Tantara tamin'ny 30 Jona 2015
Olona an'Arivony Nidina an-Dalamben'i Roma Hanome Ako ny Antson'ny Papa Fransoà Hanaovana Hetsika amin'ny Toetr'Andro
"...Ny marina amin'ity raharaha ity dia mila miray hina amin'ny famahana ny olan'ny vanim-potoana iainantsika ny zanak'olombelona. Olana ho an'izay rehetra manana fahatsapana ara-maoraly ny fikorontanan'ny toetr'andro.”
Fa Iza Daholo Izany Mpankafy ny Gazetin'ny Antoko Komonista Shinoa 5,5 Tapitrisa ao Amin'ny Facebook Izany?
Manana mpankafy an-tapitrisany ao amin'ny Facebook ny gazety mpitondra tenin'ny Antoko Komonista Isan'Androm-Bahoaka, sehatra media sosialy izay tsy tafiditra any Shina. Manontany tena ny Shinoa mpiserasera hoe mba iza loatra ireo mpankasitraka ireo.
Brezila : Vokatry Ny Asa Ataon'ny Banky Iraisam-pirenena, Tsy Mahazo Rano Fisotro ireo Vondrom-piarahamonina Ao Sertão de Ceará (Ampahany 1)
Nafindra toerana tsy narahana fampiharana izay fepetra sy zo nofaritan'ny fitsipik'ilay fikambanana iraisam-pirenena akory ireo mponina voadona tamin'ny asa fanorenana ireo tohodrano novatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola. Fanadihadian'ny Agência Pública.