Toa Hoe Manaiky Hiforitra Amin'ilay Lalàna Momba ny Angon-drakitra Fijerena Toerana Ao Rosia ny Samsung

Image edited by Kevin Rothrock.

“Mifotetaka an-toerana.” Sary nataon'i Kevin Rothrock.

Araka ny lazain'ilay gazetim-pandraharahàna Rosiana Vedomosti, andalam-panatanterahana ny dingana ankehitriny hamindràna ny mombamomba manokana ireo mpampiasa azy monina ao Rosia ho any amin'ny lohamilina iray fametrahana angon-drakitra ao Rosia ny Samsung, orinasa Koreana Tatsimo momba ny teknolojia, mba hifanaraka amin'ilay lalàna vaovao momba ny angon-drakitra fijerena toerana izay manomboka manankery amin'ny faran'ny lohataona, itakiana amin'ireo tranonkala sy fampiasa sasany mba hitahiry ny mombamomba ireo rehetra mampiasa azy ho ao anaty lohamilina mipetraka ao Rosia.

Araka ny Vedomosti, manofa toerana fitahirizana amin'ny orinasa iray antsoina hoe DataPro ny Samsung, orinasa izay izay misy petrabolan'ny fianakavian'i Sergey Bogdanchikov, tale jeneralin'ny Rosneft fahiny, ilay vondron'orinasan-tsolika natanjaka teo ambany fifehezan'ny fanjakana.

Nanda tsy nety naneho hevitra momba  ny filazàn'ny Vedomosti ny Samsung.

Ny honohono momba ny fiondrehan'i Samsung manoloana ilay lalàna vaovao momba ny angon-drakitra fijerena toerana dia tonga tao anatin'ireo tsaho nilaza fa marobe ireo orinasa goavana hafa momba ny teknolojia no nanaiky ny hamindra ny angona momba ireo mpampiasa azy ireny ho any amin'ireo lohamilina ao Rosia.

Tany ampiandohan'ity herinandro ity, nanambara ilay Shinoa mpanamboatra ny Lenovo fa nanomboka namindra ny angona manokana momba ireo mpanjifany ho ao anatin'ny lohamilina ao Rosia izy, lohamilina izay ilay orinasa ihany no tompony. Hatreto, nosandaina 50.000 dolara be izao ity famindràna angona ity, hoy ny tale lefitra sady mpitantana mpanatanteraka ao amin'ny Lenovo ao Rosia tamin'ny Vedomosti.

Ny 6 Jona, nilaza ireo Rosiana manampahefana fa nanaiky ihany koa ny Booking.com hamindra ny sasany amin'ireo mombamomba ny mpampiasa azy ho ao anaty lohamilina mipetrana ao Rosia. Miteny amin'ny anaran'ny tenany, taty aoriana ny Booking.com dia namoaka fanambaràna iray nanekeny ny fivoriana niarahany tamin'ny governemanta Rosiana, nefa somary manao tsilian-tsofina ihany hoe mitazona ny safidiny malalaka ilay orinasa. “Tsy tokony hanohintohina anay io lalàna io,” hoy ny sampana misahana ny serasera an-gazety ao amin'ny Booking.com. “Miasa mikaroka vahaolana iray ahafahanay mifanaraka amin'ilay lalàna [Rosiana] izahay”

Milaza ny tale jeneralin'ny zana-tsampan'ny Acer ao Rosia fa sahirana ny orinasany amin'ny famaritana raha toa ny karazana angon-drakitra ao aminy ka isan'ny tafiditra ao anatin'ilay fitakian'ny lalàna vaovao momba ny fijerena toerana ao Rosia. Raha izany no izy, hoy izy, vinavinan'ny Acer ny, na mamindra ireo angon-drakitra ho any Rosia, na mamotsy tsotra izao azy ireny.

Misy ohatra hafa maro anefah Milaza koa ny eBay fa handefa ny angon-drakitra momba ireo Rosiana mpampiasa azy hotahirizina any Rosia, ary misy tatitra tsy voamarina hoe ilay orinasa Shinoa, AliExpress, mpanao varotra an-tserasera ary na ny Google aza dia nanaiky hanaraka ilay lalàna vaovao sy hitahiry ny mombamomba ireo mpampiasa azy ao Rosia. (Nilaza ny Google fa “tsy mitombina” ireo tatitra momba ity resaka ity)

Raha toa ka mampitombo tsy mitsahatra mihoatra noho izay mety ny haavon'ireo fepetra tsy maintsy arahan'ireo orinasa vahiny mpanome tolotra aterineto ho arahana amin'ilay lalàna vaovao Rosiana ny manampahefana, toa misy kosa fisondrotana tampoka avy amin'ireo tranonkala fanta-daza marobe sy tsy nampoizina niankohoka tamin'i Maosko. Na ohatra aza io fironana io maneho ny dindo tsy mitsaha-mitombo ananan'ny governemanta Rosiana, na fotsiny izao ny tokony hampahazava ny fialefahan'ireo orinasa momba ny teknolojia hatramin'ny 1 Septambra 2015, fotoana hidiran'ilay lalàna vaovao momba ny fijerena toerana hanan-kery ao Rosia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.