Ny fandokoana an'i Afrika nataon'ny gazety be mpanaraka, indrindra fa ny fampitam-baovao tandrefana, no mandoko azy ho toerana maizina, ratsy, tsy misy fanantenana anjakan'ny ady an-trano, vondrona mitam-piadiana, kolikoly, fanitsakitsahana ireo karazam-pahafahana, hanoanana, korontan'ny fifehezana ny tanandehibe ary ny fahakiviana tanteraka. Mahatonga ny olona tsy mbola nandeha taty Afrika ho diso eritreritra momba ny kaontinanta izany.
Niara-nirona ary ny Afrikana ato amin'ny Twitter hampiseho ny hatsarana, ny fahamaroana sy ny havaovaon'ny maritrano maoderina eto amin'ny kaontinanta izay zara raha asehon'ny fampitam-baovao tandrefana amin'ny mpijery, mpihaino ary ny mpamaky azy izany. Nanomboka tamin'ny hashtag #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou [1] nataon'ny mpisera Twitter Mango [2]izany:
#TheAfricaTheMediaNeverShowsYou [1] join us in the HT showcasing the beauty of Africa!
— mango (@lunarnomad) June 23, 2015 [3]
Miaraha aminay hampiseho ny hatsaràn'i Afrika
Vetivety monja taorian'izany, maro ireo mpisera nanatevin-daharana ny ezaka. Indro ny santionan'ny sioka hita tao amin'ny fanentanana.
Nairobi, Kenya:
Nairobi, Kenya #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou [1] pic.twitter.com/Vez4qHspjr [4]
— talhas wife #3 (@ShamsaAhmed) June 23, 2015 [5]
Antananarivo, Madagasikara:
Antananarivo, Madagascar #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou [1] pic.twitter.com/zY69whnM4F [6]
— mango (@lunarnomad) June 23, 2015 [7]
Khartoum, Sodàna:
Khartoum, North Sudan 🇸🇩 #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou [1] pic.twitter.com/YV2mTgSSsh [8]
— ForgottenBeauty (@forgottenFINES) June 23, 2015 [9]
African food:
#KCA [10] #VoteJKT48ID [11] BadassAfricanne: “Africans eat bugs” #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou [1] pic.twitter.com/PcuWxhbYKD [12]
— A. Handy As (@Ar_Handy) June 23, 2015 [13]
BadassAfricanne: “Afrikana mihinana bibikely”
Mariazy Afrikana:
African Weddings #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou [1] pic.twitter.com/EdpDnMV2Y4 [14]
— I Am THE CULTURE (@Toussaint215) June 23, 2015 [15]
Limpopo, Afrika Atsimo:
Polokwane, Limpopo, South Africa #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou [1] pic.twitter.com/IRGaBsZNRc [16]
— Lesego Semenya (@LesDaChef) June 24, 2015 [17]
Somalia:
#TheAfricaTheMediaNeverShowsYou [1] SOMALIA pic.twitter.com/CiiZCItC9s [18]
— deeq mahamud (@Deeq744Deeq) June 23, 2015 [19]
Lagos, Nigeria:
#TheAfricaTheMediaNeverShowsYou [1] IN LAGOS an entire city built from reclaimed land from the sea. Significant progress pic.twitter.com/6KIbckZMa2 [20]
— Village HeadMaster (@misterkaris) June 24, 2015 [21]
Ao Lagos tanàna iray manontolo naorina avy amin'ny tany tamin'ny ranomasina. Fandrosoana mivaingana
Ogandà:
The Pearl Of Africa, UGANDA. #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou [1] pic.twitter.com/zp9UBGm1Wf [22]
— This Is Uganda (@ThisIsUganda_) June 24, 2015 [23]
Côte d'Ivoire:
HOME. IVORY COAST. #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou [1] pic.twitter.com/fIuJ0v0jnU [24]
— rochana (@itsrochana) June 24, 2015 [25]
Soweto, Afrika Atsimo:
Soweto, South Africa ❤ #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou [1] pic.twitter.com/atK30zuAf1 [26]
— Lesego Semenya (@LesDaChef) June 24, 2015 [27]
Tanàna ambanivohitra Afrikana:
various traditional African villages #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou [1] pic.twitter.com/POTS6RzNwW [28]
— mango (@lunarnomad) June 23, 2015 [29]
Tanàna nentim-paharazana Afrikana isan-karazany
Aswan, Ejipta:
#TheAfricaTheMediaNeverShowsYou [1] Nubia houses in Aswan, Egypt pic.twitter.com/iLoI3Vhy3Q [30]
— Nad!a A. (@Nadiaalie) June 23, 2015 [31]
Trano Nubia ao Aswan, Ejipta
Cape Verde:
My family's beautiful country of Cape Verde #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou [1] pic.twitter.com/14KSQZ0fuI [32]
— Christina (@tinaaxlopes) June 24, 2015 [33]
Tanindrazan'ny fianakaviako mahafinaritra ao Cape Verde
Misy ny fitomboan'ny faniriana lalina eo amin'ny Afrikana hifehy ny fitantaran-dry zareo ary ohatra iray amin'izany ny hashtag #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou. Misy koa ny tranonkala tahaka an'i Africa is Country [34] sy ny This is Uganda [35] miezaka ny hanova ny famariparitana an'i Afrika ao amin'ny fampitam-baovao lehibe.