- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fotoana Indrindra Izao Hananan'ny Firenena Fampihatram-Pampitan-Kafatra eo noho eo, Hoy ny Mpanao Sivana Rosiana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Sivana, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, Akon'ny RuNet
Does Russia need a national messaging service to guard its communications? Images mixed by Tetyana Lokot.

Mila raharaham-pandefasan-kafatra nasionaly ve i Rosia hiambenana ny fifandraisana ao aminy? Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Mila servisim-pandefasan-kafatra nasionaly mafy dia mafy mihitsy i Rosia, araka ny nolazain'i Alexandr Zharov, filohan'ny Roscomnadzor, mpanara-maso ny media ao Rosia. Tamin'ny fandraisam-pitenenana tao amin'ny forum ara-toekarena tao St. Petersburg, nodradradradrain'i [1]Zharov ilay hevitra amin'ny fotoana itadiavan'i Rosia hanoloana ireo servisy sy entambarotra vahiny amin'ny vokatra vita avy ao an-toerana.

Мы сейчас пользуемся только иностранными. Он (национальный мессенджер) нужен для отражения национальной идентичности – такой мессенджер должен будет использовать особенности нашего языка. Около 300 млн человек в мире пользуются русскоязычными сервисами.

Amin'izao fotoana izao isika dia tolotra vahiny ihany no ampiasaintsika. Mila [servisim-pandefasankafatra nasionaly] isika ho taratry ny fanondroam-pirenena—tahaka ny servisim-pandefasan-kafatra mandray ireo fiavaham-pitenintsika. Tokotokony ho 300 tapitrisa eo no mampiasa servisy amin'ny teny rosiana manerana izao tontolo izao.

Ny fihetseham-pon'i Zharov dia nisy akony [1] avy amin'ny mpitarika Tsetsenina Ramzan Kadyrov, izay nanatrika tao amin'ny forum ihany koa. Nasongadin'i Kadyrov fa ny olana voalohany indrindra amin'ny fampiasana raharaham-pifandraisana vahiny dia ny tsy fahampian'ny fanarahamaso sy ny tsy fahafahan'ny sampam-piarovana rosiana miditra amin'ny angotahiriny, izay hitany ho fandrahonana hoan'ny “fiarovam-pirenena.” Afa-tsy hoe afa-miditra amin'ny raharaham-pandefasan-kafatra sy amin'ny angotahirin'ny tambajotra sosialy any amin'ny firenenkafa ny fampiharan-dalàna rosiana, dia heverin'i Kadyrov fa fahendrena ny “mampihena araka izay tratra ny fandrahonana” sy “manapaka ny fantsona izay mety ho azo ampiasaina hampielezana ny fandrahonana tsy misy fisaziana sy tsy misy fisavana manoloana ny filaminantsika.”

Tamin'ny 2014, dia natsangan'i Rosia ny mili-pitadiavana tohanan'ny fanjakana antsoina hoe, Sputnik [2], izay lazaina amin'izao fotoana izao fa mahasahana ny [3] tokony ho 1%-n'ny tsenan'ny mili-pitadiavana aoamin'ny firenena ary malaza ho manivana ny voka-pitadiavany [4] hanakanany vontoaty hitany ho azo kianina.

Tsara ihany ny milaza fa ny Telegram, raharaham-pandefasan-kafatra an-tsoratra vaovao noforonin'i Pavel Durov [5], mpanorina ny tambajotra sosialy lehibe indrindra ao Rosia VKontakte, dia nanolotra seha-pifandraisana Rosiana mihitsy ary mahazaka tsara ny fiteny Rosiana ampiasain'ny mpiserasera. Telegram, izay mieboebo ho manana mpisera 62 tapitrisa amin'izao fotoana izao, dia natombok'i Durov tamin'ny 2013, fotoana fohy nialoha ny nandaozany ny VKontakte—sy nandaozany an'i Rosia—nanonona [6] ny tsy fahafahany miasa ao amin'ny firenena “tsy afa-miaraka amin'ny fandraharahan'ny Internety.”