Tantara tamin'ny 10 Jolay 2015
Hanihany, Loko sy Photoshop Hanovan'ny Hongroà Ireo Hafatra an-Takelaby Tsy Tia Fifindramonina Ataon'ny Governemanta
Nanangana afisy goavana manerana ny firenena feno fankahalana vahiny ny Fidesz mitantana ny governemanta. Mamaly ireny hafatra tsy tia fifindramonina ireny ao anatin'ny fihaikana mahay mamorona ny Hongroà.
Jirihan'ny ISIS Ilay Tranonkala Siriana Fanarahana Maso Ny Zon'Olombelona Ary Rahonany Ny Talen'izy io
Voalaza fa rahonan'ny miaramilan'ny aterineton'ny ISIS ilay Siriana, Rami Abdelrahman, talen'ny Fanarahana maso ny zon'olombelona, noho ny andraikitra notànany tamin'ny fandraketana ireo fanitsakitsahana zon'olombelona nataon'ny mpisehatra rehetra tamin'ny ady misy ankehitriny ao Syria.
Maty Tamin'ny Faha-75 Taonany ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Saodiana Teo Aloha
Manomboka amin'ny filazalazana azy ho olompanjakana hendry ka lasa mpanavakavaka sy mpankahala vahiny, naneho hevitra tamin'ny fahafatesan'ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Saodiana teo aloha Saud Al-Faisal omaly 9 jolay ny mpiserasera
VAOVAO MAFANA: Mpanao Gazety Ethiopiana Dimy Navotsotra, Saingy Mbola Am-ponja ny Ambiny
Ao anatin'ny firotsahan'ny hafaliana sy ny tsi-finoana tamin'ny fanafahana ireo bilaogera, NIfandrisika ny mpanohana hitazona ny "tantrummin" hafatra mandrapahatongan'ny tsy fisian'ny mpanao gazety migadra intsony ao Ethiopia.
Nofy Tsy Ho Tanteraka Ny Hahitàna Efitrano Ho An'ny Tena Samirery Ao Hong Kong
Na ohatra aza ianao nahazo ny loka fanome amin'ilay lalao fisarihana lehibe indrindra ao an-tanàna, mety tsy hahavita hividianana efitrano akory ilay vola anjaranao.
Ny Fahitan'ny Mpamily Iray Ao Shina Ny Uber
Na eo aza ny fampanginana atao amin'ireo fampiasa ho fitadiavana fiara fitaterana, marobe no mbola mahita fa mendrika ny handraisana risika ny ny Uber. Ho an'ireo mpamily, avo ny karama. Ho an'ny mpandeha, mora ny sarandàlana miohatra amin'ireo tolotra shinoa mitovy aminy.