- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mibahan-Toerana ao amin'ny WikiLeaks avy ao Arabia Saodita Farany teo i Iran

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fifandraisana iraisam-pirenena, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana
Iran and Saudi Arabia have long challenged each other for geopolitical influence in the region, most recently during the 'proxy war' in Yemen. Wikimedia image.

Nifampihaika hatry ny fotoana ela noho ny antony te-hibahana ara-jeopolitika ao amin'ny faritra i Iran sy Arabia Saodita , ny farany indrindra teo dia tamin'ny alalan'ny ‘ady ambadika’ nataon'izy ireo tao Yemen. Sary Wikimedia.

Ireo tosa-tahirinkevitra navoakan'ny Wikileaks avy amin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ao Arabia Saodita [1] dia ahitana ny fanahian-dry zareo manoloana ny mpifanandrina aminy ao amin'ny faritra dia i Iran.

Hatreto dia tahirin-kevitra 23 ao anatin'ireo tosaka ireo no naoty fohy avy any amin'ny minisitera ao Iran fandefa isan'andro .

Ny tena mahavalalanina amin'ireo telegrama diplomatika saodiana hatreto dia ireo naoty fandefa isan'andro 23 momba an'i Iran avy amin'ny '06, '10, '11 https://t.co/T3DRHhL3X0 [3]

Nahamarika ireo fanahiana manoloana an'i Iran ao amin'ny telegrama diplomatika ihany koa ireo mpiseran'ny media sosialy. Amin'ireo tahirin-kevitra 60.000 niporitsaka hatreto dia manodidina ny 1500 eo no miresaka Iran na Iraniana amin'ny teny anglisy na arabo. Rehefa mipongatra ny fanadihadiana bebe kokoa momba ireo tahirinkevitra, dia lasa miharihary ny fanahiana manokan'ny Minisiteran'ny Raharaham-Bahiny manoloana an'i Iran.

Ity tahirin-kevitra navoaka ity dia mampiseho ny fanahian'ny Saodiana amin'ny fisian'ny voromby mpiady namboarin'ny Iraniana ao an-toerana

Be ahiahy tamin'ny fifandraisan'i Iran sy i Ejipta i Arabia Saodita nandritra ny fitondran'i Morsi

Asehon'ny telegrama diplomatika Saodiana ny fieritreretana be loatra an'i Iran sy ny Shiisma

Raki-tsarobidy avy amin'ny telegrama diplomatika Saodiana: Niseho tanteraka ny fikoropahana momba an'i Iran nandritra ny Lohataona Arabo, nosoniavin'ny minisitry ny raharaham-bahiny Faisal tamin'izany fotoana izany

Hita ao amin'ny telegrama diplomatikan'ny minisiteran'ny raharahambahiny saodiana ny fanelingelenana ny IRIB [Radio Televizionan'ny Repoblikan'i Iran]

Asehon'ny telegrama diplomatika saodiana ny fanahian'ny Saodiana amin'ny fanamboaran'i Iran voromby mpiady

Misy ireo Saodiana sasantsasany mpisera amin'ny media sosialy no miteny fa avy amin'ny fisovohana iraniana no nisian'ireo poritsaka ireo; saingy nisy avy hatrany ny nanapo-drano mangatsiaka izany fitenenana izany.

Raha tsy mbola renao dia nosovohan'i Iran ny solosainan'ny governemanta saodiana dia nalefany tany amin'ny wikileaks ireo tahirinkevitra antaoniny ireo, dia ity farany no namoaka azy an-tserasera

Ataon'ny telegrama diplomatika saodiana fanina ny Arabo liberaly. Tsy misy resaka momba ny politikam-pandravana ataon'ny fitondrana saodiana. Tsy misy afa-tsy Iran Iran Iran