- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitantara Momba Ny Herisetra Ara-Nofo Tsirairay Amin'ny Bilaogy Ireo Vehivavy Any Bangladesh

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
Students protests failure of police to prevent sexual harassment of a number of women during the Pahela Baishakh celebrations. Image by Mohammad Asad. Copyright Demotix (19/4/2015) [1]

Mpianatra manohitra ny tsy fahombiazan'ny mpitandro filaminana amin'ny fisakanana ny fanaovana sotasota ara-nofo ireo vehivavy maromaro nandritra ny fankalazana ny Pahela Baishakh. Sary avy amin'i Mohammad Asad. Fizakàmanana  Demotix (19/4/2015)

Vehivavy maro no novetavetaina sy nampijaliana [2] tao amin'ny Oniversiten'i Dhaka tamin'ny 14 Aprily nandritra ny fankalazana ny taombaovao Bengala. Naresaka sy nihanaka be nanerana an'i Bangladesh izany, saingy tsy mbola nisy nosamborin’ [3]ny mpitandro filaminana na iray aza ireo voarohirohy.

Tsy zava-baovao any Bangladesh ny herisetra ara-nofo atao amin'ny vehivavy. Araka ny filazan'ny Ain-O-Shalishi Kendra, fikambanana miaro ny zon'ny vehivavy, nandritra ny fe-potoana Janoary- Martsa 2015 dia vehivavy 40 no niharan'ny herisetra ara-nofo ary vehivavy roa hafa no namono tena. Nisy tranganà fanolanana 123 voarakitra, izay nitarika fahafatesana vehivavy 15.  [4] Zazavavy tsy ampy taona eo anelanelan'ny 7 sy 12 taona ny iraika amby roapolo tamin'ireo voaolana

Fa zava-baovao ho an'ny firenena ny tranga tahaka ity ( vondrona lehilahy 30 ka hatramin'ny 40 no nanafika sy nametaveta [5] vehivavy manodidina ny 20 tamin'ilay fankalazana). Taorian'ilay zava-niseho, nanatontosa Herinandro fitorahana Bilaogy sy niangavy fampidirana hafatra mifandraika amin'ilay fametavetana sy herisetra an-tokatrano ny vovonana bilaogy Bangla Sachalayatan [6]. Mpitoraka bilaogy maro no nandray anjara sy nizara ny zavatra nanjo azy.

Mety mihatra amin'ny ankizivavy sy ataon'ny olona avy ao anatin'ny fianakaviana ny herisetra ara-nofo atao amin'ny vehivavy. Nazavain'ny [7] mpitoraka bilaogy, Nandini Tilottoma, ny nanjo azy tamin'ny nataon'ny dadatoany :

এক মামা আসতো বাসায়। ৯/১০ বছর বয়সের সময় একদিন একটা ঘরে আমাকে চেপে ধরে আদর করতে যেয়ে ঠোঁটে চুমু খায়। আমি জোর করে ছাড়িয়ে চলে আসি। কিন্তু এরপর থেকে বাড়িতে এলেই সে সুযোগ খুঁজে নিয়ে অমনটা করার চেষ্টা করতো।

Namangy anay matetika ny dadatoanay. 9 na 10 taona aho tamin'izay, indray andro norohany aho ary nosafosafoiny. Noezahako nahifika izy. Taorian'izay dia nitady izay fotoana ahafahana manao tahaka izany izy rehefa tonga ao aminay. .

Mpanoratra iray nasaina [8] ihany koa no nitantara fa novetavetain'ny iray amin'ny fianakaviana :

আমার বয়স যখন চার বছর। আমি আমার তেইশ বছরের (আন্দাজ) কাজিনের যৌন লালসার শিকার হই। লোকটির যৌনাঙ্গ আমার শিশু যোনীতে প্রবেশ করেনি। কিন্তু স্পর্শ করেছে, একই সময়ে একের অধিকবার।

Tamin'izaho efa-taona, dia naolan'ny anadahiko (cousin) tokony ho 23 taona. Tsy tafiditra tao amin'ny làlan-janako tery ny filahiany. Saingy nahakasika azy im-betsaka.

Ankizivavy maro ihany koa no iharan'ny herisetra any amin'ny tontolon'ny sekoly. Tantarain'ny mpitoraka bilaogy, Ferrywalla, [9] ny momba ny iray amin'ireny :

সেদিন প্রাইভেট ক্লাসে স্যার এসে একগাদা হাবি-যাবি কথা বলতে বলতে এক ফাঁকে আমাকে বললো উনার কোলে উঠে বসতে। তাহলে নাকি উনার কথা বুঝতে সুবিধা হবে, মিন মিন করে আমি বললাম এখানেই ঠিক আছি। একটু পরে নানা কথার ফাঁকে আরও ২-৩ বার একই কথা বললো। আমি আর কোনো উত্তর দিলাম না।

Indray andro, nanazava tsiambaratelo maro tamiko ny mpampianatra ahy manokana ary nasainy nipetraka teo ambony lohaliny aho. Rehefa nolaviko izy, dia nisisika ka niteny fa mety hanampy ahy handre ny teniny rehetra izany. Naveriny in-droa na in-telo izany zavatra izany.  Tsy nohainoako.

Nanazava ny fomba nanaovana herisetra am-bava nanjo ny reniny tany amin'ny toeram-piasany i Afroz [10] :

ডিভোর্সি হবার কারণে কলিগ/ইন্সট্রাক্টর/ম্যানেজার অনেকেই বিভিন্নরকম বাজে ইঙ্গিত দিত। কেউ কেউ চাইতেন আম্মা তাদের সাথে ফোনে কথা বলুক কিংবা ঘুরতে যাক। এদের মধ্যে একজন একটা সাহায্যের বিনিময়ে আম্মাকে রীতিমতো পার্মানেন্ট মিস্ট্রেস হবার প্রস্তাব করেছিলেন। …

Araraotin'ireo mpiara-miasa aminy/ ny mpanazatra/ny mpitantana anaovana teny mandranitra ny reniko satria nisara-bady. Ny sasany amin'izy ireo aza moa maniry ny hiantsoany azy ireo na hampiaraka aminy aorian'ny firavana. Ny iray tamin'ireo aza dia niteny taminy fa hahazo tombotsoa izy amin'ny fiarahany aminy mandavan-taona.

Tantarain'i Dossi  [11] mpanoratra nasaina koa ny fomba miafina nangalan'ny namany azy ho anaty horonantsary :

স্বনামধন্য পারটেক্স ফার্নিচার লিমিটেড এ চাকরি নিলাম। সেখানকার এক কর্মচারী আমাকে লুকিয়ে আমার একটা ভিডিও করলো। সব শোরুমে সবার মোবাইল এ সেই ভিডিও। জানতে পারলাম, অভিযোগ করলাম। লোকটা ছিল সামান্য লেকার পলিশার। কিন্তু জন্মেছিল তো পুরুষ হয়ে! তাই আমার অভিযোগ টিকলো না।

Niasa tao amin'ilay orinasa malaza, Partex Furniture Limited, aho. Mpiasa iray tao amin'io orinasa io no naka sary ahy miafina. Avy eo hitako fa nanana io lahatsary io amin'ny findainy ny maro tao amin'ilay birao, na dia ny any amin'ny trano fampirantiana aza. Nitaraina aho, mpanosotra ‘vernis’ amin'ny hazo izy. Saingy nateraka ho lehilahy izy. Tsy noraisin-dry zareo tamim-pahamatorana ny fitarainako.

Nazavain'ilay mpitoraka bilaogy, Bunohas, [12] ny tsy fahazoan'ny mpiasa vehivavy manohy ny asany noho ny vesatra amin'ny maha-reny azy.

আমাদের দেশে নারীপুরুষ নির্বিশেষে সবার বিশ্ববিদ্যালয় জীবনের পাট চুকতে বয়স পঁচিশ হয়ে যায়। চাকরি খুঁজে ক্যারিয়ার গড়তে গড়তে ত্রিশ। এদিকে প্রকৃতিগত হিসেব কষে নারীকে ত্রিশের আগেই সন্তান ধারণ করতে বলা হয়। তাই বিয়ের হুড়ো লেগে যায় পাশ করতে না করতেই। এরপর আসে সন্তান নেওয়ার তাড়া। সন্তান একবার এসে গেলে তার প্রতিপালনের দায়ও নারীর ওপর বর্তায়। প্রকৃতি, পরিবার ও সমাজের চাহিদা মেটাতে গিয়ে হাতে গোনা কজন নারী হয়ত কাজের বাজারে ঠাঁই করে নিতে পারে। তুলনামূলকভাবে কম সুবিধা ও সৌভাগ্যের অধিকারী নারীরা পিছিয়ে পড়ে কিংবা ঝরে পড়ে।

Eo ho eo amin'ny 25 taona eo ho eo no hamitàn'ny olona iray ny fianarany ato amin'ny firenenay, na lahy na vavy. Miampy dimy taona amboniny mba hahazoana asa ary manomboka miasa. Fa noho ny antony ara-biolojia dia tolorana hevitra ny vehivavy hanan-janaka mialoha ny 30 taona. Noho izany dia amporisihina hanambady ry zareo rehefa vita ny fianarany. Aorian'ny fanambadiana dia misy ny fitondrana vohoka sy ireo teritery hafa. Aorian'ny fiterahana dia efa andrasana ihany koa amin'ny fikarakarana zaza ( tsy mpiandry zaza) ny vehivavy. Noho ny faneren'ny natiora, ny fianakaviana ary ny fiarahamonina dia vitsy foana amin'ny vehivavy miasa no afaka manohy ny asany. Mijanona na manaiky tsy sazoka ireo vehivavy miasa tsy mba manana tombontsoa na manam-bintana.

Niala tamin'ny fampianarana tamin'ny oniversite tsy miankina iray i Anika Alam [13] ka nanomboka nandraharaha. Nozarainy ny fanamby atrehan'ny mpandraharaha vehivavy any Bangladesh :

কাজ শুরু করার পর থেকে একটু একটু করে নানা রকমের অদ্ভুত বিপত্তির সম্মুখীন হতে থাকলাম। পরিবারের ভিতরেও প্রথমে কেমন একটা ভাগাভাগি তৈরি হয়ে গেল, যদিও আমার বাবাকে বাদ দিয়ে ভাই-বোন কিংবা মা এই ব্যাপারে সমর্থন দিয়ে এসেছে একদম গোড়া থেকেই। আপত্তি এসেছে মূলত extended family থেকে। আর যারা আপত্তি করছিলেন তাদের বেশিরভাগেরই আপত্তির বিষয়বস্তু ছিলো, ‘তুমি মেয়ে হয়ে ব্যবসা করবে?’

Rehefa nirotsaka tamin'ny fandraharahana aho dia nisedra olana maromaro tsy mahazatra. Mahavariana fa avy any amin'ny fianakaviako ny sasany. Nanohana ahy ny reniko sy ireo iray tampo amiko, afa-tsy ny raiko. Avy any amin'ireo lafim-pianakaviana  izay nametraka indrindra izao fanontaniana izao ny fanoherana : ” Hanomboka handraharaha amin'ny maha-vehivavy anao ve ianao ?”

Nisy lehilahy mpitoraka bilaogy ihany koa nandray anjara tamin'ity fanentanana ity. Nasongadin'ilay mpitoraka bialogy, Hasib, [14] ny fanavakavahana amin'ny maha-lahy sy maha-vavy aminà fampidirana mpiasa. Nohadihadiany ny angon-drakitra tao amin'ny “BDJobs”, ilay haban-tranonkala malaza mikasika ny asa any Bangladesh :

পুরুষদের জন্য চাকরিতে ২০% এর মতো পদ বরাদ্দ থাকে। নারীদের থাকে ৩-৪%। অর্থাৎ কার্যত পুরুষদের জন্য দেশে ২০% কোটা সংরক্ষিত ও নারীদের জন্য এটা ৩/৪%।

20% ny toerana no natao ho an'ny lehilahy ary 3 ka hatramin'ny 4% ihany no ho an'ny vehivavy