Farafahakeliny olona 28, izay saika vahiny mpizaha tany no maro, no maty tamin'ny nitifitifiran'ireo lehilahy mitondra basy izay hitany teo amin'ny tora-pasika tao amin'ny tanàna fialan-tsasatra ao Sousse, miorina 140 kilometatra atsimon'ny renivohitra Tunis.
Ministry of tourism : #Tunisia [2] #SousseAttack [3] 27 dead and 18 wounded are mostly from #germany [4] #Belgium [5] #UnitedKingdom [6] #russia [7]
— Zied Mhirsi (@zizoo) June 26, 2015 [8]
Minisiteran'ny fizahantany: Ny ankamaroan'ireo 27 maty sy 18 naratra tamin'ny fanafihana tao Sousse dia saiky avy any Alemaina, Belzika, Angletera ary Rosia
Matin'ny polisy ny iray amin'ireo olona nitondra fitaovam-piadiana, raha notaterin'ny fampitam-baovao ao an-toerana ny fisamborana ny olona hafa ahiahiana.
#BREAKING [9] #Sousse [10] #Tunisia [2] 2nd suspect in the terrorist attack has been arrested http://t.co/LJn2eKNn09 [11] pic.twitter.com/Ccc0hAbjKL [12]
— Tunisia Live (@Tunisia_Live) June 26, 2015 [13]
Voasambotra ny olona faharoa ahiahiana ho nanao ny fanafihan'ny mpampihoroho tao Sousse
Ity no fanafihana faharoa nikendry vahiny mpizaha tany tao anatin'ny efa-bolana, taorian'ny namonoan'ireo mpitolona mitam-piadiana mpizaha tany miisa 22 sy polisy iray nandritra ny fanafihana ny Mozea Bardo tao an-drenivohitra Tunis tamin'ny 18 Marsa.
Jereo ihany ny koa ny tatitra ao amin'ny Global Voices Checkdesk: Tunisia: Attack on Tourist Hotel in Resort of Sousse [14] [Tonizia: Fanafihana Trano Fandraisam-Bahiny Mihaja ao Sousse]
Mbola tsy misy hatreto ny nitono-tena ho tompon'andraikitra tamin'ny fahafihana. Saingy hatramin'ny 2012, Okba Ibn Nafaa Brigade, vondrona mitam-piadiana mifandrohy amin'ny Al-Qaeda ao Maghreb Islamika (AQIM) no nanao fanafihana maro mahafaty olona amin'ny polisy sy ny tafika. Nanambara [15] tena ho tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana tao amin'ny Mozean'i Bardo tamin'ny volana Marsa ihany koa ny ISIS.
This is a coordinated attack, possibly bearing the flag of #ISIS [16], in 3 countries, 3 continents: #France [17], #Kuwait [18] and #Tunisia [2] .
— Youssef Cherif (@Faiyla) June 26, 2015 [19]
Fanafihana voarindra izy izany, amin'ny fomba fitondrana ny fanevan'i ISIS, ao amin'ny firenena 3, kaontinanta 3: Frantsa, Koety, Tonizia