- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vakoka Tranainy Siriana Amidy Ao Amin'ny Facebook

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina
Looted ancient coins from Syria on sale on Facebook. Photograph shared by @zaidbenjamin on Twitter

Vola madinika tranainy halatra avy any Syria amidy ao amin'ny Facebook. Sary nozarain'i @zaidbenjamin tao amin'ny Twitter

Zaid Benjamin mpanao gazety monina ao Washington DC no nisintona ny fanairana, izy izay nizara ireo sary avy amin'ny pejy Facebook nandefa ireo Vakok'i Syria mba hamidy any Tiorkia.

Pejy hafa ao amin'ny Facebook mivarotra ireo Vakoka Tranainy an'i Syria. Fanaterana ao #Tiorkia [1]

Sima Diab, avy any Ejipta mihanihany hoe:

Eny an-tsena, hividy na hivarotra ireo Vakoka Tranainy an'i #Syria [4]? Jereo ihany koa ao amin'ny Facebook

Tsy mahagaga raha tsy misokatra intsony ny rohy mankamin'ny pejy Facebook-n'i Sima.

A screen shot of a page which used to allegedly sell Syrian antiques on Facebook is no longer available

Sary ahitàna fa tsy nisokatra intsony ny fàfana amin'ny pejy nampiasaina hivarotana ireo lazaina fa Vakoka Siriana tao amin'ny Facebook.

VAKIO IHANY KOA :

Mahazo 1 tapitrisa dolara isaky ny famarotana vakoka tranainy iray norobaina tamin'ny korontan-trano rava tany Syria ireo ISIS mpanao varomaizina [7]. [7]

Araka ny voalazan'ny mpilaza vaovao, [7] ireo milisin'ny ISIS no mijinja vola an-tapitrisa avy amin'ny fandrobana ireo vakoka, famarotana rakitry ny ela voaroba tao amin'ny tranombakoka amin'ny Tandrefana sy ny mpifanila vodirindrina ao amin'ny Helodrano amin'ny alalan'ny tranonkalan'ireo mpandroba sy mpanelanelana.

Syrian antiques on sale on Facebook. Photograph shared by @zaidbenjamin on Twitter

Rakitry ny ela Siriana amidy ao amin'ny Facebook. Sary nozarain'i @zaidbenjamin tao amin'ny Twitter

Manamafy ny Daily Mail fa rakitry ny ela 10.000-taona, avy any Raqqa nambaran'ny ISIS izy tenany ho renivohitra, any Syria, no lafo mihoatra ny 1 tapitrisa dolara isanisany ary atao varomaizina avy any Syria sy Iràka ary mandalo any Tiorkia sy Libanona.

Syrian gold coins on sale on a Facebook page. Photograph shared on Twitter by @zaidbenjamin

Vola madinika volamena Siriana amidy ao amin'ny pejin'ny Facebook iray. Sary nozaraina tamin'ny Twitter an'i @zaidbenjamin

Tonga mba hibodo faritra midadasika ao Syria sy Iràka ny ISIS, sampana iray ao amin'ny Al Qaeda, namela làlana ho an'ny horohoro sy faharavàna tamin'izay nolalovany tato anatin'ny volana vitsivitsy. Ireo faritra babon'ilay vondrona entanim-po tafahoatra, izay miady mafy ny hamongorana ireo toerana  misy ny “fitsipahana finoana” sy “fivadihana finoana” dia ahitàna ny Toerana Nahaterahan'ny Sivilizasiona, faritra iray manankarena tantara hatramin'ny andro fahagola.

Nanokana pejy nitondra ny loha-teny hoe Fiarovana ny Lova Ara-Kolontsaina Siriana [8] ny Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fanabeazana, Siansa sy Kolontsaina (UNESCO) mba hanaraha-maso fotsiny ny fahavoazana zakain'ny tantaran'ilay firenena noho ny fifandonana ao Syria, izay miditra amin'ny taona faha-efatra ankehitriny.

Araka ny voalazan'ny UNESCO [9]:

Nanaka-danitra tokoa ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy fandrobana hatramin'ny fiandohan'ny ady tao Syria. Niantraika betsaka tamin'ireo tranom-bakoka sy kolontsaina ireo asa ratsy ireo, ary dia nanjavona teoamin'ny firenena ny fanànana ara-kolontsaina Siriana ka  niafara any amin'ny fanaovana varo-maizina ary/na ireo tahiry manokan'ny olontsotra.

Maro amin'ireo toerana arkeolojikan'i Syria no lasibatra avy hatrany amin'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ataonà vondron'olona tsara omana ary matetika mitam-piadiana. Miteraka fandraharahana mampidi-bola tokoa ho an'ireo mpivarotra tsy ara-dalàna miasa manerana ny firenena sy maneran-tany ireo singa arkeolojika voaroba ka manana lanja ara-kolontsaina. Amin'ny ankapobeny, ireo toerana manamorona sisintany no mora lasibatr'ireo mpandroba, izay mahazo tombontsoa amin'ny toerana misy azy ireny mba hanondranana haingana sy amin'ny fomba tsy ara-dalàna ireo vakoka voatr'olombelona ho any ivelan'i Syria.

Momba ny toe-draharahan'ireo tranombakoka, voarakitra toy izao [10]ny tomban'ny fahasimbana tao amin'ny pejin'ireo tranombakoka:

Avy any avaratra-andrefan'ny firenena ny ankamaroan'ny zavatra simba tany amin'ireo tranombakoka tao Syria, izay nitrangan'ny fandrobana ireo fananana ara-kolontsaina sarobidy, ary maro ireo zavakanto  amin'izao fotoana izao no tsy hita intsony. Marobe amin'ny fotodrafitrasan'ireo tranombakoka no noho izy ireny tafiditra tao anatin'ny fifandonana mitam-piadiana.


VAKIO IHANY KOA

Mamafa ny tantara any Iràka sy Syria ny ISIS [11]

Maro anefa ireo tezitra amin'ny fomba fihetsiky ny vahoaka manoloana ny fahasimbàn'ny tantara miohatra amin'ny niaretan'ireo Siriana ny fahaverezan'ny fiainana maoderina.

Maneho hevitra i Loam Stack hoe:

Tato anatin'ny herinandro vitsy izay, nesorin'ireo manampahefana Siriana hiala tao amin'ny tranombakoka Palmyra ireo vakoka sasantsasany, saingy tsy mba nampandre ireo mponina akory mba hiala ihany koa.

Ary mampitandrina i Khaled Diab fa:

Mety hanosika ny ISIS hamongotra an'i Palmyra ho fampielezan-kevitra ny fifikiran'ny tandrefana amin'ireo faharavana fa tsy ny aina rava ao Siria, hoy @hxhassan [14]

Vakio koa ireo Tantara Hafa an'ny Global voices:


Iraka: Ravain'ny ISIS ireoSary Vongana RAkitry Ny Ela 3.000 Taona tao amin'ny Tranombakok'i Mosul [17]

Nodoran'ny ISIS Ny Tranomboky Tao Mosul any Iraka, Simbainy Ny Boky,Boky Sora-tànana Sarobidy An'arivony [18]

Lahatsary: Mandrava Ny Maosken'ny Mpaminany  Jonah ao Mosul, Iraka Ny ISIS [19]