- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nofosafosain'ny Vahoaka Toniziana Ny Governemanta Nohon'ny Tsy Fahombiazan'Ny Fandriampahalemany Taorian'Ny Fanafihana Toeram-Pitsangatsanganana Iray

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika
Flowers laid in memory of victims at scene of Friday's horrific attack. Photo shared by Farah Samti on twitter. [1]

Fehezam-boninkazo napetraka teo amin'ny toerana nisian'ny fanafihana nampivarahontsana tamin'ny Zoma (26 Jona), ho fahatsiarovana an'ireo niharam-boina. Sary nozarain'i Farah Samti tao amin'ny Twitter.

Nanakiana ny tsy fahombiazan'ny fandriam-pahaleman'ny governemanta ny vahoaka Toniziana taorian'ny fanafihana nampivarahontsana teo amin'ny toeram-pandraisam-bahiny teo amoron-dranomasin'i Sousse, 140 kilometatra any atsimon'i Tunis renivohitra.

Tamin'ny faha 26 Jona, nisy lehilahy 23 taona nitam-basy izay fantatra taty aoriana kely amin'ny anarana hoe Seifeddine Rezgui, nanomboka nitifitra vahiny mpizahatany izay nitanin'andro teo amoron-dranomasina, talohan'ny  nanenjehany azy ireo tany anaty dobo  filomanosana ka hatrany an-dalantsaran'ilay trano fandraisam-bahiny manan-kaja Marhaba, izay nahafatesana olona niisa 39 sy naharatràna olona hafa niisa 38 ihany koa. Ny ampitson'io andro io, nilaza ho tompon'andraikitra tamin'io fanafihana io [2] ireo kaonty taminà media sôsialy mpiara-dia amin'ny ISIS  [2]

Io Zoma nisian'ny fanafihana io dia  efatra volana latsaka taorian'ny fanafihana ny Mozean'i Bardo [3] tao an-drenivohitra, fanafihana izay nataonà lehilahy hafa anankiroa nitondra basy Kalashnikovs, nahafatesana vahiny mpizahatany niisa 23 sy polisy iray.

Tao amin'ny haino aman-jery sosialy, nomen'ny vahoaka Toniziana tsiny ny tsy fahaiza-miasan'ny manampahefana sy ny governemanta teo amin'ny ireo loza mitatao amin'ny fandriampahalemana izay ataon'ireo vondrona na singan'olona mahery setra.

Hoy ny bitsik'i Asma Ghrbi, Toniziana mpanao gazety, tamin'io andron'ny fanafihana io:

Ny lesona  tokony ho raisin'ny #TNgov [4] (governemant Toniziana) avy amin'i #Bardo [5] dia ny hoe lasibatra ireo faritra tsidihan'ny mpizaha tany nefa tsy nataony izany. Vokatr'izany ny #FanafihanaTaoSousse [6] androany ary mety mbola hisy maro hafa

Tsy mba nanana paikady nazava tsara mihitsy ny #TNGOV [8] nampitsaharana ny hetsi-panoheran'ireo mpihoko mafana fo ireo. Ny hany zava-bitan'izy ireo dia ny fangalàna fepetra tsy nahitana vokany akory. Eny fa na dia ny Nida Tounes 1/2

— أسمى غريبي (@AsmaGhribi) June 26, 2015 [9]

izay nanao fanentanana tao amina sehatra iray manohitra ny asa fampihorohoroana aza fa tsy nahomby. Afaka milaza ny tsirairay fa mbola ratsy lavitra noho ny vitan'ilay governemanta teo aloha, taorian'ny fitroarana aza 2/2

— أسمى غريبي (@AsmaGhribi) June 26, 2015 [11]

Nibitsika i Papillon nanao hoe:

 fanafihana roa tao anatin'ny efatra volana taminà toerana roa izay noheverina fa tena tsara ambina indrindra. Manodidina ny 60 no namoy ny ainy. Fametraham-pialàna = 0. Tsy nisy akory ny fandinihan-tena nataon'ny governemanta.

Mbola zava-doza noho izany aza. Mikombona tsy miteny ny fanjaknàna, miampanga ireo mpanohitra madinika ary te-hampiditra ny vahoaka amin'ny ady amin'ny fampihorohoroana.

Tsy nisy lesona voaray mihitsy taorian'i Bardo. Tsy nisy zavatra niova na kely aza. Izay mahatonga indrindra ny fanafihana tao Sousse ho porofo mivaingana.

Ho an'i Kais, dia tsy tsara fiofanana hiady amin'ny fampihorohoroana ireo mpitandro filaminana, tamin'ny fanampiana hoe andraikitr'izy ireo foana hatrizay ny manara-maso ny vahoaka.

Tena tsy mbola vonona amin'izany mihitsy isika. Ny mpitandro filaminana eto amintsika dia tsy nofanina hiaro ny mponina ao aminy sy ny mpizahatany na koa hiady amin'ny fampihorohoroana.

Ny mpitandro filaminana eto amintsika dia nofanina hatrany hifehy vahoaka tsy mitam-piadiana sy hijery azy ireo fotsiny fa tsy mba miaro azy ireo. zava_baovao amin'izy ireo ny asa fampihorohoroana

Mitovy amin'izany ny fanehonkevitra nataon'i Wafa Ben Hassine:

Ny Governemanta toy ny ahy manokana no manampahaizana amin'ny fanafoanana ny fahalalahana, amin'ny anaran'ny asa fampihorohoroana,  fa ny ratsy indrindra amin'ny fiarovana antsika amin'izany raha ny marina. #Tonizia [17]

Ary ahoana moa no fomba nahafahan'ireo mpitam-basy ireo nitondra fitaovam-piadiana any amin'ny firenena izay voatondro ho manana ny taha ambany indrindra maneran-tany eo amin'ny fanànana basy [19]?

Olona manontany tena hoe ahoana no nahatongavan'ireo mpampihorohoro teo amin'ny morontsiraka no hitako. Morontsiraka anie io e. Ara-pamaritana dia toerana misokatra.

Lehilahy manana tsangan-kevitra ary mitondra fitaovam-piadiana, ka rehefa te-hamono olona izy, dia tanterahany izany, eny na dia misy mpitandro filaminana iray aza aorian'ny olona tsirairay avy

 Ireto sehatra ireto no mila fantarina raha tiana hahomby ny zavatra rehetra kasaina ho atao: Nahoana izy no manana tsangan-kevitra toy izany? Ahoana no fomba nahazoany fitaovam-piadiana?

Tsy norahirahian'ny mpampiasa aterineto ihany koa ny fanambaràna nataon'ny manam-pahefana sy ny fandàvan'izy ireo. Ora maromaro taorian'io fanafihana tamin'io andro zoma io, dia nanao antso avo [23] ho amin'ny firaisankina ny Filoha Beji Caid Essebsi  ary nanameloka ireo mpanakiana ny governemanta ho “mamely ny Fanjakàna Toniziana, sy ny fandriampahalemany.”

Toa “Rediredy” fotsiny ny fanambaràna nataon'i Essebsi raha ny fijerin'i Monia Ben Hamadi, tonian-dahatsoratry ny Huffpost ao Tonizia.

Toa rediredy fotsiny ihany ny fanambarana voalohany nataon'i BCE taorian'ilay fanafihana ary azo lazaina fa tena mampihoronkoditra mihitsy aza raha tarafina avy amin'ireo fijoroana ho vavolombelona

Tetsy andaniny, nanambara [26] fepetra maromaro horaisina ny Praiminisitra Habib Essid taorian'ny takaitra navelan'ny fanafihan'i Sousse, ao anatin'izany ny fanaparitahana  miaramila fiandry ho eny amin'ireo toerana fitsangantsanganana sy arkeolojika, sy ny fanakatonana ireo maoske izay tsy eo ambany fahefan'ny governemanta.

Kanefa, toa tsy ny reheta no resy lahatra ny amin'ny ho fahombiazan'ireny fepetra rehetra noraisina ireny.

Tokony efa noraisina tamin'ny telo taona lasa ireo fepetra rehetra nolazain'i Essid ankehitriny ireo. Tsy mino ny fahombiazan'izany intsony aho ankehitriny

 

Ho an'ny vaovao farany sy fanehoankevitra bebe kokoa, jereo ny vohikala misy ny tahirin-dahatsoratra rehetran'ny vondrona Global Voices: Tonizia: Fanafihana teny amin'ny toeram-pitsangatsanganana akaikin'ny trano fandraisam-bahiny iray tao Sousse [28]