- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Ry Tao Ivelany': Hongroà Mpaka Sary Tamas Paczai Manapika ny Sarin'ny Fitiavana Football Nandritra ny Lalaon'i Kyrgyzstan sy Aostralia

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Aostralia, Kyrgyzstan, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Saripika

kyrgyzstan-australia-tp-1

Tamin'ny 16 jona, nampiatranoan'i Kyrgyzstan i Aostralia tamin'ny lalao iray hahazoana ny tapakila hilalao ny mondialy.

Nomen'i Kyrgyzstan lalao mahafinaritra ny ‘Socceroos’, izay tompondakan'i Azia amin'izao fotoana izao. Raha notarihana 0-1 nandritra ny fizaram-potoana voalohany, dia mbola nidiram-baolina aostraliana fanindroany indray i  Kyrgyzstan nandritra ny fizaram-potoana faharoa talohan'ny nampidirana baolina fampiononana tamin'ny alalan'ny daka mahavalalanina — mivantana avy amin'ny daka an-joro, na dia nisy fanampian'ny tanana ihany aza — tany amin'ny faran'ny lalao.

Olana goavana ihany koa ny fifehezana ny olona, araka ny voamarika ato amin'ity lahatsoratra Global Voices ity [1].

Saingy raha misy ny toe-javatra manaratsy endrika tamin'io takarivan'ny 16 Jona io, dia misy ihany koa ny zavatra tsara endrika. Tamas Paczai, Hongroà mpakasary monina any Azia Afovoany, no niezaka ny hipika sary ny hetaheta [hijery] football ao amin'ny firenena iray any amin'ny laharana ambany ao amin'ny FIFA [2] ary efa nandray ekipa vitsy mitovy lanja amin'ny an'ny Aostralia hatramin'ny naharavan'ny Firaisana Sovietika tamin'ny 1991. Mahavalalanina ny vokany.

kyrgyzstan-australia-tp-2

kyrgyzstan-australia-tp-3

kyrgyzstan-australia-tp-4

kyrgyzstan-australia-tp-5

kyrgyzstan-australia-tp-6

kyrgyzstan-australia-tp-7

kyrgyzstan-australia-tp-8

kyrgyzstan-australia-tp-9

kyrgyzstan-australia-tp-10

kyrgyzstan-australia-tp-11

kyrgyzstan-australia-tp-12

kyrgyzstan-australia-tp-13

kyrgyzstan-australia-tp-14

kyrgyzstan-australia-tp-15

Ny sary rehetra dia an'i Tamas Paczai. Ny blaoginy dia tamaspaczai.com [3]