Tantara tamin'ny 26 Jona 2015
Vakoka Tranainy Siriana Amidy Ao Amin'ny Facebook
Amidy amin'ny fomba tsy ara-dalàna ao amin'ny Facebook sy amidy an-tapitrisany maro any amin'ny varomaizina ireo vakoka fahinin'i Siria norobain'ny ISIS mpanara-maso ny faritra.
Mivoaka ao Tehran Indray ny Zavakanto an-Dalamben'i ‘Black Hand’ Vaovao ho Setrin'ny Fitakiana Hahazoan'ny Vehivavy Mijery Spaoron-Dehilahy
Eo amin'ny sary lehilahy iray manao fanamian'ny ekipam-pirenen'i Iran amin'ny football [baolina fandaka], manandratra tavoahangin-dranotsavony fanasana lovia mampahatsiahy ireo mpilalao mitazona ny amboaran'ny Mondialy.
Jereo i Afrika Tsy Ho Asehon'ny Media Anao Mandrakizay
Matetika ny Fampitam-baovao Tandrefana namariparitra an'i Afrika ho toerana maizina, tsy misy fanantenana. Nifamory teo ambany hashtag #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou ny Afrikana mpisera Twitter hanaporofo aminao fa tsy marina izany.
Noraràn'i Rosia ny Arsivan'Internety ‘Wayback Machine’
Nosakanan'ny governemanta Rosiana ny Internet Archive, tranonkala iray miorina ao San-Francisco izay manolotra ilay Wayback Machine malaza, izay mamela ny mpiserasera hijery pejintranonkala voatahiry.
Nepal : Ampiasaina Ny Vakan-Janabolana Hanarahan-dia Ilay Leopardan-dranomandry Antsoina Hoe Omi Khangri
Mino ireo mpiaro ny tahirin-javaboahary fa zava-dehibe amin'ny fiarovana ireo saka be tandindinin-doza, izay miriaria any Himalaya any Nepal ireo torohay voaangona avy amin'ny vakan-janabolana.