#GoMatildas [1] lohahevitra malaza ao amin'ny Twitter any Aostralia satria ilay lalao 1-1 tamin'i Soeda no nanosika ny ekipam-pirenena vehivavy amin'ny baolina kitra hiakatra amin'ny fifanintsanan'ireo ekipa 16 amin'ny Fiadiana ny Amboara Eran-tany tany Kanada. Taorian'ny fandresena mavesatra 2-0 tamin'i Nizeria sy ilay faharesena manome risi-po 1-3 tamin'i Etazonia izay andrarezin'ny lalao.
STANDINGS: Confirmation #USA [2] & #AUS [3] go through to Round of 16 from ‘Group of Death.’ #SWE [4] must wait. #FIFAWWC [5] pic.twitter.com/aU4ZX5V1wL [6]
— FIFA Women'sWorldCup (@FIFAWWC) June 17, 2015 [7]
FILAHARANA : Fanamafisana tafakatra avy ao amin'ny ‘vondron'ny fahafatesana’ ho amin'ny fifanintsanan'ny ekipa 16 i #USA [2] sy #AUS [3] . Tsy maintsy miandry i #SWE [4]
Betsaka fiderana sy fanantenana ambony tao amin'ny aterineto :
Stoked with the Matilda's result!! Bring on Brazil 👍⚽️ #AUSSWE [8] #WomensWorldCup [9]
— Zoe Hara (@zoehara5) June 17, 2015 [10]
Ravo tamin'ny vokatra azon'ny Matilda !! Riato hatramin'i Brezila 👍⚽️ #AUSSWE [8] #WomensWorldCup [9]
I can see #AUS [3] going far in this World Cup. They're playing some of their best ball and I love it. @TheMatildas [11] #WWC2015 [12] #GoMatildas [13]
— Neveen Esho (@NeveenEsho) June 17, 2015 [14]
Tsinjoko ho lasa lavitra ny #AUS [3] amin'ity Fiadiana ny amboara Eran-tany ity. Eo am-pilalaovana ny lalaony tsara indrindra izy ireo ary tiako izany.
Tsy ny rehetra mpanohana ny Matildas no tena faly amin'io vokatra io :
I mean, it was a satisfactory game. But somehow it wasn't satisfying. Have higher hopes for #AUS [3]. #AUSSWE [8] #GoMatildas [13]
— Elena Wewer (@ElenaWewer) June 17, 2015 [15]
Ny tiako ho lazaina dia lalao nahafa-po iny. Saingy na izany na tsy izany dia tsy nahafa-po. Manana fanantenana ambony ho an'i #AUS [3].
Andro tena nahafa-po ho an'ny lalao baolina kitra Aussie iny. Etsy andanin'izany, nandresy ny Kyrgyzstan tamin'ny 2-1 ny @Socceroos [16] lehilahy tamin'ny lalao fifanintsanana ho any amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany :
VIDEO: See how the @Socceroos [16] got the job done against a spirited Kyrgyzstan in Bishkek – http://t.co/EotpSsijFd [17] pic.twitter.com/rRtRK0ZmqP [18]
— Socceroos (@Socceroos) June 16, 2015 [19]
LAHATSARY : Jereo ny nataon'ny @Socceroos [16] tamin'ny Kyrgyzstan feno fahavononana tany Bishkek
Great few hours for #Aus [20] (@FFA [21]) football. @Pararoos [22], @TheMatildas [11] and @Socceroos [16] all getting a result. #GoPararoos [23] #GoMatildas [13] #GoSocceroos [24]
— David (@gotosleepathome) June 17, 2015 [25]
Ora vitsy manan-danja ho an'ny baolina kitra #Aus [20] (@FFA [21]). @Pararoos [22], @TheMatildas [11] ary @Socceroos, [16] samy nahazoam-bokatra daholo. #GoPararoos [23] #GoMatildas [13] #GoSocceroos [24]
Nandresy an'i Portiogaly tamin'ny 2-0 [26] ihany koa ny ekipa Paralympika @Pararoos [22] tamin'ny fifanintsanana ho any amin'ny Lalao Paralympikan'i Rio.
The @Pararoos [22] started their #CPFWC [27] in emphatic style, defeating #Portugal [28] 2-0! @CPEngland2015 [29] @AUSParalympics [30]
— Para Sports News AUS (@AUS_ParaSports) June 16, 2015 [31]
Nanomboka ny #CPFWC- [27]ny tamin'ny fomba mahafinaritra ny @Pararoos [22], nandresy an'i #Portugal [28] 2-0!
Nandahatra sary kely mampiseho fihetseham-po maromaro tao amin'ny bitsiky ny fandreseny ho an'ny Matildas i Sarah K Wright :
@TheMatildas [11] De Vanna's awesome goal! So much skill and domination! 👍🏼💚⚽️💛 #GoMatildas [13] #ThisIsIt [32]
— Sarah K Wright (@sarahkatewright) June 17, 2015 [33]
@TheMatildas [11] tifitra tonga lafatr'i De Vanna !! Fahaiza-manao sy fahaiza-mifehy! 👍🏼💚⚽️💛
Tamin'ny dimy minitra voalohany ny baolina voalohany matin'i De Vanna ary nosahalain'i Sofia Jakobsson teo amin'ny minitra faha-15 izany ho an'i Soeda, ela niandrasana i Justin Civitillo :
Here we go, another 45 mins of unimaginable stress. Let's do this. #GoMatildas [13] #FIFAWWC [5]
— Justin Civitillo (@JC_Kazama) June 17, 2015 [34]
Alefa, 45mn iray hafa hisian'ny fitaintainana tsy azo sary an-tsaina . ‘Ndao atao.
Navelan'ny mpanazatran'ny Matilda Alen Stajcic halaza ireo mpilalao :
” We're battle-hardened now. There's belief. Bring on Brazil.” -Alen Stajcic after #AUS [3] finish 2nd in Group D. Carry no yellow cards too.
— Anthony DiCicco (@DiCiccoMethod) June 17, 2015 [35]
“Efa zatra ady izahay. Misy ny finoana. Riato hatramin'i Brezila a” – Tonga teo amin'ny laharana faharoa amin'ny vondrona D i Alen Stajcic taorian'ny #AUS [3]. Tsy nitondra karatra mavo ihany koa.
Goavana ny adin'i Aostralia manaraka eo – Brezila. Nanome antoka ny tranonkalan'ny baolina kitra Outside90 [36] :
Nivoatra tamim-pahatokiana tamin'ireo lalao rehetra natao sy ny fahamatorany ary ny faharetana tamin'ny fiarovana ny Matildas, ny hamafisan'ny teo afovoan'ny kianjan-dry zareo sy ny tanjona ary ny vaikan'ny fanafihana no mahatonga azy ireo handroso tsikelikely tamin'ity lalao fifanintsanana ity.