Torolàlana Momba Ny Selfie: Te-Hamonjy Ny Ainao Ny Polisy Rosiana

Image by Philippe Put on Flickr. CC BY 2.0.

Sary an'i Philippe Put ao amin'ny Flickr. CC BY 2.0.

Ao anatin'ny fanentanana iray ho fanairana ny saina amin'ny zavatra mety hanjo amin'ny fakàna ‘selfie’ (sary alain'ny tena ihany), napetraky ny Ministeran'ny Atitany Rosiana ho ao amin'ny tranonkalan'ilay ministera ny tranonkala bitika atao hoe “Safe Selfie” (Selfie ieren-doza).

Azavain'ilay tranonkala bitika ny rafi-kevitra ao ambadik'ilay fanentanana, amin'ny fanamafisany ny olana ateraky ny fitomboan'ny isan'ireo Rosiana maratra na maty noho ny ataony ihany eo ampanandramana maka sary ny tenany. “Manana lanja kokoa ny fahasalamanao sy ny ainao miohatra amin'ireo ‘Tiako’ marobe ao anatin'ireo tambajotra sosialy,” hoy ny filazan'ilay tranonkala.

“Rehefa manandrana maka sary ny tenany ny olona, mizarazara ny fifantohan-tsainy, mivenaizy, tsy mijery izay manodidina azy ary tsy mahatsapa akory ny loza mitatao,” hoy ny fampitandreman'ilay tranonkala bitika, amin'ny fandrisihana ireo mpankafy manao selfiemba ho tonga saina amin'ny tontolo manodidina azy.

Niteraka fientanam-po taoamin'ny RuNet ilay tranonkala bitika noho ny sary iray misy torohay noforonina ho an'ilay fanentanana, manipika ireo zavatra heveriny ho tena mampidi-doza kokoa amin'ny fakàna selfie. Ny sasany amin'ireo mpampiasa dia nampitaha ilay sary miaty torohay  amin'ny “Dumb Ways to Die” Fomba Dondrona Hahafatesana (fanentanana Aostraliana iray ho an'ny tolotra natao ho an'ny daholobe ho fampiroboroboana ny fifamoivoizana an-dalamby hieren-doza). Jereo eto ambany ilay sary nasiana soratra ho torohay.

Infographic from mvd.ru/safety_selfie. Translations by Tetyana Lokot.

Sary misy torohay avy amin'ny mvd.ru/safety_selfie. Nadikan'i Tetyana Lokot.

Antenain'ny Ministeran'ny Atitany ny hahazo tombony amin'ny fahaiza-mamorona miraradraraky ‘ny RuNet ary mitady fifarimbonana izy hanaovana dika hafa amin'ireo sary misy torohay “selfie ieren-doza”, amin'ny fandrisihana ireo mpampiasa azy mba handefa ny fomba fijerin'izy ireo manokana ho an'ilay fanentanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.