Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tafita Amin'ny Ampahavalon-Dàlana Amin'ny Fiadiana Ny Amboara Erantany Vehivavy Ny Matildas Waltz Avy Any Aostralia

Lisa De Vanna's goal

Ny baolina matin'i Lisa De Vanna  
Dikasary tamin'ny TV- televiziona SBS

#GoMatildas lohahevitra malaza ao amin'ny Twitter any Aostralia satria ilay lalao 1-1 tamin'i Soeda no nanosika ny ekipam-pirenena vehivavy amin'ny baolina kitra hiakatra amin'ny fifanintsanan'ireo ekipa 16 amin'ny Fiadiana ny Amboara Eran-tany tany Kanada. Taorian'ny fandresena mavesatra 2-0 tamin'i Nizeria sy ilay faharesena manome risi-po 1-3  tamin'i Etazonia izay andrarezin'ny lalao.

FILAHARANA : Fanamafisana tafakatra avy ao amin'ny ‘vondron'ny fahafatesana’ ho  amin'ny fifanintsanan'ny ekipa 16  i #USA sy #AUS . Tsy maintsy miandry i #SWE

Betsaka fiderana sy fanantenana ambony tao amin'ny aterineto :

Ravo tamin'ny vokatra azon'ny Matilda !! Riato hatramin'i Brezila  👍⚽️ #AUSSWE #WomensWorldCup

Tsinjoko ho lasa lavitra ny  #AUS amin'ity Fiadiana ny amboara Eran-tany ity.  Eo am-pilalaovana ny lalaony tsara indrindra izy ireo ary tiako izany.

Tsy ny rehetra mpanohana ny Matildas no tena faly amin'io vokatra io :

Ny tiako ho lazaina dia lalao nahafa-po iny. Saingy na izany na tsy izany dia tsy nahafa-po. Manana fanantenana ambony ho an'i #AUS.

Andro tena nahafa-po ho an'ny lalao baolina kitra Aussie iny. Etsy andanin'izany, nandresy ny Kyrgyzstan tamin'ny 2-1 ny @Socceroos lehilahy tamin'ny lalao fifanintsanana ho any amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany :

LAHATSARY : Jereo ny nataon'ny @Socceroos tamin'ny Kyrgyzstan feno fahavononana tany Bishkek

Ora vitsy manan-danja ho an'ny baolina kitra #Aus (@FFA). @Pararoos, @TheMatildas ary @Socceroos, samy nahazoam-bokatra daholo. #GoPararoos #GoMatildas #GoSocceroos

Nandresy an'i Portiogaly tamin'ny 2-0 ihany koa ny ekipa Paralympika @Pararoos tamin'ny fifanintsanana ho any amin'ny Lalao Paralympikan'i Rio.

Nanomboka ny #CPFWC-ny tamin'ny fomba mahafinaritra ny @Pararoos, nandresy an'i #Portugal 2-0!

Nandahatra sary kely mampiseho fihetseham-po maromaro tao amin'ny bitsiky ny fandreseny ho an'ny Matildas i Sarah K Wright :

@TheMatildas  tifitra tonga lafatr'i De Vanna !! Fahaiza-manao sy fahaiza-mifehy! 👍🏼💚⚽️💛

Tamin'ny dimy minitra voalohany ny baolina voalohany matin'i De Vanna ary nosahalain'i Sofia Jakobsson teo amin'ny minitra faha-15 izany ho an'i Soeda, ela niandrasana i Justin Civitillo :

Alefa, 45mn iray hafa hisian'ny fitaintainana tsy azo sary an-tsaina . ‘Ndao atao.

Navelan'ny mpanazatran'ny Matilda Alen Stajcic halaza ireo mpilalao :

“Efa zatra ady izahay. Misy ny finoana. Riato hatramin'i Brezila a” – Tonga teo amin'ny laharana faharoa amin'ny vondrona D i Alen Stajcic taorian'ny #AUS. Tsy nitondra karatra mavo ihany koa.

Goavana ny adin'i Aostralia manaraka eo – Brezila. Nanome antoka ny tranonkalan'ny baolina kitra  Outside90 :

Nivoatra tamim-pahatokiana tamin'ireo lalao rehetra natao sy ny fahamatorany ary ny faharetana tamin'ny fiarovana ny Matildas, ny hamafisan'ny teo afovoan'ny kianjan-dry zareo sy ny tanjona ary ny vaikan'ny fanafihana no mahatonga azy ireo handroso tsikelikely tamin'ity lalao fifanintsanana ity.

Mampahatsiahy ny ‘Waltzing Matilda‘ izay ohatra ny hiram-pirenen'i Aostralia ilay lohateny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.