- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fa Iza Daholo Izany Mpankafy ny Gazetin'ny Antoko Komonista Shinoa 5,5 Tapitrisa ao Amin'ny Facebook Izany?

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Sivana
Facebook is banned in China, but Chinese media outlet, the People's Daily have 5.5 million fans there. Remixed image.

Voarara ao Shina ny Facebook, Saingy manana mpankasitraka 5,5 tapitrisa ao amin'ny sehatry ny media sosialy ilay Shinoa mpamoaka gazety Isan'Androm-Bahoaka. Sary namboarina.

Tsidiho ny Global Voices amin'ny teny malagasy mety ho hita amin'ny rohy etsy ambany raha any amin'ny sehatra hafa no ahitanao ity lahatsoratra ity.

“Ny Isan'Androm-Bahoaka no faharoa lehibe indrindra amin'ny gazety goavana manerantany mahazo ‘tiako’ ao amin'ny Facebook,” hoy ny fireharehan'i [1] Lu Xinning, lefitry ny lehiben'ny tonian-gazety mpitondra ny tenin'ny Antoko Komonista Shinoa Isan'Androm-Bahoaka, nandritra ny Forum Media Shina-Rosia farany teo.

Na dia tsy tafiditra ao Shina aza ny Facebook, miaraka amin'ireo sehatry ny media sosialy malaza ahitana ny Twitter, YouTube ary ny Flickr, dia manana “tiako” 5,5 tapitrisa [2] ao amin'ny Facebook, an-tapitrisany vitsy dia vitsy aorian'ny The New York Times [3] saingy efa mihoatra an'i Washington Post [4] amin'ny 2,2 tapitrisa. Notononin'i Lu Xinning ho porofon'ny fahombiazan'ny Isan'Androm-Bahoaka amin'ny fidirana ao amin'ny fampitam-baovao manara-penitra sy ny media vaovao ary ny fahatrarany ny zoro manerantany ny isan'ny “tiako” ao amin'ny Facebook.

Ny takelaky ny gazety, izay efa navitrika tao amin'ny Facebook hatramin'ny tapaky ny taona 2011, dia mampiroborobo amin'ny ankapobeny ireo tantara amin'ny teny anglisy ao aminy. Ireo tantara faraparany — amin'ny lohahevitra tahaka ny faharavana tsikelikelin'ny Mandaben'i Shina [5], ny maritrano vao mivoaka amin'ny trano vita amin'ny tavoahangin-dabiera [6], na ny tatitry ny governemanta [7] momba ny toerana “mampivarahontsana” misy ny zon'olombelona ao Etazonia — dia nahazo “tiako” an-jatony raha tsy an'arivony, sy betsaka nizara sy naneho hevitra ihany koa.

Tamin'ny Avrily 2013, mbola vao 1000 fotsiny ny tiako [8] azon'ny gazety, saingy talohan'ny Jolay 2014 izy no nankalaza [9] ny fahazoana tiako 1 tapitrisa. Hatramin'ny nanehoan'i Lu ny heviny, dia nahazo andian-kevitra miiba [10] avy amin'ny olona tsy resy lahatra amin'ny fahazoan'isa avo tahaka izao ny pejy.

Navela hisafosafo loha hamantatra ireo mpankasitraka an-tapitrisany ireo ny maro amin'ny Shinoa mpiserasera tsy afa-miditra Facebook. Manontany tena ry zareo raha toa ka raboto fotsiny na “zombies” (kaonty misy saingy efa ela tsy nikirakira azy intsony ny tompony), fahita mahazatra amin'ny sehatra sosialy Shinoa ireo mpankasitraka ireo.

Tao amin'ny sehatra fanoratana blaogy bitika shinoa i “Alexander ilay mpirenireny ikoizana” no niangavy ny [11] Isan'Androm-Bahoaka hanabe ny olona amin'ny fomba fidirana Facebook:

请《人民日报》告诉大家怎样才能关注你脸书,我们一定要把《纽约时报》这个敌对势力报纸比下去。

Azon'ny Isan'Androm-Bahoaka lazaina anay ve hoe ahoana ny fomba anarahana anareo ao amin'ny Facebook? Mila mandavo ny gazety fahavalontsika The New York Times izahay.

Mpanangon-javakanto Yong Jian nanandram-peo [12] fa tsy voavisavisany hoe tahaka ny ahoana izany Facebook izany:

现在才知道有个脸书,这是人民日报告诉我的,该报宣布,它在脸书的粉丝已有四百多万了。我是不知道这个脸书是本什么书,也不知道怎么看这本书,既然人日在那里拥有这么多粉丝,影响一定很大。

Amin'izao fotoana izao aho vao tsy maintsy mahafantatra fa misy izany zavatra antsoina hoe Facebook izany. Nilaza tamiko ny Isan'Androm-Bahoaka fa mihoatra ny 4 tapitrisa ny mpankasitraka azy ao. Tsy manankevitra mihitsy aho izao hoe boky tahaka ny ahoana izany Facebook izany ary tsy fantatro hoe ahoana ny fomba hamakiana izany boky izany. Fa raha manana mpanaraka betsaka tahaka izany ny Isan'Androm-Bahoaka, dia tokony hanana fiantraikany lehibe.

Maro amin'ny mpiserasera ihany koa no nanamarika fa tsy ahafaha-mitaratra ny fiantraikan'ny pejy Facebook ny isan'ny “likes”. Ny haavon'ireo mazoto mamaky ao ihany no mikaonty. Ry Reuuter moa dia nampitaha [13] ny haavon'ny fahazotoana misy eo amin'ny Isan'Androm-Bahoaka sy ilay mpilatro miboridana Japoney Sola Aoi ao amin'ny Weibo:

人民日报走向世界了,在脸书上的粉丝数量达全球第二!真是给国家长脸了!可是它在国内的影响力似乎还不如@苍井空。虽然人民日报有3614万粉丝,阿空的粉丝数量不到它的一半,只有1587万,但是,阿空每条微博的转发评论点赞数量都是人民日报的十倍以上。

Misandrahaka manerantany ny Isan'Androm-Bahoaka ka lasa faharoa lehibe indrindra eto ambonin'ny tany amin'ny isan'ny mpanaraka ao amin'ny Facebook. Mampamirana ny endriky ny firenena tokoa izany. Saingy tsy goavana noho i Sola Aoi ny fiantraikany. Raha manana mpankasitraka 36,14 tapitrisa ny Isan'Androm-Bahoaka dia 15,87 fotsiny kosa i Sola Aoi , fa ny isan'ny mpizara sy mpanao ‘tiako’ isaky ny hafatra apetrany kosa dia mampitombo im-polo noho ny an'ny Isan'Androm-Bahoaka.

Na dia maro aza no mikohakohaky ny ahiahy fa mety ho nividy tiako-Facebook tamin'ny sampana mpanao dokambarotra ao amin'ny media sosialy ny Isan'Androm-Bahoaka, nino [14] kosa i “Kintana an'Arivony” fa misy idiran'ny fitiavan-tanindrazana “tsy azo tsapain-tanana” amin'ireo Shinoa monina ampitan-dranomasina izany fironana izany:

其实在美国的中国人才是真爱国,他们爱的是抽象的祖国,是印象中的山水田园、乡音亲情。这种爱国其实是怀念。因为他们不知道田园荒芜,山河污染;他们体会不了官僚跋扈、体制丑恶、赋税沉重、生活艰辛。那些在人民日报脸书下点赞的海外华人,大抵如此。

Raha ny zavamisy dia tena tia tanindrazana tokoa ireo Shinoa monina ao Etazonia. Tia ny tanindrazany amin'ny fomba tsy azo tsapain-tanana ry zareo, ao anatin'ny fieritrertana manjavozavo amin'ny endritanin'ny firenena sy ny kolontsaim-bahoaka. Fitiavan-tanindrazana ao anatin'ny fanembonana. Tsy fantatry ry zareo fa efa nilaozana ny tanimbary, efa  feno loto ny renirano. Tsy manana ny traikefan'ny herin'ny fanjakam-birao ry zareo, amin'ny faharatsian'ny rafitra, amin'ny havesatry ny hetra ary amin'ny fahasarotam-piainana. Mety ho tahaka izany indrindra ireo Shinoa ampitan-dranomasina mpankafy ny Isan'Androm-Bahoaka ireo.