- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Razokibe Totozy Sy Elefanta Iray : Fomba Misy Fahaiza-mamorona Ho Fanapariahana Ny Boky Ao Laos

Sokajy: Azia Atsinanana, Laos, Fanabeazana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Tanora, Vaovao Tsara
The story of the elephant Boom-Boom is told in the book  'The Little Elephant That Could'. Boom-Boom helps in distributing books in remote locations in Laos [1]

Tantaraina ao anatin'ilay boky ‘ Ilay Elefanta Kely Nahavita Azy’ ny tantaran'ilay elefanta Boom-Boom. Manampy amin'ny fanapariahana boky any amin'ireo toerana lavitra ao Laos i Boom-Boom

Nampiasa fomba vaovao maro samihafa ny vondrona iray tao Laos mba hanapariahana boky sy hampiroboroboana ny fahaizana mamaky teny sy manoratra manerana ny firenena. Firenena iray an-dalam-pandrosoana ao Atsimo-Atsinanan'i Azia i Laos, tantsaha ny ankamaroan'ny mponina ao.

Amin'ny maha-mpanonta boky azy, efa maherin'ny 300 ireo boky natao ho an'ny ankizy natontan'ny Big Brother Mouse [2] (Razokibe Totozy) hatramin'ny 2006, saingy mikarakara ihany koa izy fotoana famakiana boky eny ambanivohitra, mampanao atrikasa ho an'ny mpampianatra, ary fotoana fampianarana mamaky teny sy manoratra mba hanatsaràna ny fahazarana mamaky boky eny anivon'ireo tanora Lao. Mandray fanolorana boky ihany koa izy ary mitsinjara azy ireny any amin'ireo sekoly mba hanorenana tranomboky isan-tanàna. Mba handehanana any amin'ireo toerana lavitra, indraindray ireo mpirotsaka an-tsitrapo no mitaingina eo an-damosin'ny elefanta ‘mpikambana mpiasa ao’, antsoina hoe Boom-Boom mba hizaràna ireo boky amin'ny ankizy any ambanivohitra.

Natsangana ilay vondrona mba hametraka ny hoe “boky mahatonga ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ho zava-mahafinaritra!” Ny Big Brother dia dikanteny avy amin'ny “Ai Nu Noi”, izay ho an'ny kolontsaina Lao dia midika fitiavana sy fifamatoran'ny fianakaviana iray. Io fotokevitra io no mitarika ny Big Brother Mouse izay milaza azy ho mpanonta, mpaninjara boky ary fikambanana iray mpanao asa an-tsitrapo:

Tsy hoe mpanonta boky fotsiny izahay. Mizara traikefa amin'ireo tanora izahay mba hianaran'izy ireny fahaiza-manao vaovao. Mamokatra fomba vaovao mahomby ihany koa mba hitsinjarana ny boky ao anatinà firenena iray izay tsy misy rafitra tsara petraka ho amin'izany amin'izao fotoana izao..

Iray amin'ireo asa malaza nokarakarain'ireo tanora mpirotsaka an-tsitrapo avy amin'ny Big Brother Mouse ny fotoana famakiana boky eny ambanivohitra [3] izay ahafahan'ireo ankizy mianatra sy mamaky teny amin'ny alàlan'ny lalao :

Rehefa manao ny fotoana famakiana boky eny ambanivohitra izahay, na mampanao fifaninanana haikanto any an-tsekoly, ireo tanora Lao lahy sy vavy no mitarika ny asa sy manao ny fanolorana. Hitan'ireo ankizy fa afaka ny hahafinaritra ny boky. Afaka maka sary an-tsaina ny mety ho azony anaovana ny fiainany manokana koa izy ireo.

Mandritry ny fotoana famakiana boky dia manao vakiteny amin'ny feo avo izahay, milalao, mihira momba ny boky, ary manolotra boky ho lasa tena an'ny ankizy tsirairay, izay mazàna no boky voalohany nananany teo amin'ny fiainany.

Jansaeng, mpampianatra avy ao amin'ny vohitr'i Nahai ao amin'ny faritanin'i Xayabuli no manamafy [4] ny fahombiazan'ireo fotoana famakiana boky amin'ny fanomezana aingam-panahy ireo ankizy mba hamaky :

Hatramin'ny nisian'ny fotoana famakiana boky, marobe ny ankizy no tia mamaky boky mandritra ny fotoana fakàn-drivotra. Mihatsara kokoa ny fanatrehana fampianarana satria manana boky hovakiana ireo mpianatra. Isanandro, 85 % eo ho eo amin'ireo mpianatra eto an-tsekoly no mamaky boky. Sady koa, betsaka amin'izao fotoana izao ireo mpianatra no manoratra ny tantarany manokana.

Mpikambana iray manan-danja ao amin'ny Big Brother Mouse ny elefanta iray antsoina hoe Boom-Boom [5] izay midika hoe ‘boky’  amin'ny fiteny Lao :

Lasa mpikambana miasa amin'ny fotoana ilàna azy ato aminay i Boom-Boom, manampy anay mitondra ireo boky ho any amin'ireo tanàna lavitra ao amin'ny faritanin'i Xayabuli. Faly be foana ny ankizy isaky ny tonga any am-bohitr'izy ireo ny Big Brother Mouse. Mbola faly lavitra aza izy ireo rehefa hoe miaraka amn'ny elefanta izahay no tonga. Ary dia ravo ireo mpiara-miasa ato aminay fa tsy voatery hitondra ireny boky ireny hianika tendrombohitra sy hitety renirano, fa mba afaka mitaingina maimaim-poana ihany koa aorian'ny fitsinjarana ny boky nentin'i Boom-Boom teo aloha isaky ny dia naleha.

Ireto ambany ireto ny sasany tamin'ireo saripika manasongadina ny asa nirotsahan'ny Big Brother Mouse nanerana an'i Laos:

Sompori Village, Attapeu Province, Laos [6]

Vohitr'i Saodieo , Faritany Xayaboury , Laos

Sompori Village, Attapeu Province, Laos [7]

Vohitr'i Sompori , Faritany Attapeu , Laos

Dorn Village, Xayaboury Province, Laos [8]

Vohitr'i Dorn , Faritany Xayaboury , Laos

Norngchorng Village, Luang Prabang Province, Laos [9]

Vohitr'i Norngchorng , Faritany Luang Prabang , Laos

Somsanouk Village, Attapeu Province, Laos [10]

Vohitr'i Somsanouk , Faritany Attapeu , Laos

 

Taothan Village, Vientiane Province, Laos [11]

Vohitr'i Taothan , Faritany Vientiane , Laos

Sorngneua Village, Luang Prabang Province, Laos [12]

Vohitr'i Sorngneua , Faritany Luang Prabang , Laos

Mba hanitàrana ny fandaharanasany, mikasa ny Big Brother Mouse ny hanorina [13]  ‘Foibe iray Hianarana sy Hamantarana ny Tontolo’ eo amboninà tany iray mirefy telo hektara ao an-tanànan'iLuang Prabang.

All photos from the website of Big Brother Mouse [2]