Farafahakeliny olona 28, izay saika vahiny mpizaha tany no maro, no maty tamin'ny nitifitifiran'ireo lehilahy mitondra basy izay hitany teo amin'ny tora-pasika tao amin'ny tanàna fialan-tsasatra ao Sousse, miorina 140 kilometatra atsimon'ny renivohitra Tunis.
Ministry of tourism : #Tunisia #SousseAttack 27 dead and 18 wounded are mostly from #germany #Belgium #UnitedKingdom #russia
— Zied Mhirsi (@zizoo) June 26, 2015
Minisiteran'ny fizahantany: Ny ankamaroan'ireo 27 maty sy 18 naratra tamin'ny fanafihana tao Sousse dia saiky avy any Alemaina, Belzika, Angletera ary Rosia
Matin'ny polisy ny iray amin'ireo olona nitondra fitaovam-piadiana, raha notaterin'ny fampitam-baovao ao an-toerana ny fisamborana ny olona hafa ahiahiana.
#BREAKING #Sousse #Tunisia 2nd suspect in the terrorist attack has been arrested http://t.co/LJn2eKNn09 pic.twitter.com/Ccc0hAbjKL
— Tunisia Live (@Tunisia_Live) June 26, 2015
Voasambotra ny olona faharoa ahiahiana ho nanao ny fanafihan'ny mpampihoroho tao Sousse
Ity no fanafihana faharoa nikendry vahiny mpizaha tany tao anatin'ny efa-bolana, taorian'ny namonoan'ireo mpitolona mitam-piadiana mpizaha tany miisa 22 sy polisy iray nandritra ny fanafihana ny Mozea Bardo tao an-drenivohitra Tunis tamin'ny 18 Marsa.
Jereo ihany ny koa ny tatitra ao amin'ny Global Voices Checkdesk: Tunisia: Attack on Tourist Hotel in Resort of Sousse [Tonizia: Fanafihana Trano Fandraisam-Bahiny Mihaja ao Sousse]
Mbola tsy misy hatreto ny nitono-tena ho tompon'andraikitra tamin'ny fahafihana. Saingy hatramin'ny 2012, Okba Ibn Nafaa Brigade, vondrona mitam-piadiana mifandrohy amin'ny Al-Qaeda ao Maghreb Islamika (AQIM) no nanao fanafihana maro mahafaty olona amin'ny polisy sy ny tafika. Nanambara tena ho tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana tao amin'ny Mozean'i Bardo tamin'ny volana Marsa ihany koa ny ISIS.
This is a coordinated attack, possibly bearing the flag of #ISIS, in 3 countries, 3 continents: #France, #Kuwait and #Tunisia .
— Youssef Cherif (@Faiyla) June 26, 2015
Fanafihana voarindra izy izany, amin'ny fomba fitondrana ny fanevan'i ISIS, ao amin'ny firenena 3, kaontinanta 3: Frantsa, Koety, Tonizia