- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fahitan'ny Mpamily Iray Ao Shina Ny Uber

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Mediam-bahoaka, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna
Photo by Flickr user 2 dogs. CC BY-NC-ND 2.0 [1]

Sary an'i “2 dogs” tao amin'ny Flickr . CC BY-NC-ND 2.0

Ity ambany ity ny dikan'ny  “Uber ao Shina: Fijerin'ny Mpamily Iray [2]” nosoratan'i Lyn Jeffery, nivoaka voalohany tao amin'ny bilaogy 88 Bar [3] ary naverina navoaka etoana niaraka amin'ny fanomezan-dàlana avy aminy. 

Hitan'ireo tanàna lehibe ao Shina ny fifaninanana mahery vaika eo amin'ny samy mpamily mba ho tafiditra amin'ilay sehatra fiantsoana fiara mpitatitra toy ny Uber ary Didi Kuadi [4] ho an'ilay niforona toy izany tao Shina. Herinandro vitsivitsy no niainako tao Shina, nampiasako ny “Uber-mbahoaka”, ilay Orinasa Amerikana mampiasa ilay tolotra fizaràna anjara fihodinana, izay ara-teknika dia tsy natao hitady tombony ara-bola, mampiasa fiaran'olon-tsotra, ary nitafatafàko taminà mpamily Uber 10-12 tao Beijing sy Shenzhen. Na tsy ara-dalàna aza ireny tolotra ireny amin'izao fotoana izao [5], dia mora ny mahita Uber iray ao anatin'ny minitra vitsy ao amin'ireo tanàna roa ireo. Ary dia mahazendana fa miasa tsara ao Shina ny dika amin'ilay fampiasa Amerikana.

Ireto ny zavatra fantatro avy amin'ny resaka nifanaovako tamin'ireo mpamily Uber sy ireo mpamily fiarakaretsaka ara-dalàna. Tsy voatery hitombina, nefa izay no fomba fijerin'ny mpamily ny fiasan'ilay orinasa ao Beijing sy Shenzhen.

Tahaka ny maka ny toetsaina mihainohaino miandry zavatra izanymomba izay ho fandrindràna ireo mpamily ary miezaka ny manangona volabe araka izay tratrany. Mandritra izany fotoana izany, ampidinin'ny Uber ny fanampim-bola fanomeny satria efa maro ireo mpamily azony. Amin'ny filaza hafa dia mitombo ny risika nefa ny tamby mitontongana….hatreto.