- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanadihadiana “Mainty Loatra Raha Frantsay” Te-Hahitsy Toraka Amin'ny Resaka Volonkoditra Ao Frantsa

Sokajy: Afrika Mainty, Eoropa Andrefana, Cote d'Ivoire, Frantsa, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Toekarena sy Fandraharahàna, Zavakanto & Kolontsaina
Screen capture of the trailer of the documentary "Too black to be French" [1]

Pikantsarin'ny sombin-dahatsary fanadihadiana “Mainty Loatra Raha Frantsay”

Too Black To be French [1]” [Mainty Loatra Raha Frantsay] dia lahatsarim-panadihadiana notontosain'i Isabelle Boni-Claverie [2], Fantsay-Ivoariana mpanoratra sady mpanatontosa sarimihetsika. Ny tanjon'i Boni-Claverie dia ny hamboraka ireo hevitra tsy voatrandraka sy hanombo-dresaka amin'ny hantsana sy ny fifanavakavahana misy eo amin'ny fiaraha-monina frantsay. Hita ao amin'ity lahatsary fanadihadiana ity ny fanehoan-kevitra sy ny famakafakana avy amin'ireo olo-malaza mpisaina sy mpiteny frantsay toa an'i Eric Fassin, Pap Ndiaye, Achille Mbembe, Patrick Simon ary i Eric Chalaye, izay miara-dalana amin'ny fijoroana vavolombelona avy amin'ireo olona matroka volonkoditra tsy fantatra anarana.

Ny fandresen-dahatra maventy ao amin'ny lahatsarim-panadihadiana dia ny fihariharian'ny tsy fahampian'ireo vondron'olona avy amin'ny vitsy an'isa, ny tsy fahampian'ny fankatoavana ny fisian'ny tantaram-panjanahanatany teo amin'ny fananganana ny firenena ary ny fahabangan'ny antontanisan'ny fanavakavahana [3] any amin'ny toeram-piasana. Narehitry ny lahatsarim-panadihadiana ny diezy malaza ankehitriny ao amin'ny media sosialy mpiteny frantsay hoe #TuSaisQueTesNoirEnFranceQuand [4] (dikantsoratra: #Fantatrao fa mainty ianao ao Frantsa rehefa..).