- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanomezam-Boninahitra ilay Vehivavy Kyrgyz Nanangan-Jaza 150 Nandritra ny Fahiranon'i Leningrad

Sokajy: Kyrgyzstan, Mediam-bahoaka, Tantara, Vehivavy sy Miralenta
Three men bury the dead during the Siege of Leningrad in 1942 at the Volkovo cemetery. Boris Kudoyarov, RIA. Licensed to reuse.

Lehilahy telo mandevina ny maty nandritra ny fahirano nahazoan'i Leningrad tamin'ny 1942 tao amin'ny toeram-pandevenan'i Volkovo. Boris Kudoyarov, RIA. Nahazoana alalana ho azo ampiasaina indray.

“Olo-masina”: izany no anambaràn'ny media Kyrgyz sy Rosiana an'i Toktogon Altybasarova, 91 taona, izay nampiantrano [1] zaza 150 navotana avy ao Leningrad nandritra ny fahirano naharitra roa taona sy tapany nahafatesana olona mahatratra iray tapitrisa tao anatin'ny Ady Lehibe Faharoa.

Tamin'ny 1942, nandritra ny fotoana nidarohan'i Alemaina Nazi ny tanàna rosiana faharoa lehibe indrindra, izay antsoina ankehitriny hoe St. Petersburg, nisy vehivavy 16 taona tamin'izany fotoana izany antsoina hoe Altybasarova, izay nodimandry tamin'ny herinandro tamin'ny 11 jona, nanala ny fanaintainan'ireo navotana tamin'ny sarotra avy amin'ny hanoanana ka nampiantrano azy ireo tao amin'ny efitrano fatorian'ny mpiasan'ny orinasa iray tao an-toerana lavi-dalana misy azy ao Kurmenty, avaratra atsinanan'i Kyrgyzstan.

Vao voafidy ho filohan'ny tanàna kely nisy azy indrindra izy tamin'izany fotoana izany.

Photo taken from Wikipedia

Sary nalaina avy amin'ny Wikipedia

Notombanan'i  [2]Altybasarova ny taonan'ireo ankizy ary nomeny anarana izy ireo. Tamin'ny fitantanany ekipa-mpikarakara iray, hitany ny fitomboan'ireo zaza ireo hatramin'ny fahalehibiazany noho ny famelany azy ireo hiasa sy hianatra any amin'ny faritra maro tao amin'ny Firaisana Sovietika.

Araka ny nolazain'ny fampielezam-peom-panjakana Kyrgyz, dia notazonina sy notehirizin'i [1] Altybasarova mandrapahafatiny ireo taratasy avy amin'ireo zanany natsangany ireo.

Ny filohan'i Kyrgyzstan, Almazbek Atambayev, niteny [3] toy izao tao amin'ny hafatra videô iray:

Токтогон Алтыбасарова во время Великой Отечественной войны стала матерью 150 детям из блокадного города Ленинграда. В свои 16 лет, окружив детей заботой и вниманием, сумев им передать ощущение близости и теплоты, Токтогон-апа заменила им родную мать.

Nandritra ny Adim-Pitiavan-Tanindrazana lehibe [1941-1945], lasa renin'ny zaza miisa 150 avy tao amin'ny tanànan'i Leningrad tratran'ny fahirano i Toktogon Altybasarova. Tamin'ny faha-16 taonany i Toktogon-apa no nandray ny andraikitra ho renin'ireo zaza ireo tamin'ny fikarakarana sy fitandremana azy ireo sy nitondrany ho azy ireo fitrotroana sy hafanana.

Altybasarova dia nanana zanaka nateraka miisa valo, zafikely 23, ary zafiafy 13. Nanokana vola 100.000 Kyrgyz (1700$ amerikana) ny fiadidian'ny Prezidansa ho fikarakarana ny fandevenana azy.

Tao amin'ny lahatsoratra [4] iray tao amin'ny tranonkalam-baovao Kyrgyz antsoina hoe Vecherni Bishkek ireo mpamaky no nankalaza ny fahalavam-potoana niainan'i Altybasarova :

Вот настоящий пример человеческого отношения к людям!

Надеюсь, что она воспитала своих детей именно такими, какой она была сама. Настоящими!

Indro ny ohatra velon'ny fifandraisana marina tsy misy fitaka amin'ny olon'ny vahoaka hafa! Manantena aho fa nanabe ny zanany ho tahaka ny tenany ihany izy. Tena izy marina!

Ary msy olona milaza ny tenany ho zanakavavin'i Altybasarova nisaotra ireo mpirary soa:

Всем ,  выразившим  соболезнования моей маме  – Алтыбасаровой Токтогон , большое спасибо !  Спасибо за поддержку и за ваши добрые слова !!!! Спасибо детям из блокадного Ленинграда за добрую память !!!

Ho an'ireo rehetra nanolotra teny fiaraha-miory amin'ny reniko, Toktogon Altybasarova, misaotra indrindra! Misaotra anareo noho ny tenim-panohanana sy mahafinaritra!!! Misaotra anareo amin'ny zanak'i Leningrad noho ireo fahatsiarovana mahafinaritra!!!