- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nofy Tsy Ho Tanteraka Ny Hahitàna Efitrano Ho An'ny Tena Samirery Ao Hong Kong

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Tanora, Toekarena sy Fandraharahàna
Hong Kong Skyline by Flickr Jens Schott Knudsen. CC: NC-AT

Ny faravodilanitr'i Hong Kong avy amin'ny Flickr Jens Schott Knudsen. CC: NC-AT

Ny trano fonenana ao Hong Kong no faran'izay lafo indrindra sy tsy mora idirana eto an-tany, araka ny Fanadihadiana farany Nataon'ny “Annual Demographia International Housing Affordability Survey” – [1]fanadihadiana atao isan-taona erantany momba ny fahafahana mahazo trano fonenana . Miaraka amin'ny saran'ny trano fonenana efa ho im-17 avo heny amin'ny vola miditra isan-taona, very fanantenana ny amin'ny hahafahany mahazo efitrano ho azy ireo [2] ny tanora eo anelanelan'ny 19 sy 29 taona.

Araka ny fanambaràn'ny governemanta, ny salan-karama amin'izao fotoana izao isam-bolana dia manodidina ny HK $15,000 [3] (eo amin'ny US $1,950), raha ny salan'ny vola miditra isan-tokantrano tamin'ny 2014 dia HK $23,500 [4] (eo amin'ny US $3,000). Na dia toa mahavelom-bolo aza ireo tarehimarika ao amin'ity tanàna iray manana ny zavatra ilaina amin'ny fiainana andavanandro amin'ny vidiny mora ity, dia ny resaka trano fonenana no tena mihinana ny vola miditra amin'ireo mponina ao Hong Kong.

Tany iray mirefy 37 metatra toradroa (400-square-foot) ao Tai Po, distrika iray mihataka ny renivohitra any amin'ireo Faritany Vaovao, dia tonga hatrany amin'ny HK $4.68 tapitrisa [5], in-200 avo heny amin'ny salan'ny vola miditra isan-tokantrano. Amin'ny teny hafa, ny fianakaviana salantsalany iray dia mety handany ny vola niditra tamin'ny nandritry ny 16 taona sy tapany hividianana iray amin'ireo tany mora indrindra ao an-tanàna.

Na ohatra aza ny olona iray ka avy nahazo ny laharana voalohany tamin'ny loka fanome amin'ilay lalao fisarihana lehibe indrindra ao an-tanàna, ny Mark Six [6], mety tsy hahavita akory hividianana efitrano sahaza ilay vola azo tamin'ny loka raha toa izy ratsy vintana mila mifampizara ny lokany amin'olona hafa. Eo amin'ny HK $8 tapitrisa eo ilay loka voalohany, saingy raha toa ianao tsy maintsy hifampizara amin'olona hafa, ny antsasany ihany no anjaranao .

QC, mpanao gazety mpanoratra fandalinana ao amin'ny sehatra median'olontsotra  inmediahk.net, nizara ny fahatsapana ho very fanantenana [7] momba ny fidangan'ny vidim-pananana :

對,香港已進入了中六合彩也未必可以買樓的年代。儘管你那麼幸運,以一億三千九百萬分之一的機會中了六合彩,如果沒有累積多寶獎金而幸運兒不只是你一個的話,彩金也未必足夠可以買樓。[…] 過去數十年,香港人都認為中六合彩可以改變生活,給大家一個渺茫的希望。現在連這個希望也未必存在。

Miditra amin'ny vanim-potoana iray i Hong Kong, izay tsy midika intsony fa ho afaka hividy fananana ianao raha nahazo ny Mark Six. Na somary tsara vintana aza ianao ka tafavoaka ho mpandresy avy ao anatin'ireo 139 tapitrisa, raha tsy natao ho anao irery ilay volabe, mety tsy ho ampy hividianana efitrano iray akory ilay vola azo. […] Tao anatin'ny folo taona vitsy lasa, efa nahazatra ireo mponina ao Hong Kong ny nino fa afaka hanova ny fiainan-dry zareo ny fahazoana ny loka Mark Six, na dia ambivitra kely aza ny fanantenana. Saingy tsy misy intsony ny fanantenana tahaka io amin'izao fotoana izao.

Tse Kwun Tung, mpanao gazety iray hafa avy ao amin'ny inmediahk.net, nanao lisitra ireo fepetra telo ilain [8]‘ireo tanora mba hahazoana efitrano ho azy manokana :

如果你想買樓,你必須過三關:首先,你能月儲3000元;第二,你能找到伴侶;第三,樓價大跌。如果你一關都過不了,還是別再造買樓的春秋大夢了!如果你已過了兩關,那便可望天打掛,苦候樓市盤崩的一天吧。

Raha te-hividy trano iray ho anao ianao, dia fanamby telo no tsy maintsy atrehanao : Voalohany, ilainao ny manangona HK $3,000 isam-bolana; faharoa, ilainao ny manana namana [hiaraka mizaka ny vesatry ny antoka aloa isam-bolana]; fahatelo, tsy maintsy misy fidinana goavana amin'ny vidin-trano. Raha tsy vitanao ny manatanteraka ireo fanamby roa voalohany, aza manonofy ny hividy trano. Raha vitanao ny nandingana ireo fanamby roa voalohany, afaka miandrandra ilay andro hitontonganan'ny vidin-trano ianao.

Saingy ny hafa mino fa mbola misy maro lavitra fa tsy telo monja ny fanamby  :

總有好多關:不失業,不離婚,不生仔,不生病,樓價不升…..

Mbola misy marobe ny fanamby: tsy very asa, tsy nisara-bady, tsy niteraka, tsy marary, tsy misy fisondrotam-bidin'ny trano…

Fanehoankevitra iray no tsy manaiky ny hevitra momba ilay fitadiavana olona hifampizaràna ny antoka aloa isam-bolana:

找到伴侶重要儲錢結婚,結咗婚要比三份家用,可以點儲錢,儲幾多呢

Raha mahita olona iarahana ianao, dia mila manangona vola koa ho an'ny fampakarambady; aorian'ny fampakarambady, mila manohana fianakaviana telo ianao. Afaka ny hanangona vola amin'izany ve ianao? Raha eny, ohatrinona no ho vitanao angonina?

Tsy ifampizarana amin'ireo sehatry ny fandraharahan'ny mpanankarena ny olan'ny tsy fananana trano ho an'ny tena. Rehefa nanome torohevitra i Lau Ming-Wai, zanakalahin'ny mpanakarem-be iray ao an-toerana, hoe raha toa ny tanora amin'ny taonany mandany volakely amin'ny resaka sarimihetsika sy fivahinianana any Japana [9], mety ho afaka hividy efitrano iray ihany ry zareo, tsy sarotra ny mahazo an-tsaina ny antony nanarian’ [10]ireo mpisera ety anaty aterineto ny toroheviny. Avy ao amin'ny ampahany natao hanehoana hevitra ao amin'ny tatitry ny Passion Times :

我一世人只去過一次旅行,係十年前去泰國,我父母從不旅行,不是人人都會大洗去日本,唔係人人都唔努力唔儲錢。其實都仲有好多人好似我咁,但係未能買樓

Teo amin'ny androm-piainako manontolo dia indray mandeha ihany aho no nivahiny tany ivelany, izay tao Thailand, efa ho folo taona mahery lasa izay. Tsy mba handeha hivahiny any ivelany mihitsy ny ray aman-dreniko. Misy ireo olona mitovy amiko no tsy mandeha any Japana ary tena miasa mafy sy manangona vola, saingy tsy mbola vitanay foana ny mividy tany na trano.

日本,計每年2次每次1皮,唔去一年慳2萬
睇戲,計每週2次每次100,唔睇一年慳1萬零4百
300萬既樓,儲98年多d就買到了,佢既建議真係好洗得

Ny filazana fa mahavita mivahiny any Japana indroa isan-taona, midika fa manana tahiry H $20,000 amboniny isan-taona ny tsy fandehanana any Japana; ny filazàna fa mijery sarimihetsika roa isankerinandro ny olona iray ka andoavany HK $100 ny iray amin'izany, ahavitana manangona HK $10,400 fanampiny isan-taona ny tsy fijerena izany mihitsy. Raha toa ny tany na trano ka mitentina HK $3,000,000, dia mila fotsiny ianao manangona vola mandritry ny 98 taona. Torohevitra azo ampiharina tsara kosa an!

Mety ho nofinofy tsy azo tanterahana ny fanantenana ny hisian'ny fitontonganan'ny vidin-trano araka ny torohevitr'i Lau, hoy ireo manampahaizana manokana. Tsy hoe natao ho an'ireo tinady eo an-toerana ihany ny tsenan'ny fananan-tany sy trano ao an-tanàna fa koa ho an'ireo shinoa marobe mpanankarena mpampiasa vola avy any amin'ny tanibe. Ny tolotra momba ny tany [11] amin'ny hoavy dia hiatrika fanamby noho ny fitobohan'ny ara-politika, hatramin'ireo olana momba ny tontolo iainana sy ny fitahirizana azy.

Loharanom-pahasorenana sosialy ao Hong Kong ny fidangànan'ny vidin-trano. Fony nihazakazaka nanao ny fampielezankeviny hofidiana i Leung Chun-ying, Filoha Mpanatanteraka, dia nivoady ny hitazonaireny sàrany ireny ho ambany, saingy mitohy manaka-danitra izy ireny tato anatin'ny roa taona farany teo. Satria mbola ireo mpanakarem-be no mifehy ny politikan'i Hong Kong, toa tsy ho ato anaty fotoana fohy mihitsy no ho teraka ny politika hifanohitra amin'ny tombontsoan-dry zareo.