Fanarahamaso Ny Fifidianana Antenantenam-Potoana Ao Meksika Miaraka Amin'ny #BreakTheFear

"Quiero democracia". Fotografía de Marte Merlos bajo licencia CC BY-NC-ND 2.0

“Demokrasia no tadiaviko”. Sary an'i Marte Merlos nampiasàna ny fanomezan-dàlana Creative Commons CC BY-NC-ND 2.0

Nandritry ny fifidianana tao Meksika tamin'ny Alahady lasa teo, nanao fanentanana nomeny anarana hoe #RompeElMiedo (#ReseoNyTahotra) ny fikambanana ho an'ny fahalalaham-pitenenana  ARTICLE 19 mba hanarahana maso ny fiarovana ireo mpanao gazety sy mpikatroka mpiaro zon'olombelona. Ezaka nifantoka tamin'i Mexico City, Guerrero, Michoacan, ny Fanjakan'i Mexico, Oaxaca, Puebla, ary Guanajuato (faritra manan-danja izay tena nampidi-doza tokoa ny fanaovana tatitra momba ny fifidianana tany aloha).

Ny tambajotra #RompeElMiedo , izay manangona ireo fitarainana momba ny sotasota atao amin'ny mpanao gazety sy mpiasa mpiaro zo, dia efa in-11 nohetsehana hatramin'ny 2013, fotoana nanombohna azy voalohany.

La frecuencia de las agresiones sigue aumentando: en temporada electoral, una cada 10.6 horas. Durante la primera quincena de mayo, se registraron 34 agresiones contra comunicadores; de estas, ocho se relacionan directamente con la cobertura de actos de campaña o hechos relacionados con las elecciones. Estos ataques son ejemplo de la falta de condiciones para el ejercicio de los derechos a la libertad de expresión e información.

Desde su inicio, la red ha hecho un llamado directo a los gobiernos del Distrito Federal, de la República, así como a los diferentes gobiernos estatales y municipales, para que de manera pacífica y apegada a los estándares internacionales en materia de derechos humanos garanticen el adecuado desarrollo de las jornadas de protestas y el libre flujo de información en estos contextos.

Matetika mitranga ireny asa fanaovana herisetra ireny. Mandritry ny fotoam-pifidianana, misy iray isaky ny 10.6 ora. Nandritry ny tapany voalohany tamin'ny volana May, 34 ny fanafihana voarakitray nanjo ireo mpanao gazety; ny valo tamin'ireny no nisy fifandraisany mivantana tamin'ny fandrakofana ireo fanentanana politika sy fifidianana. Io herisetra io no ohatra iray amin'ny tsy fahampian'ny fepetra tsara antoka raha vao resaka fahalalahana maneho hevitra sy fizaràna vaovao no resahana.

Hatrany am-piandohany, efa niantso ireo manampahefana tao an-tanàna,ny fanjakàna ary ireo sehatra rehetra eto amin'ny firenena ilay tambajotra mba hiantoka ny fiarovana ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny fivezivezena malalaky ny vaovao, ao anatin'ny fomba milamina sy manaraka tanteraka ny lalàna, mifanaraka amin'ireo fenitra iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona

Ampahany tamin'ny asa nataony nandritra ny fifidianana tao Meksika, namoaka fanavaozana sata ara-potoana ny ARTICLE 19 tao amin'ny Tumblr momba ny toe-draharaha misy amin'ny fitaterana ny fifidianana, isan'izany ny torohay momba ny fiarovana ny ain'ireo mpanao gazety sy mpikatroka mafàna fo eny an-kianja eny. Io sehatra io ihany koa no mbola nampiasaina hananganana sarintany hanarahana maso ireo fanafihana :

Mapa de agresiones durante la cobertura de las elecciones en México 2015. Red #

Sarintany fanarahana maso ny fanafihana,hoan'ireo fifidianana antenantenam-potoana aoMeksika. Tambajotra  #RompeElMiedo (ReseoNyTahotra).

Amin'ny fampiasàna ny tenifototra #RompeElMiedo (ReseoNyTahotra), azon'ireo mpanaramaso ny fifidianana ny mametraka ao avy hatrany ireo tsy fanarahan-dalàna samihafa sy tranganà herisetra :

Armando Rincón, INE (Ivontoerana Nasionaly momba ny Fifidianana) mpanampy amin'ny resaka fifidianana, manakantsakana ny mpanao gazety tsy hanao ny asany.

Polisin'i Cholula mihazona mpanangona vaovao.

Journalist Azucena Rivas niharan'ny herisetra  nataon'ny olon'ny CTM (Kaonfederasionan'ny Meksikana Mpiasa) tao Lara Grajales, izay nitondra fiara tsy mataho-dàlana izay nitondra ny laharam-pamantarana SJ90830.

Vao mangirandratsin'ny andro 7 Jona, nahery vaika ireo fanafihana nanjo ny @centronline.

Eo ankilan'ireo tatitra nampisàna io tenifototra io, azonao arahana ny momba ireo fifidianana antenantenanm-potoana natao tao Meksika, miaraka amin'reo tenifototra roa hafa manaraka ireto: #Elecciones2015 sy #Votaciones2015.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.