Valintenin'ny Facebook Amin'ilay Fitakian'ny Rosiana Sy Okrainiana Hoe ‘Atsaharo Ny Fibahanana Ara-Politika’

Screenshot of the “Stop Political Blocking on Facebook” petition. Change.org.

Sary nosintonina tamin'ilay fitakiana “Atsaharo ny Fibahanana Ara-politika ao amin'ny Facebook”. Change.org.

Roa herinandro teo no lasa ary teo amin'ny sonia 11.000 no voahangona, fa nanome valinteny ihany ny Facebook nony farany ho an'ilay fitakiana “Atsaharo ny Fibahanana Ara-Politika ao amin'ny Facebook”. Tao anaty fanambaràna iray nalefa ho an'ny Change.org tamin'ny 8 Jona, Thomas Myrup Kristensen, talen'ny politikan'ny Facebook ho an'ny faritra Eoropa Atsinanana sy Rosia, dia nanazava fa mijoro amin'ny politikan'ny fandrindrana ao aminy ilay tambajotra sôsialy. Nohamafisin'ny Facebook tamin'ny RuNet Echo ny maha-tena izy ireo fanehoankevitr'i Kristensen.

“Ekenay ny maha-zava-dehibe ireny adihevitra ireny ho an'ny olona, indrindra ao anaty fotoanan'ny fifandonana,” hoy i Kristensen nanoratra, talohan'ny nanazavany fa tsy manakana votoaty na mampiato mpampiasa azy mandeha fotsiny amin'izao ny Facebook. Noresahany koa ireo ahiahy hoe mety harefo manoloana ny fanafihana nomanina hatao amin'ny sasantsasany amin'ireo mpampiasa azy ilay tranonkala:

Tsy olana loatra ny hoe naverina indray mandeha na in-1000 ny zavatra iray, tsoahanay tsotra izao izay votoaty mandeha mifanohitra amin'ny fenitra [napetrakay]. Efa an-taona maro no nakanay lesona hoe afaka manao fanentanana ny olona mba hamoronana tatitra mikasika votoaty tsy tian-dry zareo ary namboarinay ny fotodrafitrasanay ho afaka hiatrika izany tsy hitarika mankamin'ny famafàna izay votoaty azo ekena.

Novalian'i Kristensen ihany koa ireo fitakiana hoe zara raha afaka miasa mijery ireo votoaty amin'ny Rosiana sy Okrainiana ireo mpandrindran'ny Facebook. Miteny ilay fanentanana manohitra ny “fibahanana ara-politika” hoe “Tsy fantatray ny antony mahatery ny Facebook hanakana ireo olona manao hetsi-panoherana ny politikan'ny governemanta Rosiana. Angamba tsy dia ampy fahaizana loatra ireo mpandrindra ao aminy, na mitanila ara-politika.” Manome toky ireo mpampiasa azy ry Kristensen fa “manana fiofànana avo lenta” ary “tsy mitanila” ireo mpandrindra ao aminy :

Manana olona sady miteny Rosiana no miteny Okrainina izahay ao anatin'ireny tarika ireny, izay afaka manampy manazava tsara ny vanimpotoana manokana mikasika ilay teny. Ary manana rafitra fanarahamaso tsara kalitao mipetraka hiantohana hoe nandraisana fanapahankevitra mifanaraka tsara amin'ny fenitra iraisana ireo tatitra.

Nanomboka tamin'ny May lasa iny ilay fanangonan-sonia natao ho an'ny Facebook, taorian'ny filazàna fa marobe ireo bilaogera malaza be Rosiana sy Okrainiana no naato noho ny lahatsorany toa tsy dia manohintohina mankaiza loatra. Araka ilay fanangonan-tsonia, voabahana ilay Okrainiana mpanakanto, Alexander Roytburd, noho ny “vazivazy tsy dia mandratra nataony momba ny Jiosy,” foana ny kaontin'ilay Okrainiana mpanao gazety, Andrei Kapustin, noho ireo sarinà lasibika ‘niboridana’ nalefany, ary ampolony hafa no naato noho ny olana mitovitovy amin'ireny.

Ny tapatapaky ny volana May, raha avy nanjohy ny antso ho an'ny Facebook momba ilay lazaina ho “fibahanana ara-politika” ny Filohampirenena Okraniana Petro Poroshenko, niresaka ny sasantsasany tamin'ireo olana tao nadritry ny hetsika iray “fanontaniana sy valiny” i Mark Zuckerberg, mpanorina ny Facebook, nilaza hoe “mieritreritra aho fa nanao ny mety araka ireo politikanay izahay,” raha nilaza ireo tranga tsy nofaritana mazava momba ny fitenenana feno fankahalàna avy tamin'ireo Okrainiana sy Rosiana mpampiasa Facebook.

Ilay mpaka sary, Rustem Adagamov, no iray amin'ireo bilaogera Rosiana manan-danja naaton'ny Facebook, izay tsy afaka niditra tamin'ny rindrin'ny Facebook-ny intsony taorian'ny nandefasany ireo sarin'ny fampirantiana tao amin'ny Tranombakoka Norvegiana, izay ahitana hazo Noely misy ireo haingo Nazi.

Nilaza tamin'ny RuNet i Adagamov fa tsy nandray ilay fanambaràn'i Kristensen ho tena matotra izy, milaza mihitsy fa loharanon'ny fanafintohinana ho an'ireo 1,4 lavitrisa mpampiasa ilay tolotra izany:

Находиться в социальной сети с таким отношением к пользователям, непрозрачной политикой администрирования унизительно, думаю, для каждого. Для меня в т.ч. Жаль, что так получается.

Fanompàna antsika rehetra, na izaho koa aza, ny maha anisan'ny mpikambana ao aminà tambajotra sosialy izay mikarakara ratsy ireo mpampiasa azy toy izao, miaraka amin'ilay politikan'ny fandrindràna tsy mangarahara. Mahamenatra ny hoe niova ho toy izao ilay izy.

Lazain'i Adagamov fa “lainga tsotra izao” ilay filazan'i Kristensen mikasika ilay fandrindràna atao tànana, tamin'ny filazàny ho an'ny RuNet Echo fa tena azony antoka fa mampiasa fandrindràna mibaiko tena ny Facebook, izay mahatonga ilay vohikala ho mora azon'ireo fanafihan'ny “bot” mandeha ho azy:

Я думаю, что Фейсбуку просто нет никакого дела до этой проблемы, модерацию они осуществляют с помощью автоматизированной системы и вникать в детали не могут и не хотят. Этим обстоятельством воспользовались нанятые российскими властями менеджеры и поставили на поток это дело.

Mieritreritra aho hoe tsy miraharaha tsotra izao ny momba io olana io ny Facebook. Mampiasa rafitra mandeha ho azy izy ireo rehefa manao fandrindràna, ary sady tsy mahavita no tsy miasa saina ny hamboraka ny andinindinin'io ry zareo. Manararaotra ireo zava-miseho ireo, ireo mpisahana ny [seraseram-bahoaka] karamain'ireo manampahefana Rosiana, ary mampihahaka izany eraky ny tanàna.

Tsy voalohany izao ny Facebook no nilaza ampahibemaso fa tsy afaka manao tsindry amin'ny fanapahankeviny hanivàna ireo mpampiasa azy na ireo votoaty, ireo “bot” mandeha ho azy sy ireo rakakabesola. Ny Oktobra 2014, nilaza zavatra mitovy amin'izany ihany koa ny filoha lefitry ny vohikala momba ny politika ho an'ny daholobe any Eorôpa, nilaza fa tsy miatrika ireo fitarainana maro amin'ny votoaty iray ho “tondro tsara” ilazàna hoe manitsakitsaka na tsia ny politikan'ny vohikala ny Facebook. Tsy ampy nanamaivana ireo tsikeran'ny Facebook any Rosia sy Okraina anefa ny fanambaràna toy izany.

Samy toa tsy misy vonona hihetsika ireo lafiny roa amin'ilay fifandonana, raha mbola tsy afaka ny hitovy hevitra momba izay tena manitsakitsaka tokoa ny politikan'ny tolotr'ilay vohikala ny olona; ary mandra-panomen'ny Facebook an'ireo mpampiasa azy fangaraharàna bebe kokoa momba ireo fanapahan-kevitra manokana mahatonga ny fibahanana votoaty.

Raha hamaky bebe kokoa ny momba io resaka io, jereo ireo tantara teo aloha ao amin'ny  RuNet Echo (amin'ny teny Anglisy):
Mamaly ireo Fitarainan'ireo Okrainiana i Zuckerberg-n'ny Facebook, Fa Ampy Ve Ny Valinteniny?
Leo ny Fibahanana ‘Ara-politika’, Manao Antso Avo amin'ny Facebook i Rosia sy Okraina

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.