Tsy ela akory izay ny antenimieran-doholona ao Buenos Aires no nandany lalàna mandidy ny fampiasana ny katsikana any amin'ireo toeram-pitsaboana miahy ny zaza an-dàlam-piarenana noho ny ratra ara-tsaina nahazo azy. Hilalao ireny mpanao hatsikana ireny ary hanala voly ireo ankizy.
La risa sana. Ahora es obligatoria en hospitales de Buenos Aires, Argentina> http://t.co/SF5A5iTm4j pic.twitter.com/oKwlaXmxAG @petrogustavo
— Joy (@Joy_rma) June 24, 2015
Hehy mahasalàma—ankehitriny tsy maintsy atao izany ao Buenos Aires, any amin'ny toeram-pitsaboana ao Arzantina
“Dia efa miomàna hahita ireo manan-talenta amin'ny fampihomehezana na ireo katsikan'ny toeram-pitsaboana miarakaisaky ny misy fitsidihana fanaraha-maso,” hoy ny filoha lefitra Darío Golía, izay naka aingam-panahy tamin'ny asan'ilay Amerikana Fizisiana Hunter “Patch” Adams, izay navoitra tao anatin'ny horonantsary iray novokarin'ny Hollywood ary nolalaovin'i Robin Williams tamin'ny 1998 ny “fitsaboany amin'ny alàlan'ny hehy”.
Ambaran'ilay lalàna fa “hampiasa ireo olona niofana manokana tamin'ny resaka hatsikana ny hopitaly, dia ireo izay mahafeno ny fepetra sy ny zavatra takiana amin'ny asa any amin'ireo hopitalim-bahoaka.”
MAGNIFICO! Por ley, los hospitales públicos tendrán “payasos hospitalarios” pic.twitter.com/XeUTvVgoyP
— Claudina (@claudiberenguer) May 16, 2015
Fatratra! Araka ny lalàna, hanana “katsikan'ny hopitaly” ireo hopitalim-bahoaka
La salud, también se cura, desde el corazón. http://t.co/ygvLKwOuK3
— Pamela Luján (@PameValiente_) May 15, 2015
Tsaboina amin'ny alalan'ny fo ihany koa ny fahasalamàna.
Nialoha ilay lalàna, nisy ireo hetsika hafa natao, nampiasàna ny lalao sy ny hanihany, izay nanampy ireo marary sy ny fianakaviany hiatrika ireo toe-draharaha mandratra saina, toy ny tranga manjo ireo ankizy ao amin'ny hopitaly Sister María Ludovica, ao de la Plata, sy ireo hopitaly hafa manerana an'i Buenos Aires.
Ambaran'ireo mpanao lalàna fa mifototra amin'ny siansa lalimpàka ilay politika vaovao momba ny hopitaly :
La capacidad de la risa mejora el acto médico y esto ha sido científicamente demostrado cuando se descubre que el cortex cerebral libera impulsos eléctricos negativos un segundo después de comenzar a reír, cuando nos reímos el cerebro emite información necesaria para activar la secreción de encefalinas, que poseen propiedades similares a la morfina con capacidad de aliviar el dolor.
Voaporofo ara-tsiansa ny herin'ny hehy ho fanatsaràna ny fampahombiazana ny fanafody rehefa hita fa aorian'ny segondra iray anombohan'ny hehy dia mamoaka tosika miiba ny atidoha. Rehefa mihomehy isika, ilain'ny atidoha ny mandray toromarika mba hanairany ny fanatosahana enképhalines, izay manana toetra toy ny morphine, miaraka amin'ny fahafahany mampihena ny fanaintainana.
Tsy ny rehetra ao Arzantina no mihevitra hoe hevitra tsara ilay hetsika ‘hatsikana’. Ao amin'ny Twitter, marobe ny olona no naneho ny fakàny elanelana :
aja! no hay medicos, no hay gasas, no hay medicamentos pero va a haber payasos en los hospitales!!!! http://t.co/3suLgre51I
— Pablo (@AlberdianoArg) May 19, 2015
Ha! Ny fanafody tsy misy, ny bandy tsy misy, tsy misy fanafody fa kosa hisy katsikana any amin'ireo hopitaly!!!
Odio los payasos y odio los hospitales, que bueno que los juntaron en una ley #Not
— n.a.t. (@natmotorizada) May 17, 2015
Hàlako ireo katsikana ary hàlako ny hopitaly, ahoana no ahafahan'ny lalàna mampiaraka tsara an'ireo #Tsia