- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ibrahim Sharif, Gadra Politika Bahraini Nafahana Rehefa “Nahavita Ny Saziny”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona
Bahraini politician Ibrahim Sharif was jailed in March 2011, at the beginning of the so-called Arab Spring inspired protests in Bahrain. Photo credit: Waad

Ibrahim Sharif, Bahraini mpanao politika, nogadraina tamin'ny Martsa 2011, tany ampanombohan'ilay antsoina hoe Lohataona Arabo niteraka ny hetsi-panoherana tao Bahrain. Sary: Waad

Vao avy navoaka ny fonja mihitsy ilay Bahraini mpanao politika, Ibrahim Sharif, taorian'ny “nahataperany ny saziny.” Sharif, Sekretera Jeneralin'ny Antoko liberaly Laika “Sosaity Ho Any Hetsi-Pirenena Demaokratika (WAAD), dia nosamborina [1] tamin'ny 17 Martsa 2011, niaraka taminà politisiana dimy hafa, noho ny fiampangana azy ireo ho “nikotrika fanonganam-panjakàna”. Mino ireo mpikatroka mafàna fo sy ireo politisiana hafa fa nosamborina izy noho ny toerana  maha-mpitarika tànan'i Sharif amin'ny fitakiana fanavaozana sy demaokrasia nandritra ilay antsoina hoe Lohataona Arabo niteraka hetsi-panoherana tao Bahrain.

Voaheloka hifonja dimy taona izy ny 22 Jona 2011, ary tamin'ny Septambra 2012 dia nohamafisin'ny fitsarana ilay didy. Nandritry ny fotoana nifonjàny, dia nijoro vavolombelona i Sharifa fa niharan'ny fampijaliana sy ny fomba fitondra tsizarizary.

Niteraka tsaho maro tao Bahrain ny vaovao tsy nampoizina momba ny namotsorana azy, ka misy ny olona sasany manamafy azy io ary misy kosa hafa mitsipaka izany. Faten Bushehri ao amin'ny Global Voices Checkdesk [2]no manaraka akaiky ny vaovao momba ny famotsorana an'i Sharif.

Taterin'ireo mpisera ety anaty aterineto manaraka ny vaovao fa navotsotra i Sharif taorian'ny nahataperan'ny saziny. Na izany aza, efa nahavita efatra taona sy telo volana izy.

Taorian'ny nandàvany voalohany ilay vaovao ho toy ny tsaho, nibitsika ny Waad hoe:

Vaovao mafàna: Navoaka ny fonja ilay mpitolona ho an'ny Fahalalahana – Ibrahim Sharif

Ho an'ny fanavaozam-baovao, tsidiho ny fandrakofanay izany ao amin'ny Global Voices Checkdesk [1] satria tantara mbola tsy vita ity.