- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fizotran'ny Tantara: Mpikatroka 14 Voatazona ao Thailandy Noho ny Fanoherana ny Fitondra-Miaramila

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Sivana, Zon'olombelona
Timeline of the struggle for democracy of the 14 activists. [1]

Fizotran'ny tolona ho amin'ny demaokrasia nataon'ireo mpikatroka 14. Nataon'ny Prachatai.

Ity lahatsoratra ity dia avy amin'ny Prachatai [1], tranonkalam-baovao iray mahaleotena ao Thailandy, ary navoaka indray tato ami'ny Global Voices noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty. Niteraka fahatafintohinana tao amin'ny firenena ny fisamborana sy ny fitazonana ireo mpikatroka 14 mpanohitra ny fitondra-miaramila ao Thailandy. Nahatonga ireo mpampianatra sekoly ambony hiantso amin'ny famotsorana tsy misy hatak'andro ireo mpikatroka ihany koa izany.

Na dia teo aza ny herijika mety hampigadra fito taona avy ami'ny fitsarana miaramila sy ny fanohintohinana avy ami'ny fitondram-piaramila Thailandey, dia mbola nahasahy nijoro tsy laitra nohozongozonina hitaky ny demaokrasia amin'ny fanoherana ny fitondra-miaramila [2] ireo mpikatroka 14, izay mpianatry ny oniversite, avy ao amin'ny Neo Democracy Movement (NDM) ny ankamaroany.

Ireto avy izy ireo :

1. Rangsiman Rome
2. Wason Setthasit
3. Songtham Kaewpanpruk
4. Phayu Boonsopon
5. Apiwat Soontararak
6. Rattapon Supsopon
7. Supachai Phuklongploy
8. Abhisit Suebnapa
9. Panupong Sritananuwat
10. Suwicha Pitangkorn
11. Pakorn Areekul
12. Jatupat Boonpattararaksa
13. Pornchai Yuanyee
14. Conticha Jangreaw

22 May 2015

Nivory tamin'ny toerana roa tao Thailandy (Bangkok sy Khon Kaen) ny mpianatra hanatontosa fihetsiketsehana milamina ho fanatsiarovana ny tsingerintaona voalohany ny fanonganam-panjakana raha nifehy an'i Thailandy ny Vaomieram-Pirenena ho amin'ny Fandriampahalemana sy ny Fitsipipifehezana (NCPO) tamin'ny 22 May 2014.

Tao Bangkok dia niatrika ny famoretan'ny polisy (manao fanamiana miaramila sy manao fanamiana sivily) ireo mpikatroka mpanohitra ny fanonganam-panjakana sy ny mpianatra teo anoloan'ny Foiben'ny Kolontsaina sy ny Zavakanto tao Bangkok (BACC), izay niteraka farafahakeliny olona telo naratra sy nampidirina hopitaly. Nitazona mpikatroka 37 ny polisy taorian'ny fifandonana. Nihoatra ny 100 ny olona nivory teo anoloan'ny komisarian'ny polisy tao Pathumwan tamin'izany ho fanohanana ara-maoraly ireo notazonina. mpikatroka manohitra ny fanonganam-panjakana valo no nampanatsoina hihaino ny fiampangana, saingy iray ihany no nankany amin'ny polisy [3] ary navotsotra rehefa nandoa onitra fanafahana vonjimaika.

Mandritra izany fotoana izany, tao Khon Kaen, mpikatroka mpianatra fito tarihan'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy ny tontolo iainana Dao Din no nanatontosa lanonana ho fahatsiarovana ny tsingerintaonan'ny fanonganam-panjakana. Notazonin'ny polisy noho ny hetsika milamina nataon'izy ireo teo amin'ny Tsangambaton'ny demaokrasia tao Khon Kaen ihany koa izy ireo. Navotsotra ireo mpianatra ireo ny ampitso rehefa nandoa ny onitra fanafahana vonjimaika.

19 Jona 2015

Mpianatra tao Dao Din telo no nosamborina [4] sy notazonina noho ny fanoritsoritana hosodoko miaty hafatra manohitra ny fanonganam-panjakana.

24 Jona 2015

Niseho taoSamyan Distrikan'i Bangkok, akaikin'ny komisarian'ny polisy ao Pathumwan ireo mpianatra mpikatroka, hitondra taratasy fitoriana ireo polisy tamin'ny fampiasan-kery tsy nilaina nataony hamoretana ny fahatsiarovana milamina ny tsingerintaona voalohany ny fanonganam-panjakana nataon'izy ireo teo anoloan'ny BACC.

Nanatevin-daharana azy ireo ny mpianatra tao Dao Din ho fanehoana fanohanana ara-maoraly. Niaraka namaky ny ateny ieranan'ny Neo Democracy Movement izy ireo ary niantso ny olona hanatevin-daharana ny hetsika.

Tsy nanaiky ny fiampangan'ny mpikatroka ny polisy.

Rehefa niparitaka ny olona ny alina dia nisy vehivavy mpikatroka iray nosamborina raha teny an-dalana hody, saingy navotsotra rehefa niresaka tamin'ny lehibeny ilay polisy.

25 Jona 2015

Nihodidina an'i Suan Nguen Mee Ma ny polisy sy ireo polisy miafina, nandritra ny fotoana namakian'ny mpikatroka ny fanambarana maneho fijoroana manoloana ny didy sy ny fanonganam-panjakana ara-miaramila. Nilaza ry zareo fa tsy hanohitra raha samborina. Niantso ho amin'ny hanaovana hetsika eo anoloan'ny Tsangambaton'ny Demaokrasia ao Bangkok amin'ny dimy hariva ihany koa ry zareo.

26 Jona 2015

Namoaka didy fampisamborana ireo mpikatroka avy ao amin'ny Neo Democracy Movement 14 ny fitsarana miaramila. Voampanga ho nanohintohina ny filaminana ara-tsosialy sy miteraka fifandonana ara-tsosialy manohitra ny Didin'ny NCPO laharana 3/2015 sy manitsakitsaka ny Didin'ny NCPO laharana 7/2014, izay mandrara ny fivoriana politika amin'olona mihoatra ny dimy izy ireo. Ireo mpikatroka 14 dia ireo efa voatazona tamin'ny 22 May 2015 ihany.

Tamin'ny 17:15, voasambotra ireo mpikatroka 14 (fa hoe niteraka korontana teo amin'ny fiarahamonina, nanintsakitsaka ny Lalàna ady heloka bevava andininy faha-116 sy faha-83) ary nentina tao amin'ny komisariàn'ny polisy tao Phra Ratchawang. Notazonina tao amin'ny Fonjan'i Remand ao Bangkok ry zareo.

The “Post Its for Freedom” activity on July 3, 2015 gathered hundreds of Thais who expressed their support to the 14 detained activists. [5]

Hetsika “Post Its ho amin'ny fahafahana” tamin'ny 3 jolay 2015 nahavory Thailandey anjatony izay naneho ny fanohanany ireo mpikatroka 14.