any amin'ireo toeram-pitsaboana miahy ny zaza an-dàlam-piarenana noho ny ratra ara-tsaina nahazo azy. Hilalao ireny mpanao hatsikana ireny ary hanala voly ireo ankizy.

Hehy mahasalàma—ankehitriny tsy maintsy atao izany ao Buenos Aires, any amin'ny toeram-pitsaboana ao Arzantina

“Dia efa miomàna hahita ireo manan-talenta amin'ny fampihomehezana na ireo katsikan'ny toeram-pitsaboana miarakaisaky ny misy fitsidihana fanaraha-maso,” hoy ny filoha lefitra Darío Golía, izay naka aingam-panahy tamin'ny asan'ilay Amerikana Fizisiana Hunter “Patch” Adams, izay navoitra tao anatin'ny horonantsary iray novokarin'ny Hollywood ary nolalaovin'i Robin Williams tamin'ny 1998 ny “fitsaboany amin'ny alàlan'ny hehy”.

Ambaran'ilay lalàna fa “hampiasa ireo olona niofana manokana tamin'ny resaka hatsikana ny hopitaly, dia ireo izay mahafeno ny fepetra sy ny zavatra takiana amin'ny asa any amin'ireo hopitalim-bahoaka.”

Fatratra! Araka ny lalàna, hanana “katsikan'ny hopitaly” ireo hopitalim-bahoaka

Tsaboina amin'ny alalan'ny fo ihany koa ny fahasalamàna.

Nialoha ilay lalàna, nisy ireo hetsika hafa natao, nampiasàna ny lalao sy ny hanihany, izay nanampy ireo marary sy ny fianakaviany hiatrika ireo toe-draharaha mandratra saina, toy ny tranga manjo ireo ankizy ao amin'ny hopitaly Sister María Ludovica, ao de la Plata, sy ireo hopitaly hafa manerana an'i Buenos Aires.

Ambaran'ireo mpanao lalàna fa mifototra amin'ny siansa lalimpàka ilay politika vaovao momba ny hopitaly :

La capacidad de la risa mejora el acto médico y esto ha sido científicamente demostrado cuando se descubre que el cortex cerebral libera impulsos eléctricos negativos un segundo después de comenzar a reír, cuando nos reímos el cerebro emite información necesaria para activar la secreción de encefalinas, que poseen propiedades similares a la morfina con capacidad de aliviar el dolor.

Voaporofo ara-tsiansa ny herin'ny hehy ho fanatsaràna ny fampahombiazana ny fanafody rehefa hita fa aorian'ny segondra iray anombohan'ny hehy dia mamoaka tosika miiba ny atidoha. Rehefa mihomehy isika, ilain'ny atidoha ny mandray toromarika mba hanairany ny fanatosahana enképhalines, izay manana toetra toy ny morphine, miaraka amin'ny fahafahany mampihena ny fanaintainana.

Tsy ny rehetra ao Arzantina no mihevitra hoe hevitra tsara ilay hetsika ‘hatsikana’. Ao amin'ny  Twitter, marobe ny olona no naneho ny fakàny elanelana :

Ha! Ny fanafody tsy misy, ny bandy tsy misy, tsy misy fanafody fa kosa hisy katsikana any  amin'ireo hopitaly!!!

Hàlako ireo katsikana ary hàlako ny hopitaly, ahoana no ahafahan'ny lalàna mampiaraka tsara an'ireo #Tsia